Tonokalo mpitiavana

  • Home
  • Tonokalo mpitiavana

Tonokalo mpitiavana Herman

Vatanay feno olatra be valiny de eny@ solaitra be mbola sahy anohitra ve kalitao nay ko raitra be fazanaky dada nay norm...
18/04/2024

Vatanay feno olatra be valiny de eny@ solaitra be mbola sahy anohitra ve kalitao nay ko raitra be fazanaky dada nay norme rah kapaina tsy hita fery ah fazanaky dadanay ah miharina rah sendra mb menjera fazanaky dadanay ah norme rah tsy nanao mopera ah

Manomboka androan nah tsiky nah tomany de malala no anantsoko anao zay le voady nakako anao ho vady de indro le peratra💍...
15/04/2024

Manomboka androan nah tsiky nah tomany de malala no anantsoko anao zay le voady nakako anao ho vady de indro le peratra💍 atolotro ho anao

Olo tsotr ianao io ts diso safid aho f voamaik az tik zan ts soloko nah ovina  nah ovin
05/04/2024

Olo tsotr ianao io ts diso safid aho f voamaik az tik zan ts soloko nah ovina nah ovin

Teh nangina fa ts toa aina fa n foko efa  taralila nofy2 ts tamby isaina f ts vitako intsony le mandeh ila ny fiainako r...
03/04/2024

Teh nangina fa ts toa aina fa n foko efa taralila nofy2 ts tamby isaina f ts vitako intsony le mandeh ila ny fiainako rehef nidiranao milamin b f ts mivaralin nofenao fifalinao d fenonao hira2 f androan kos ef mazav f teh hiantsamp eny antratranao f ts iafahaf hiteny hoe androan kos hoe ten mazav f teh iantsap en antratranao f ts hiafahaf hien hoe ô mi amore

Manoratra aho  ✍🏻Dia lasa namana tsy foiko ny penina sy taratasyany ihany aho manko no tsy mba miafiafyfa manoratr'izay ...
04/03/2024

Manoratra aho ✍🏻

Dia lasa namana tsy foiko ny penina sy taratasy
any ihany aho manko no tsy mba miafiafy
fa manoratr'izay rehetra mba tena tiako
any ihany aho no afaka milaza izay mba mety ho faniriako

Ny penina manko tsy hitaraina amiko hoe
Reraka aho manoratra izay rehetra novisainao
Reraka aho tazominao lava dia mila hitsonika angamba
Fa aleo aho mba haka aina

Ny taratasy no tsy mba handà izay rehetra mba faniriako
Fa zarany aza aho ilay manoratra milaza aminy izay mety ho fifaliako
Dia ilay mba mitantara aminy izay mba mety ho fahoriako
Zarany aza aho manambara aminy izay zava-tena tiako

Eby , Zarany aza aho mba maka fafiny manoratra aminy
mitanisa ny tsara sy ny ratsy , indrindra izay mety ho vita omaly
Dia izay rehetra tiako mba havalona sahady

Fa manoratra aho...
Satria ny olona efa leo mihaino ny feoko mitantara
Ny olona efa manampin-tsofona dia manondro molotra
Hoe : tonga indray iny

Fa manoratra aho satria
Izy irery ihany sisa no tsy manosika ny feon'ny fitarain 04/03/24

HERMAN✍

Ratsy hoe : ... ? ✍🏻Eny e! Mety ho izay tokoa angambaSatria Tsy anisan'ilay noentinao tamin'ny sangatsy anisan'ilay tsy ...
03/03/2024

Ratsy hoe : ... ? ✍🏻

Eny e! Mety ho izay tokoa angamba
Satria
Tsy anisan'ilay noentinao tamin'ny sanga
tsy anisan'ilay tsy naharay lamba
Vao noseraninao

Tsy maivan-doha azonao baikona amin'izay mba tianao
Na koa hoe, ilay tia misolelaka dia manaiky izay rehetra voalazanao
Manao izay rehetra mety mahafaly anao

Fa mba manana ny tiako , eny manana ny saiko
... ratsy tokoa angamba
Satria
Manana toetra miavaka tsy azonao nosalovanina hanaraka ny ditranao
Manana saina somary mihataka amin'ilay anao miha-mihiba
Dia io fa naratsiana

Ratsy moa? Eny tsy maninona

HERMAN✍ bon dimache tout les amis 😘

Aza manatena miracle zan eo @ fiainan f rah izan n endrasanao d ts his mits zan e nah hivadik enatsim  az n fiposahan ma...
02/03/2024

Aza manatena miracle zan eo @ fiainan f rah izan n endrasanao d ts his mits zan e nah hivadik enatsim az n fiposahan masoatr k hiletika atsinane f enao n mil miezak mb hitsinj n hoav vao

Herman kely

Tiana ✍🏻Tiana ianao ka tianaDia nahasahy nivaralilaNanitsaka ny dianaNahasahy nandravaNy toky izany nomenaTeny ambony al...
29/02/2024

Tiana ✍🏻

Tiana ianao ka tiana
Dia nahasahy nivaralila
Nanitsaka ny diana

Nahasahy nandrava
Ny toky izany nomena
Teny ambony alitara

Fa tiana ianao ka tiana ...

Diso tiana manko
Dia nahasahy nivari-lavo
Nametraka ahy ho bado

Satria, niseho ho tena tompony
Dia nitoky tena fatratra
f'hoe : " aho tsy hahavita ny hanary "

Diso kajy ...

Oooo! Io na tena tiana aza
Rehefa hoe manalika
Dia tsy maintsy hoe hahifika

Io na tena tiana aza
Rehefa hoe manaikitra
dia tsy maintsy hoe hahilika

Fa tiana ianao ka tiana

Diso tiana dia tsy maintsy hoe arina

Herman✍🏻

Mpankafia anao ✍🏻An-dalan-drima vitsy, mifamalyTinazako tanaty kalonaoNo nanosika ny saikoMba hanjoy , hankafia ny vents...
26/02/2024

Mpankafia anao ✍🏻

An-dalan-drima vitsy, mifamaly
Tinazako tanaty kalonao
No nanosika ny saiko
Mba hanjoy , hankafia ny ventsonao ...

Dia io aho fa lasa mpanara-dia
Mazoto mitsidika ny rindrinao
Sao manko mba efa misy rima vaovao
Na koa hoe hisy hetsika ho atao ....


Manara-maso ny fizotran'ny tantara
Dia mifantoka rehefa iny ianao miantsa
Mankafia ny gadom-peo anaty rima nahababo
Izaho ilay mpankafia anao tsy mianto,

Manenjika ny tontolo misy anao,
Misy fotoana aza te ho penina mba ho tena namana
Na taratasy mba ho fanoratanao, handrindranao ny rima
Fa Tiako ho'aho ny kalonao e! Indrindra rehefa ilay izy tsara rindra

Mpankafia anao,

Panoratra ✍🏻

✍H.R.M.N✍

... ✍🏻Dia ianao variana manao alina fotsyMidongy mafy erý ny tsy hatoryMilaza fa hoe:  mafy loatra ny ratra mampahoryAny...
26/02/2024

... ✍🏻

Dia ianao variana manao alina fotsy
Midongy mafy erý ny tsy hatory
Milaza fa hoe: mafy loatra ny ratra mampahory

Any anefa misy mivavaka mangiana, no sady mamelatra ny tsihy
Mahavita mitomany , fa leo ny mandry amin'ny tany
Tena leo ny mipetraka anaty tranon-drofia

Dia ianao aty mikomy milaza ny tsy hanoy intsony
Na ny sakafo aza zara raha hoanina ,
Fa minia manao an-tery ny manao karemy

Nefa any misy mifanjevo, mitady izay ho harapaka
mitady izay mba ho anjarany eny anaty lavaka
dia mitsimpona, mitsindroka ny latsaka ...

Ny marina!

Aza variana migentsana mitady ny lafatra sy tsara
Aza variana mandany lera mitomany, noho ny akason'ny tany
Fa any ho any mbola misy mizaka mafy noho io hatrehanao io.

Tsy manamaivana aho akory, fa tiako ianao mba ho tonga saina
Dia mba hankafia , hanomboka hamelona ny fanantenana
Hiaina, ho velona arak'izay tratra...

Herman✍

...Aaa ka, tsy mitovy isikaIzaho tsy ho ianao dia ianao tsy ho izahoMatoa samy manana ny sainy dia samy manana ny tianyf...
26/02/2024

...

Aaa ka, tsy mitovy isika

Izaho tsy ho ianao dia ianao tsy ho izaho
Matoa samy manana ny sainy dia samy manana ny tiany
fa tsy voatery hanarak'izay mety ho safidinao aho ...

Raha toa ka tsy hitovy ny tanjona dia aleo misaraka
Fa tsy misy hoe ianao no handeha hibahana
Hibaiko , dia handindy hiseho ho mahalala izay mahasoa ahy

Raha toa ka tsy ho iray ny lalana dia aleo samy manaraka ny lalany
Fa tsy hoe, terenao fotsiny aho mba hizotra any amin'izay safidinao
Dia hifamotika tsikelikely ao ...

Fa aleo samy mibanjina ny tanjony...rehefa tsy hifanohana
Aleo samy maka ho azy rehefa tsy hifanampy
Amin'izay isika tsy mifam-pigafy
...

Izaho tsy ho ianao dia ianao tsy ho izaho

HERMAN✍

" B A B O " Angamba ianao tsy hino raha lazaiko anao mazava hoe:"Ny tenako hanadino?! Tena sanatrian'ny vava."Anaty foko...
25/02/2024

" B A B O "

Angamba ianao tsy hino
raha lazaiko anao mazava hoe:
"Ny tenako hanadino?!
Tena sanatrian'ny vava."

Anaty foko lalina ao ange
ry tiako ianao no monina e!
Hatrizay ka hatrizao,
Tsy sanatria lainga foronina.

Eny, ao no mitoetra
koa raha toa ka sitrakao
dia ny fitiavako rehetra,
omeko higalabonanao.

Satria ny foko no efa babo
ka tsy mahay mitia ny ankoatra
Koa miangavy moa mba tiavo
fa efa tia anao be loatra e!

HERMAN ✍

...  ✍🏻         Zanako ô!Hainao ve ny antony mahatonga anao maratra Fantatrao ve hoe maninona ny fery no latsa-paka     ...
24/02/2024

... ✍🏻

Zanako ô!

Hainao ve ny antony mahatonga anao maratra
Fantatrao ve hoe maninona ny fery no latsa-paka
Mandrotika tanteraka ny fonao ?

Hainao ve hoe :
Nahoana no isaky ny manan'olon-tiana dia voafitaka
Nahoana no isaky ny mihezaka mitia dia voahitsaka

Voafingana ...

Zanako a!

Diso manao ny hafa ho ambony loatra ianao dia manary tena
Diso mitia be loatra dia manadino f'ianao koa mendrika ny ho tiavina

Eny ,

Mendrika ny ho hajaina sy koa ho lalaina...
Tsy miteny aho hoe ataovy ho lasa nenina ny rehetra efa vita
Fa fotsiny zanako a! Aza misisika ny ho tiana

Dia hialao rehefa hita f'hoe mandratra
Karakarao sy tiavo ny tena fa aza hiandrasana ny hafa

Herman✍

Address


Telephone

+261331957952

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tonokalo mpitiavana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Shortcuts

  • Address
  • Telephone
  • Alerts
  • Videos
  • Claim ownership or report listing
  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share