Andry Mitsiky Tsiresy

Andry Mitsiky Tsiresy Ity pejy ity dia nataoko manokana ho fizarana sy fanehoana ireo asa-soratro na an-tononkalo, na mety ho tantara.

Ny tanjona dia ny hikolokolo sy hampanjaka ny teny malagasy ary hampitombo hasina azy.

LISTEN'IREO CYCLONE AO  INDIEN 2022-2023SY NY FIRENENA NANOME NY ANARANY.
22/02/2023

LISTEN'IREO CYCLONE AO INDIEN 2022-2023
SY NY FIRENENA NANOME NY ANARANY.

FA NANKAIZA.......?Fa nankaiza ny fahaizana,moa nanjavona any ho any,sa natelinao ry tany?no habadoana sy andrakandrana,...
18/02/2023

FA NANKAIZA.......?
Fa nankaiza ny fahaizana,
moa nanjavona any ho any,
sa natelinao ry tany?
no habadoana sy andrakandrana,
izay mitera-pahavoazana,
ary mampikiaka mafy,
tena mila tsy ho tanty,
no indro re sy hita maso,
sy ireo karazana ankatso
fa nankaiza ny fahendrena,
moa nafenina tsy ho hita,
sa lasa rano ambolon-gisa?
no hadalana, tsiratsira,
no malaza sy hirahira,
ka zary fiainan'ny baroa,
tena manohina ny fo,
no manjaka tsy hay tononina,
ao anaty fiarahamonina.
fa nankaiza ny fihavanana,
eny nankaiza ny fihavanana,
ilay kiadin'ny tsy manana,
moa efa fiainana fahiny,
ka tsy ilaina ankehitriny,
no ady lava, fandrafiana,
famonoana, habibiana,
ireo samy malagasy,
mifandratra misy maty.
fa nankaiza...?
Andry Mitsiky Tsiresy
aza adino manisy j'aime ny pejy.๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹

18/02/2023
15/07/2022

IZA MOA NO TSY HANIRY MBA HO MAFY E,

HOE tsy ho resinโ€™iza nโ€™iza, ahazaka izay rehetra miseho?
ENY na ny tampoka aza.

Afaka ho toy izany ianao,

Ka ny zavatra voalohany atolotro anao alohanโ€™ny hizarako zavatra hafa dia izao: Manร na fifandraisana aminโ€™izay heverinao ho mafy. Ataovy tsara ny fifandraisanareo mba ahaizanao maka tahaka ny ataony ary ahatonga anao ho mafy tahaka azy.

๏ƒ˜ IZA MOA NO HEVERINA HO MAFY NOHO ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY IZAY NAHARY ANTSIKA?

Misy olona izay niresaka tamiko izy dia nilaza hoe:โ€ Za tsy mivavaka fa izaho kosa dia tena mino anโ€™Andriamanitra, โ€œ Noraisiko io satria hakatsika lesona: Inoako fa na tsy mivavaka mivantana, hita maso aza izy dia manana fifandraisana aminโ€™Andriamanitra, ary ny fahitana azy izay taratry ny ao anatiny dia mafy tokoa izy ary Manana toerana eto amin'ny fitondrana ny firenena.

Zao ary
Mifandraisa aloha aminโ€™izay mafy indrindra dia Andriamanitra, ataovy tsara ny โ€œrelationโ€-nareo fa izy no tena mafy indrindra.

IZY NO NAHARY ATSIKA dia hainy ny manamafy atsika araka izay mety indrindra.
*
Mitsiky Tsiresy

Efa firy ireo nivonona,Niady sy nitolona,Handrava anao tateraka,Kinanjo resy, reraka.Ianao tsy niady akory,Ny fony anefa...
07/04/2022

Efa firy ireo nivonona,
Niady sy nitolona,
Handrava anao tateraka,
Kinanjo resy, reraka.

Ianao tsy niady akory,
Ny fony anefa ory,
Ianao toa tsy namaly,
Izy aroa mihalijaly.

Mahery ianao!!!!
Tena mahery ianao!!!!

Andry Mitsiky Tsiresy

NY TAPAK'AMBANINAREO HOY RADO๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ‘
06/04/2022

NY TAPAK'AMBANINAREO HOY RADO
๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ‘

AKORY ABY I.MISY MHALIANA ANAO VE?AZA MISALASALA MIANTSO ARY.NA DIA ANONTANY FOTSINY AZA.Mamaly MPTel:034 42 725 30
11/03/2022

AKORY ABY I.
MISY MHALIANA ANAO VE?
AZA MISALASALA MIANTSO ARY.
NA DIA ANONTANY FOTSINY AZA.
Mamaly MP
Tel:034 42 725 30

,๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰ANGANO ANGANO๐Ÿ‘ˆ๐Ÿ‘ˆ๐Ÿ‘ˆALEO MBA ASINA TSIKITSIKY KELY FA TSY D TONONKALO FOANA E. ๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜Ž๐Ÿ‘Š๐Ÿ‘Š๐ŸŒทnisy tovolahy (A) anakiray naniry...
09/03/2022

,๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰ANGANO ANGANO๐Ÿ‘ˆ๐Ÿ‘ˆ๐Ÿ‘ˆ
ALEO MBA ASINA TSIKITSIKY KELY FA TSY D TONONKALO FOANA E. ๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜Ž๐Ÿ‘Š๐Ÿ‘Š๐ŸŒท

nisy tovolahy (A) anakiray naniry hร nana soavaly. Indray andro nahita rangahy (B) iray nikarakara soavaly izy kร  dia nanatona avy hatrany:
A: Manahoana e, Aleo mbร  vidiako ity soavalinao ity.
B: Tena tsy amidiko ity ry tovolahy.
A: Eo mo ramose a, miangavy e.

Nanaiky iany moa ity tompotsoavaly ny hivarotra

B: ity soavaly ity anefa kร  mahalala baiko a.
A: Ay, tsara kosa zany . ahoana daholo ny fibaikona azy?
B: Refa handefa azy dia miteny oe OUFF ary Refa anajanona azy dia miteny oe AMEN.
A: Ay ve mora e. misaotra betsaka ary e.

Indray andro nandeha nitsangatsangana nitaingin-tsoavaly taminร  toerana desert ranamana.

A: Oufff,Oufff ,oufff ,Oufff

ary dia nirifatra mafy tokoa ny soavaly
kanjo Refa elaela,

A: oadray lety e, tena misy hantsana be io aloha io zany. ahoana moa ilay fanajanonana anity soavaly ity. tena adino lety e.

Tena tsy tadidiny moa anefa ilay hantsana miha-manakaiky, hany heriny dia nanao ny vavaka nampianarin'ny tompo.

A: Rainay izay any andanitra.........Amen!

ary dia nijanona ilay soavaly teo amoron'ilay hantsana.

faly ranamana ary nisento tokana sady niloaka hoe.....

A: Ouffff.

dia nirifatra ndray ny soavaly eeeeeee.

๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ‘๐Ÿ˜‰๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚
Andry Mitsiky Tsiresy

Atreho am-pitonianaAtreho am-pifaliana,Atreho am-pitsikiana,NY fiainanao ANIO,Fa ny ANIO anie ho lasa e, NY lasa efa las...
07/03/2022

Atreho am-pitoniana
Atreho am-pifaliana,
Atreho am-pitsikiana,
NY fiainanao ANIO,
Fa ny ANIO anie ho lasa e,
NY lasa efa lasa NY AMPITSO mbola ho avy,
F'Izay no tadidio.

๐ŸŒท๐ŸŒท๐ŸŒทNY VEHIVAVY๐ŸŒท๐ŸŒท๐ŸŒทNy vehivavytoa marefo hoy n'y maro, raha lazaina ambangovangony,fa io marefo io mihintsy no ahatratrara...
03/03/2022

๐ŸŒท๐ŸŒท๐ŸŒทNY VEHIVAVY๐ŸŒท๐ŸŒท๐ŸŒท

Ny vehivavy
toa marefo hoy n'y maro, raha lazaina ambangovangony,
fa io marefo io mihintsy no ahatratrarany ny tanjony,
Tsy dรญa mahery mitaraina, fa miatrika mangina,
ireo adidy , ireo andraikitra, na dรญa maro fiafiana.

Ny Vehivavy,
ilay masitsika kely, kizitina amin'ialahy,
FANEHOAM-PITIAVANA io, fa AZA dรญa miahiahy,
MBA iriany mantsy ialahy, tsy ho lavo am-pandehanana,
fa ialahy bรฉ rendrarendra, ka tsy maintsy mba tantanana.

Zandry a,
tandremo...., tena tandremo lesy zandry,
ka oe tsy hiasa saina, Dia hampijaly Vehivavy,
fa na malemy aza izy, aleo mijery ambony,
fa Tsy ho zakazakaina...., izay mety ho alahelom-pony.

ANDRY MITSIKY TSIRESY

AZA adino manisy ๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ‘ n'y pejy

๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰LE KOTO SY DADABE๐Ÿ‘ˆ๐Ÿ‘ˆFIZARANA FAHAROADadabe:Fa angaha ilehity ity manambady,toy ny mihazona angady,ka oe andeha kely alo...
03/03/2022

๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰LE KOTO SY DADABE๐Ÿ‘ˆ๐Ÿ‘ˆ
FIZARANA FAHAROA

Dadabe:
Fa angaha ilehity ity manambady,
toy ny mihazona angady,
ka oe andeha kely aloha,
n'a ahavoa na Tsy ahavoa,
ny saonjo sy vomanga, ireo sakafo toy NY vary,
vetivety ireo dรญa ritra, koa Tsy ho fatin'ny mosary?
Ary i ketaka sy bozy,
tsy sanatria ka oe totozy,
fa tanora ankehitriny,
Tsy ambakan'ny vahiny,
fa Mila...............
in Ty IZY.............
Boby,
hanarahany lamaody.

Le Koto:
Zao no reko indray mandeha
refa raikitra io mandeha,
raha sakafo aloha Tsy olana,
Tsy maintsy misy vahaolana,
raha Ilay resaka lamaody
ikajiko bojibojy
ao tsofy rano aho dadabe
fa tena vonona andeha.

mbola hitony.......

ANDRY MITSIKY TSIRESY

Aza adino manisy ๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ‘ n'y pejy o

๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰Le Koto sy dadabe๐Ÿ‘ˆ๐Ÿ‘ˆFIZARANA  VOALOHANYLe Koto: O RY dadabe, moa izaho Tsy EFA lehibe,  koa Tsy andeha andeha?Dadabe:o ...
01/03/2022

๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰Le Koto sy dadabe๐Ÿ‘ˆ๐Ÿ‘ˆ

FIZARANA VOALOHANY

Le Koto:
O RY dadabe,
moa izaho Tsy EFA lehibe,
koa Tsy andeha andeha?

Dadabe:
o lehiretsy, o zalah,
andeha ho aiza ity ialahy ?
hazavao izay tian-kambara,
fa AZA dรญa adaladala

Le Koto:
Zao ry dadabe a,
ry bozy s'y ry ketaka,
midongy n'y hipetraka,
ka aleo aho hisafidy
dia horaisiko ho adidy,

dadabe:
o ry le Koto a,
ilay misafidy anie ka Mora,
atao "psssi" na antsoina,
fa ho velomaina amin'ny inona?
sa ho velomina amin'ny vilona

Le Koto :
aiza koa ry dadabe
efa oe izaho efa olon-dehibe,
eny antsaha n'y saonjo s'y vomanga
ao antsopitra n'y vary dimy salaka manga.

,,.........................
Mbola hitohy............

ANDRY MITSIKY TSIRESY

AZA adino manisy J'aime n'y pejy o๐Ÿ˜€๐Ÿ˜€๐Ÿ˜€

FA NANKAIZA.......?Fa nankaiza ny fahaizana,moa nanjavona any ho any,sa natelinao ry tany?no habadoana sy andrakandrana,...
24/02/2022

FA NANKAIZA.......?

Fa nankaiza ny fahaizana,
moa nanjavona any ho any,
sa natelinao ry tany?
no habadoana sy andrakandrana,
izay mitera-pahavoazana,
ary mampikiaka mafy,
tena mila tsy ho tanty,
no indro re sy hita maso,
sy ireo karazana ankatso

fa nankaiza ny fahendrena,
moa nafenina tsy ho hita,
sa lasa rano ambolon-gisa?
no hadalana, tsiratsira,
no malaza sy hirahira,
ka zary fiainan'ny baroa,
tena manohina ny fo,
no manjaka tsy hay tononina,
ao anaty fiarahamonina.

fa nankaiza ny fihavanana,
eny nankaiza ny fihavanana,
ilay kiadin'ny tsy manana,
moa efa fiainana fahiny,
ka tsy ilaina ankehitriny,
no ady lava, fandrafiana,
famonoana, habibiana,
ireo samy malagasy,
mifandratra misy maty.

fa nankaiza...?

Andry Mitsiky Tsiresy

aza adino manisy j'aime ny pejy.๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹๐Ÿ‘‹

18/02/2022

๐Ÿ˜Ž๐Ÿ˜ŽNDAO MBA JERENA VUE TSISY ORONA DAHOLO NY OLONA ZE MOFANENA AMITSIKA E.
DIA TATARAO ETO
๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚

18/02/2022

....LAZAO AZY ....

Lazao azy fa tsy diso izy ra mihevitra ny ho marina,
tsy mitsinjo akory ny hafa mba ho sambatra,
fa raha ny fitia, manan-kery tsy hay fantarina,
dia hanaloka eny foana, tsy maintsy mbola hampihavana.

Lazao azy koa fa ilay fo naratra, nilaozany ho irery,
dia ao mitempo tsy ankijanona, mitahiry ny efa vita,
mba ho diary volamena,hipetraka tsy ho very,
ary ho vakoka doria, ireo tantara tsy hita isa.

Eny e, lazao azy tsy maninona, oe izy mbola tia,
ary nanatena foana, oe ianao mbola ho malalany,
fa na tsy hisy aza izany,mandrakizay doria,
IANAO EFA TAFIDITRA AO ANANTIN'NY TANTARANY.

Andry Mitsiky Tsiresy

aza adino manisy ๐Ÿ‘๐Ÿ‘ ny pejy

NITIA AHO,Nitia Aho, nitia tsy nandala Heryfa natosako avokoa, Zay nananako na kely,dรญa notafiako n'y herim-poko, naneho...
16/02/2022

NITIA AHO,

Nitia Aho, nitia tsy nandala Hery
fa natosako avokoa, Zay nananako na kely,
dรญa notafiako n'y herim-poko, nanehoko niharihary,
fa nitia Aho, n'a mivantana n'a ankisarisary.

Eny nitia aho, tsy Tรฉo imasonao ihany,
fa nataoko ho ren-danitra, nataoko ho ren-tany,
Dia nipoitra ireo mpisompatra, ireo mpandavo teto an-tany,
fa satry nitia Aho, Dia resim-pitia izany,

EFA nitia Aho,......
mbola mitia aho,.....
dia mbola hitia Aho,....

ANDRY MITSIKY TSIRESY

01/02/2022

SARO-KENANATRA MITORY FITIAVANA, TSY SAHY MITENY FA SASATRA MIARAHABA NY ANJARAN'NY SASANY FOTSINY
SARO-KENANATRA MITORY FITIAVANA, TSY SAHY MITENY FA SASATRA MIARAHABA NY ANJARAN'NY SASANY FOTSINY

Address

Antsirabe
Antsirabe Afovoany
110

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Andry Mitsiky Tsiresy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Andry Mitsiky Tsiresy:

Share


Other Antsirabe Afovoany media companies

Show All

You may also like