NyProd - 109

NyProd - 109 Information - Education - Communication

16/02/2024

Nanome tari-dalana hampandrosoana ireo fikambanana eto Antanifotsy ny teo anivon'ny Faritra Vakinankaratra. Isan'izany ny firosoana amin'ny sehatry ny ara-dalàna.

19/01/2024

Miombona ao anaty fambolena sy fiompiana ny fikambanam-behivavy
ary manana vina ho enti-mampandroso ny tanàna.

30/11/2023


Milofo fatratra amin'ny fambolena sy asa tanana ireo fikambanam-behivavy 08 Mars ato amin'ny Distrika Antanifotsy
mba ho entina hampiroboroboana ny Fikambanana.

07/08/2023

« Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro... » (Apokalypsy 3:12 )

Rnm Tvm Antanifotsy
14/07/2023

Rnm Tvm Antanifotsy

07/07/2023

Saron'ny
Zandry kely mpisetrasetra mitoraka fiara

01/07/2023


Nitondra tan-tsoroka tamin'ny alalan'ny takalo ho an'ny fandraharahana sy fandrosoana lovain-jafy ho enti-manampy ny tanora amin'ny fandraharahana tao Ambohimandroso ny Association SK, ny Orion Multimédia ary ny OSCEAH.
Hetsika izay teo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy.

20/06/2023


Tonga niatrika: 7 960
Tsy tonga: 183
Zandriny indrindra : 10 taona
Zokiny indrindra : 20 taona

25/05/2023


Lavon'ny zandary tao Ambatomiady i Jules kely

15/05/2023



« Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin'ny olona rehetra; » (2 Korintiana 3:2)

Cours de :        Mivelatra kokoa ianao raha mahay teny vahiny , takian'ny sehatry ny asa sy fianarana izany.Ho antsika ...
10/05/2023

Cours de :
Mivelatra kokoa ianao raha mahay teny vahiny , takian'ny sehatry ny asa sy fianarana izany.
Ho antsika mpianatra na tanora hiatrika asa na mieritreritra hivoaka any am-pita.
Fampianarana teny vahiny tsy misy saram-pianarana. Cours de : Français, Anglais, Allemand, Espagnol
- Inscription : Tsy misy droit d'inscription
- Manatona ny (akaiky ny tetezana)
- Fidirana: Sabotsy 27 Mai 2023.

19/04/2023


Nifanatrika mivantana namaly ny ahiahy sy olan'ireo Ben'ny Tanàna taty Antanifotsy ireo Talem-paritra eto Vakinankaratra.

 Ivon-toerana - Handraisana an-tanana ireo zokiolona amin'ny lafiny sosialy sy fahasalamana- Fampindramam-boky/ Famakiam...
10/04/2023


Ivon-toerana
- Handraisana an-tanana ireo zokiolona amin'ny lafiny sosialy sy fahasalamana
- Fampindramam-boky/ Famakiam-boky
- Fampianarana fanampiny
- Fampiofanana arak'asa maimaimpoana.
Nosantarina androany 9 Avrily 2023 ny hetsika ho an'ny zokiolona .
Tonga maro nitsodrano ireo raiamandreny isan-tsokajiny. Natomboka tamin'ny fotoam-pivavahana ny fotoana narahan'ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana.
Mifanandrify indrindra amin'ny P***a ity fanokafana ny ivon-toerana Tsimialonjafy ity. Nanolotra izay notsirambin'ny tanana ho an'ireto nahitàna masoandro ireto zanaky ny tanàna ireto . Toy ny siramamy sy savony.
Santatra ihany ny anio fa hitohy mandavan-taona ny hetsika. Misokatra mandavan'andro rahateo ny ivon-toerana
handraisana ny anaran'ireo izay liana amin'ny famakiam-boly, fampiofanana, fampianarana ary fizaham-pahazalamana.

09/04/2023


Ivon-toerana
Handraisana an-tanana ireo zokiolona amin'ny lafiny sosialy sy fahasalamana
Fampindramam-boky/ Famakiam-boky
Fampianarana fanampiny
Fampiofanana arak'asa maimaimpoana

  Tafaray tao amin'ny Kianja maitso Ste Thérèse Antanifotsy ireo Mpanabe ato amin'ny Zap 24 CISCO Antanifotsy notarihin'...
05/04/2023



Tafaray tao amin'ny Kianja maitso Ste Thérèse Antanifotsy ireo Mpanabe ato amin'ny Zap 24 CISCO Antanifotsy notarihin'ny Chef CISCO .
Anton'ny fihaonana ny mba hanamafisana ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Nanotrona azy ireo tamin'izany ny mpitondra isan'ambaratonga sy ireo Raiamandreny samihafa.
Tao anatin'izany no nanoloran'ny Solombavambahoakan'i Madagasikara vola manodidina ny 1 400 000 ariary (efatra hetsy sy iray tapitrisa) mba ho tohana ho azy ireo.
Nanambara ny solontenan'ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena fa hampitomboina hatrany ny isan'ireo mpampianatra FRAM ho raisina ho mpiasam-panjakana ary amin'ny taona 2028 dia tsy hisy mpampianatra FRAM intsony fa efa voaray avokoa.
Fihaonana izay nohafanain'ny tarika .

  Teto amin'ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra no nanolorana ny taratasy fifanarahana arak'asa ireto Mpampianatra ...
01/04/2023



Teto amin'ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra no nanolorana ny taratasy fifanarahana arak'asa ireto Mpampianatra andiany faha sivy ireto izay nisalotra ny anarana "Anjara" Cisco Antanifotsy.
413 ireo nisitraka izany tato amin'ny DREN Vakinankaratra raha 95 kosa ny tato amin'ny Fari-piadidim-pampianarana Antanifotsy.
Nanolotra izany taty an-toerana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Nanotrona sy nankahery ireto mpanabe notarihin'ny Chef Cisco ireto hatrany moa ny Solombavambahoaka .

09/03/2023

 Tonga lafatra, lavorary, nahafinaritra, mbola tsy nisy ohatran'iny, manja ery, nilay an sns...Ireo no teny nentin'Antan...
08/03/2023


Tonga lafatra, lavorary, nahafinaritra, mbola tsy nisy ohatran'iny, manja ery, nilay an sns...
Ireo no teny nentin'Antanifotsy namintinana ny fankalazana ny andron'ny vehivavy.

Ity no fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo taty amin'ny Distrika AntanifotsyTonga teto Masoandro Ka...
25/02/2023

Ity no fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo taty amin'ny Distrika Antanifotsy
Tonga teto Masoandro Kaominina Ampitatafika ny rehetra, notarihin-dRamatoa Lehiben'ny Distrika
sy ny Solombavambahoaka nandrakotra hazo miisa 8000 ny velaran-tany 4 ha.
Karazan-kazo samihafa no novolena teto ao anatin'izany ny hazo sarobidy. Ho entitra ny fanaraha-maso aorian'izao fambolena izao.
Fanokafana ihany ny anio fa hanao sesilany hamita ny adidiny manokana ireo fikambanana sy sampan-draharaha samihafa aorian'izao.

25/02/2023

Fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo taty amin'ny Distrika Antanifotsy.

13/02/2023


ihany Antanifotsy
An-taonany maro tsy nahare Rnm , tsy nahita Tvm Antanifotsy.
Ny manan-katao sasantsasany ihany, izay afaka manofa ny sary sy mandray izany amin'ny alalan'ny zanabolana no mba mahara-baovao.
Niady mafy ny mba hisitrahan'ny vahoakan'Antanifotsy izany ny Solombavambahoaka .
Asa fa tsy Kabary hoy Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina
. Nandefa teknisianina avy hatrany ny tenany. Natsangana ny Pylône ary narafitra ireto fitaovana matianina vaovao handraisana sy hanapariahana feo sy sary ireto ,Rnm-Tvm Antanifotsy.
Ka ho fifanomezan-tanana sy mariky ny hafaliana noho izao fanomezana lehibe izao dia nohatsarain'ny Solombavambahoaka
ny Biraon'ny . Nanotrona azy tamin'izany ireo mpiara-dia aminy , ny delegasion'ny serasera sy ny kolontsaina.
Nolokoina ny anaty sy ivelany ary nodiovina ny manodidina.

Address

Antanifotsy

Telephone

+261349777930

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when NyProd - 109 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to NyProd - 109:

Videos

Share


Other Antanifotsy media companies

Show All