26/10/2023
MISAOTRA ANAO POETA
Soratra sy teny voafantinao teny an'habakabaky ny trombanao mirongatra
sy ventsonao nipongatra
No indro narindranao ho tonga tsara rafitra,
Ho kanto mahafinaritra ny masonay mamaky
ireo soratrao miranty...
Naharevo koa ny sofinay mandre, rehefa ianao miantsa.
Korisam-peninao no indro fa mitafa.
Mivimbina hamamiana sy tsiky sesilany,
mivatsy koa fitia... ary ankoatra izany,
tao narakitrao ny toro sy ny anatra
Entinay miaina.
Ianao ilay tsy mba sasatra
Mikiry tsy malaina
Mampita fahendrena
Mampianatra hatrany hahery sy hanantena
Manabe ny maro ho tonga olom-pirenena
vanona sy marina
Hikendry ny hanarina
ireo lavon'ny onjam-piainana.
Tsy nataonao hitarainana
ireo adidy maro iantsorohanao
Fa am-pitia hatrany no anoloranao
ny kanto sy ny soa
sy tsara mahasoa
tanaty soratrao.
Na aza hatramin'izao...
Tsy vitsy ireo mpanenjika sy ireo mpanasoketa.
Ny tanjonao tsy miova: "manome ho an'ny rehetra"
Fa "Soratra... kanto no sady manabe" no ataonao tarigetra.
Ka... misaotra anao Pôeta!
Ny Kintana Fitarikandro
(14-10-2022)