Lakroan'i Madagasikara

Lakroan'i Madagasikara Fondé en 1927, Lakroan’i Madagasikara est un hebdomadaire de la Conférence des évêques catholi

Fondé en 1927 par Monsieur Jean Baptiste Ramanamisata, l’hebdomadaire Lakroan’i Madagasikara est devenu propriété de la Conférence des évêques catholiques de Madagascar depuis 1965. La Compagnie de Jésus en assure l’administration, la gestion et l’animation de la rédaction avec la collaboration de l'Ecole Supérieure de la Communication et de l'Information (Samis-Esic) . Animé par une équipe plurid

isciplinaire, notre journal s’est fixé comme objectif l’éducation de tout homme et de tout l‘homme. Il vise ainsi à :
- Offrir à ses lecteurs des informations aussi complètes que possibles, neutres et objectives ;
- Mettre à la disposition des lecteurs des informations qui les aideront à comprendre le sens de l’actualité afin d’éclairer les prises de décision et leur engagement de citoyen.
- Soutenir le développement social, culturel et économique du pays ;
- Accompagner la construction d’une société plus juste et l’avènement de la démocratie. A l’exemple des nombreuses structures de l’Eglise catholiques, Lakroan’i Madagasikara s’adresse à tout homme et femme de bonne volonté (cadres, dirigeants, employés, enfants, jeunes et adultes) sans distinction. Avec les fidèles catholiques, les organismes et les ouvres de l’ECAR(Eglise Catholique Apostolique Romaine) touchent près de la moitié de la population de Madagascar. Lakroan’i Madagascar faire partie d’un vaste réseau et d’une communauté dynamique qui mettent en valeur l’engagement pour le développement de la personne et de la société . Le journal jouit également d’un large circuit de distribution lui assurant la couverture de tout Madagascar.

Alahadin'ny Mpiandry Ondry Tsara. Mivavaka ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra isika amin'izao Andro faha 61 natokana ho an...
21/04/2024

Alahadin'ny Mpiandry Ondry Tsara. Mivavaka ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra isika amin'izao Andro faha 61 natokana ho an'izay izao.
Antsoin'ny Papa Fransoà hamafy fanantenana sy hano***a fiadanana isika.

POSA-KEVITRA mikasika ny tsena isaky ny faran'ny herinandro (zoma, sabotsy, alahady) kasain'ny Kaominina Antananarivo Re...
20/04/2024

POSA-KEVITRA mikasika ny tsena isaky ny faran'ny herinandro (zoma, sabotsy, alahady) kasain'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hosokafana eo Analakely manomboka amin'ny heriny. Ho toeram-pivarotana ny arabe mamakivaky ny tsena ka hatreny anoloan'ny Cisco iny. Ahoana ny hevitrao ?

Nodimandry halina (16 aprily 2024) i Frera Etienne Randrianarisoa, SJ., Zoky am-panahin'ny Ekipa Nasionaly MDMK-CVX. Ny ...
17/04/2024

Nodimandry halina (16 aprily 2024) i Frera Etienne Randrianarisoa, SJ., Zoky am-panahin'ny Ekipa Nasionaly MDMK-CVX. Ny razana dia andrasana ao amin'ny Lasapely Md Josefa Analamahitsy Bourbon. Ny fandevenana dia hatao eny amin'ny fasan'ny Fikambanana eny Ambohipanja Ilafy ny zoma 19 aprily 2024, aorian'ny Sorona Masina ao amin'ny lasapela Analamahitsy Bourbon ihany, amin'ny 1 ora tolakandro.
Izahay Ekipan'ny Lakroan'i Madagasikara dia mankahery ireo rahalahiny ao amin'ny Fikambanan'i Jesoa sy ny Fianakaviamben'ny MDMK-CVX ary ny fianakaviany.
Mandria am-piadanana Frera Etienne.

14/04/2024

Mgr RAZAFINIRINA Jean Désiré avy nohamasinina ho Eveka, miarahaba sy Mitso-drano ny vahoaka kristianina Vory marobe eto Morombe. Anisan'izany ny reniny niteraka azy. Haravoana tsy omby tratra !

Vory lanona ny kristianina tsivakivolo eto an-tokotanin'ny Katedraly hiombom-bavaka amin'ny Sorona Masina fanamasinana s...
14/04/2024

Vory lanona ny kristianina tsivakivolo eto an-tokotanin'ny Katedraly hiombom-bavaka amin'ny Sorona Masina fanamasinana sy fametrahana amin'ny fiketrahany an'i Monseigneur RAZAFINIRINA Jean Désiré, Eveka ho an'ny Diosezin'i Morombe. Mgr Zygmunt Robaszkievicz no mpanamasina voalohany, otronin'i Mgr Gustavo Bombin Espino Arsevekan'i Toliara sy Mgr Rabeony Fulgence Arseveka misotro ronono ao amin'ny Diosezin'i Toliara.

Indro haingam-panahy vaovao ooo!!
13/04/2024

Indro haingam-panahy vaovao ooo!!

Dignitas infinita. Fahamendrehana tsy manam-petra. Mametraka ny fototry ny fandinihana ny hevitry ny fahamendrehan’ny ol...
08/04/2024

Dignitas infinita. Fahamendrehana tsy manam-petra. Mametraka ny fototry ny fandinihana ny hevitry ny fahamendrehan’ny olombelona ny ao Vatikana, tamin'ny famoahana, ny alatsinainy 8 aprily, ny antontan-kevitra vaovao novolavolain'ny Dikastera momba ny Foto-pinoana. Ao amin'ity antontan-kevitra misy teboka 68 ity, izay nankatoavin'ny Papa ny famoahana azy, ny Kardinaly Victor Manuel Fernandez, teolojiana arzantina prefe-n’ny dikastera, dia manolotra karazana fanavaozana momba ny Fampianarana ara-tsosialin’ny Eglizy. Voaresaka ao anatin’izany ny mikasika ny GPA (vohoka entina ho an’olon-kafa), ny herisetra atao amin'ny vehivavy, ny mpifindra monina, ny fivarotana olona, ny fiarahan’ny mitovy fananahana… (eo amin'ny sary ny Kardinaly Fernandez)

Alahady faharoa amin'ny Paka, Alahadin'ny Famindram-pon'AndriamanitraJESOA Ô ! MATOKY ANAO IZAHAY
07/04/2024

Alahady faharoa amin'ny Paka, Alahadin'ny Famindram-pon'Andriamanitra
JESOA Ô ! MATOKY ANAO IZAHAY

RESY NY FAHAFATESANA ! VELONA IANAO JESOA OOO !MIARAHABA ANTSIKA REHETRA AMIN'IZAO ANDRO PAKA IZAO
30/03/2024

RESY NY FAHAFATESANA ! VELONA IANAO JESOA OOO !
MIARAHABA ANTSIKA REHETRA AMIN'IZAO ANDRO PAKA IZAO

30/03/2024

Indro zaraina amintsika eto ny fivoaran'ny toetr'andro amin'ity faran'ny herinandro ity, indrindra ho an'ny any amin'ny Faritra Avaratra sy Atsinanan'ny Nosy.
Izahay Ekipan'ny Gazety Lakroan'i Madagasikara dia mankahery ireo tra-boina rehetra tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Gamane. Mirary fiononana ho an'ireo namoy havana.

fampahafantarana mikasika ny toetry ny andro
27/03/2024

fampahafantarana mikasika ny toetry ny andro

𝙁𝙄𝙇𝘼𝙕𝘼𝙉𝘼 𝙈𝘼𝙉𝙊𝙆𝘼𝙉𝘼 𝙈𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙉𝙔 𝙍𝙄𝙑𝙊𝘿𝙊𝙕𝘼 | 27 Martsa 2024 _ 06 ora maraina

☑️ Niditra an-tanety tamin’ny 06 ora latsaka fahefany tao amin’ny Kaominina Ampisikinana, Distrikan’i Vohemar ilay Cyclone Tropical GAMANE. 150 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra mahatratra 210 Km/ora ao anatin’ny 40 Km manodidina ny foibeny.

☑️ Marihina fa kely ny velaran’ity rivodoza ity ka saika amin’ny tapany Avaratry ny Distrikan’i Vohemar no ahitana ny rivotra mafy. Mikisaka mianandrefana somary Atsimo-Andrefana izy ka mahafaka 07 Km/ora.

📕📕 Filazana fampitandremana miloko mena na loza mitatao : Diana sy Sava;

📒📒 Filazana fampitandremana miloko mavo na loza manambana: Ambatosoa sy Analanjirofo..

⛔️ Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Antsiranana sy Mahanoro sy eo anelanelan’i Analalava sy Antsiranana mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza tanteraka. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony⛔️

🔑 Météo Madagascar

24/03/2024

Alahadin'ny Sampankazo, Alahadin'ny Fijaliana. Samy ho tody soa amin'ny Paka anie isika, hamakivaky ity Herinandro Masina ity

Enina amby enimpolo taona lasa izay no nidiran'i Jorge Mario Bergoglio ho novisy tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa ! Iza no...
11/03/2024

Enina amby enimpolo taona lasa izay no nidiran'i Jorge Mario Bergoglio ho novisy tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa ! Iza no nanam-po hoe ho lasa Papa Fransoa izany tovolahy izany tamin'izany?
Mirary soa hatrany ho an'ny Papa Fransoa, mivavaka ho azy.

On a day like today, March 11, 1958, Jorge Mario Bergoglio entered the novitiate of the Society of Jesus. Happy Anniversary, Pope Francis!

FARARANOM-PAHASOAVANA HO AN'NY EGLIZY ETO MADAGASIKARANAHAZO EVEKA VAOVAO NY DIOSEZIN'I MIARINARIVONotendren’ny Ray masi...
09/03/2024

FARARANOM-PAHASOAVANA HO AN'NY EGLIZY ETO MADAGASIKARA
NAHAZO EVEKA VAOVAO NY DIOSEZIN'I MIARINARIVO
Notendren’ny Ray masina Fransoa, ho eveka vaovaon’i Miarinarivo, i Mgr RAKOTOARISOA Jean Claude, vikera jeneralin’i Tsiroanomandidy sady Tale nasionalin’ny Œuvres Pontificales Missionnaires ankehitriny.
Toy izao ny momba an’i Mgr RAKOTOARISOA Jean Claude
Izy dia teraka ny 4 oktobra 1971 tao Tsiroanomandidy
Zanak’i : RAKOTONDRALAMBO Florent (efa maty) et de RASOAMAMPIONONA Marie Thérèse (efa maty)
Ny 9 aogositra 1998, izy no nandray ny Acolytat sy Lectorat tao Tsiroanomandidy
Ny 16 aogositra 1998, no nanamasinana azy ho diakra tao amin’ny katedraly Notre Dame du Bon Remède ao Tsiroanomandidy
Ny 29 aogositra 1999, izy no nohamasinina ho pretra tao amin’ny paroasy Masindahy Jean de Matha Tsarahasina – Tsiroanomandidy
Ny fiofanana sy fianarana narahiny
Ny taona 1982, izy no niditra tao amin’ny Seminera Zandriny ao Tsiroanomandidy ary nahazo ny dilaoman’ny Bakalorea ny taona 1989
Ny taona 1990 – 1991, niofana tao amin’ny Seminera propedetika ao Tsiroanomandidy
Ny taona 1991 hatramin’ny 1994, nanao fianarana filozofia tao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Paoly Apostoly Manantenasoa ao Antsirabe.
Ny taona 1994 hatramin’ny1996, nanao régence tao amin’ny Seminera Zandriny ao Tsiroanomandidy
Ny taona 1996 hatramin’ny1999, nanao fianarana teolojia tao amin’ny Seminera Zokiny ao Ambatoroka – Antananarivo
Ny taona 1999 no nahazoany ny diplaoma Bakalorea amin’ny Teolojia tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar
Ny taona 2001 izy no nahazo ny diplaoma Maîtrise en Théologie tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar
Ny taona 2010 hatramin’ny 2016, nanohy fianarana Droit Canonique tany amin’ny Université Pontificale Urbanienne any Roma ary nahazo ny diplaoma Licence en Droit canonique tao amin’io Université Pontificale Urbanienne ao Roma ion y taona 2013, avy eo dia nahazo ny Doctorat en Droit canonique tao amin’io oniversite io ihany, ny taona 2016
Ireo iraka nampanaovina azy
Ny taona 2001 hatramin’ny 2009 : Économe sady secrétaire diocésain tao Tsiroanomandidy
Ny taona 2001hatramin’ny 2007 : Vikera tao amin’ny Katedraly sady Talen’ny Foyer d’Education ao Tsiroanomandidy
Ny taona 2001hatramin’ny 2003 : Aomonien’ny hôpitaly (Tsiroanomandidy)
Ny taona 2005 hatramin’ny 2006 : tale mpisolo toerana tao amin’ny Lisea katolika ao Tsiroanomandidy
Ny taona 2007 sy 2008 : Vikeran’ny Distrikan’Andranomadio
Ny taona 2008 hatramin’ny 2010 : Curé-n’ny Distrikan’Andranomadio
Ny taona 2017 hatramin’ny 2021 : Administrateur diocésain tao Tsiroanomandidy
Hatramin’ny 2021 no mankaty : Vikera jeneralin’ny Diosezin’i Tsiroanomandidy sady tale nasionalin’ny OPM - Madagascar ary mpikambana ao amin’ny Tribunal Interdiocésain d’Antananarivo.

Ny Ekipan'ny Gazety Lakroan'i Madagasikara dia faly miarahaba an'i Mgr Rakotoarisoa Jean Claude amin'izao iraka vaovao ampanaovin'ny Papa azy izao, mivavaka ho azy, ary miarahaba ny Diosezin'i Miarinarivo sy ny kristianina tsivakivolo (pretra, relijiozy, lahika) nahazo mpiandry ondry vaovao.

20/02/2024

Tsy hoe mampitovy anareo amin'ny akoho akory an, fa misy hosaintsainina kosa ity mikasika ny fomba fanapahan-kevitra ...

EVEKA VAOVAO HO AN'I MOROMBE Mompera RAZAFINIRINA Jean Désiré, izay rekteran’ny Seminera Zokiny Md Joany Batista ao Vohi...
12/02/2024

EVEKA VAOVAO HO AN'I MOROMBE
Mompera RAZAFINIRINA Jean Désiré, izay rekteran’ny Seminera Zokiny Md Joany Batista ao Vohitsoa ankehitriny? NO Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’ny Diosezin'i Morombe,

Toy izao ny momba an'i Mompera Razafinirina Jean Désiré

Teraka ny 5 mey 1975 tao Manombo – Atsimo - Toliara II, izy
Pretra diosezanin’ny Diosezin’i Toliara
Nohamasinina ho diakra ny 7 jolay 2002 tao Andranovory
Nohamasinina ho pretra ny 10 aogositra 2003 tao Manombo – Atsimo

TOY IZAO NY FIANARANA NORANTOVINY :

• Ny taona 1994 hatramin’ny 1997 izy dia nianatra ny Filozofia tao amin’ny Seminera Zokiny Vohitsoa
• Avy eo, ny taona 1999 hatramin’ny 2002 : Nianatra ny Teolojia tao amin’ny Seminera Zokiny Vohitsoa
• Nanohy fianarana tao amin’ny PONTIFICIA UNIVERSITÀ URBANIANA - ROMA izy ny taona 2007 hatramin’ny 2010 ary nahazo ny diplaoma Licence en Droit Canonique

IRETO KOSA NY TOERANA NANAOVANY ASA PASTORALY :
a. Tao amin’ny Diosezin’i Toliara :

• 2003 – 2004 : Mpampiofana tao amin’ny Seminera Zandriny ao Toliara sady niasa tao Andranovory.
• 2004 – 2005 : Mpampiofana tao amin’ny Seminera Zandriny ao Toliara sady vikera tao amin’ny Katedraly.
• 2005 – 2007 : Curé-n’ny Paroasy « Notre Dame de l’Assomption » ao Sakaraha
• 2010 – 2013 : Curé-n’ny Paroasy « Saint Vincent de Paul », Katedraly – Toliara
• 2010 – 2013 : Mpikambana tao amin’ny Collège des Consulteurs Diosezin’i Toliara.

b. Tao amin’ny Diosezin’i Fianarantsoa :

• 2013 – 2017 : Mpampiofana tao amin’ny Seminera Zokiny « Masindahy Joany Batista » ao Vohitsoa
• 2017 – 2024 : Rekteran’ny Seminera Zokiny « Masindahy Joany Batista » ao Vohitsoa
• 2013 hatramin’izao nanendrena azy izao : Mpampianatra ny taranja Droit canonique ao amin’ny Seminera Zokiny ao Vohitsoa

IZAHAY EKIPAN'NY GAZETY LAKROAN'I MADAGASIKARA DIA FALY MIARAHABA NY EVEKA VAOVAO, MIVAVAKA HO AZY SY MIRARY SOA AMIN'NY IRAKA AMPANAOVIN'NY PAPA SY NY FIANGONANA. MIARAHABA NY KRISTIANINA TSIVAKIVOLO AO AMIN'NY DIOSEZIN'I MOROMBE KOA NAHAZO MPIANDRY ONDRY.

11/02/2024

Teny mety hifangaro ka tandremana rehefa manoratra:
Miahy = mitsimbina (oh:miahy ny mahantra)
Mihahy= mipetraka amin'ny toerana maina, talaky masoandro (oh:lamba mihahy)
(Rakibolana Malagasy, Régis Rajemisa R.)

31/01/2024

KONGRESY EOKARISTIKA NASIONALY ANY ANTSIRANANA
NY 23 HATRAMIN’NY 25 AOGOSITRA 2024

Ny lohahevitra hoentintsika hiainana amin’io Kongresy io dia ilay atolotry ny Kongresy Eokaristika Iraisam-pirenena ihany: “Ny Fihavanana no manasitrana izao tontolo izao”. “Mpiray tampo avokoa ianareo” (Mt 23, 8).

Lehibe loatra ny anjara toeran’ny Eokaristia amin’ny fiainantsika kristianina : « loharano sy fototra ary ivon’ny fiainana kristianina » (Konsily Vat II).
Noraisin’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara ny fanapahan-kevitra, araka ny taratasy pastoraly navoakany ny 21 aogositra 2023, hankalazana ny Kongresy Eokaristika Nasionaly, ka anasan’izy ireo ny kristianina rehetra hanatrika izany fotoan-dehibe izany. Tamin'ny 1934 no nisy Kongresy Eokaristika Nasiônaly voalohany teo Madagasikara. Ny taona 2004 kosa no farany. Samy natao teto Antananarivo ireo hetsika ireo.
Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny Kongresy Eokaristika Iraisam-pirenena izay hatao any Quito (Equateur), ny 8-15 septambra 2024, izao fankalazana izao.
Fiomanam-panahy
• Taom-bavaka : misy ny fanentanana isam-bolana izay halefa sy haparitaka amin’ny kristianina rehetra isam-bolana, hiarahana mivavaka sy mamantatra misimisy kokoa ny Eokaristia.
• Vavaka iombonana : misy ny vavaka iombonana, izay entanina ny hanaovana azy isaky ny Fiangonana/Paroasy, Fikambanana, Fianakaviana.
Fisoratana anarana
Efa misy mpandrindra na coordinateur isan-diosezy miandraikitra ny fandrindrana sy fandaminana ireo kristianina ankoatry ny AFAFI-FET hamonjy ny KEN, ka izy ireo no handefa ny lisitra manontolo amin'ny komity mpanomana. (01 novambra 2023 - 28 aprily 2024). Misoratra anarana avokoa na ireo hipetraka amin’ny site omanin’ny mpikarakara, na tsia.

Tsiahy an-tsary ny fandraisana ny nonce apostolique sy ny eveka notarihin'ny filohan'ny FEM teo amin'ny seranam-piaraman...
27/01/2024

Tsiahy an-tsary ny fandraisana ny nonce apostolique sy ny eveka notarihin'ny filohan'ny FEM teo amin'ny seranam-piaramanidin'i Tolagnaro sy tao amin'ny Katedraly omaly 26 janoary tolakandro

2024 : Taonan'ny vavaka2025 : Taon-jobily
25/01/2024

2024 : Taonan'ny vavaka
2025 : Taon-jobily

24/01/2024

24 janoary, ankalazan'ny Fiangonana ny fetin'i Md François de Sales, eveka, mpampianatry ny Eglizy,
miarahaba antsika mpanao gazety sy mpikirakira fitaovam-pifandraisana rehetra amin'izao fetin'ny olomasina mpiaro antsika izao,
miarahaba ny Fikambanana Salezianina rehetra ihany koa

18/01/2024

HERINANDRO FIARAHA-MIVAVAKA HO AN'NY FIRAISAN'NY KRISTIANINA
Isaky ny 18 hatramin’ny 25 janoary no aharetan’ny herinandro fiaraha-mivavaka ho an’ny firaisan’ny krisitianina. Tamin’ity taona ity dia iombonan’izao tontolo izao ny teny notsongaina tao amin’i Md Lioka : Tiavo ny Tompo Andriamanitrao, ary ny namanao tahaka ny tenanao. Ry zareo ao Burkina faso niaraka tamin’ny Ankohonam-piainan’ny Chemin Neuf no nisafidy io andalan-tSoratra Masina io sy ny lahatsoratra hodinihina.
Misy fomba valo entina mankalaza ny Tenin’Andriamanitra ao anatin’ireo lahatsoratra ireo, hampirisihana ny fiaraha-mivavaka amin’ireo rehetra anatina antokom-pivavahana samihafa amin’ny toerana isan-karazany.
Mompera Paul Wattson no nandroso ny datin’ny 18 hatramin’ny 25 janoary, tamin’ny taona 1908. Tamin’izay fotoana izay izy dia nankalaza voalohany ny « havaloana hiaraha-mivavaka ho an’ny firaisana », tany Graymoor (New York – Etazonia). Manan-danja sy mifono hevi-dehibe ireo daty ireo satria eo anelanelan’ny fankalazana ny fiketrahan’i Md Piera sy ny Fibebahan’i Md Paoly.
Ny taona 1964, tany Jerosalema, ny Papa Paoly fahenina sy ny patriarka Athénagoras, dia niara-nanao ny vavak’i Jesoa : « mba ho iray izy rehetra », ary io taona io, ny décret momba ny ekiomenisma an’ny Konsily Vatikana II dia nanipika fa ny vavaka no aim-panahin’ny firohotana ekiomenika, ary nampirisika ny hanaovana ny Herinandro fiaraha-mivavaka.

Manao ahoana ny toetr'andro?
16/01/2024

Manao ahoana ny toetr'andro?

𝙁𝙄𝙇𝘼𝙕𝘼𝙉𝘼 𝙈𝘼𝙉𝙊𝙆𝘼𝙉𝘼 𝙈𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙀𝙏𝙊 𝙈𝘼𝘿𝘼𝙂𝘼𝙎𝙄𝙆𝘼𝙍𝘼 | 16 Janoary 2024

☑️ 𝗠𝗶𝘀𝘆 𝙧𝙖𝙝𝙤𝙢-𝙗𝙖𝙧𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙖𝙩𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙤 𝙖𝙫𝙖𝙧𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙚𝙛𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙉𝙤𝙨𝙮.

𝘼-𝙁𝙞𝙧𝙖𝙛𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙣𝙠𝙖𝙥𝙤𝙗𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙚𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙤:

☑️ Mahazo vahana ny tsiokan’ny talio izay mitondra hamandoana sy miteraka fikorontanan’ny habaka amin’ny ilany avaratry ny Lakandranon’i Mozambika manontolo. Ao anatin’izany dia nisy rahom-baratra matanjaka niforona tao atsimon’ny Nosy Comores omaly Alatsinainy. Raha ny antontan-kevitra voaray dia misy tambolon-drivotra mbola malefaka amin’ny ilany atsimo andrefan’ity rahom-baratra ity. Nanomboka nipaka amin’ny morontsiraka avaratra andrefan’ny Nosy ny andian-drahona miaraka aminy izao maraina izao.

☑️ Manodidina ny 20 ka hatramin’ny 40 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 50-70 Km/ora ao anaty oram-baratra.

𝘽-𝙁𝙞𝙧𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙩𝙤 𝙖𝙣𝙖𝙩𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙙𝙞𝙢𝙮 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖:

☑️ Hikisaka miantsinana ny foiben’ity andian-drahona ity ka hipaka amin’ny faritry MELAKY anio alina. Vokatr’izay fidirany an-tanety haingana izay dia voafetra ny herijika hitomboany hery ho lasa Andro ratsy na rivodoza. Na izany aza dia arahi-maso akaiky ny ho fizotran’izay.

☑️ Manoloana izany dia tombanana ho betsaka ny rotsakorana ka ahiana ny tondra-drano amin’ny faritra maro any amin’ny tapany avaratry ny Nosy ato anatin’ny 2 na 3 andro manaraka. Ho ratsy ihany koa ny toetry ny Andro ho an’ny morontsirak’i MELAKY, BOENY, SOFIA ary DIANA.

🟢🟡 Entanina araka izany ny rehetra indrindra ireo voakasika mivantana mba hitandrina mafy ary hanaraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. 🔴🔵

☑️ 𝘼𝙧𝙖𝙝𝙞-𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙖𝙠𝙖𝙞𝙠𝙮 𝙣𝙮 𝙝𝙤 𝙛𝙞𝙫𝙤𝙖𝙧𝙖𝙣’𝙞𝙩𝙮 𝙩𝙧𝙖𝙣𝙜𝙖 𝙞𝙩𝙮.

🔑 Météo Madagascar

Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

13/01/2024

Fifampiarahabana tratran'ny taona eo amin'ny Fikambanan' Jesoa sy ny mpiara-miasa aminy.
Hoy Mompera Jocelyn Rabeson, provensialy: mahafinaritra ahy ilay tenin'ny mpanentana teo hoe mifangaro isika ao am-pisakafoanana. Tsy nisy table d'honneur tokoa, hoy izy, tamin'i Jesoa nivahiny tao amin'i Levy (vakiteny androany). Tena mpianakavy tsy misy protocole be.

03/01/2024

Eh! Etsy kely ange e. amin'ny 14 febroary ny alarobian'ny lavenona, fanombohan'ny Karemy amin'ity 2024 ity an

02/01/2024

INDRO ZARAINA AMINTSIKA ETOANA NY FANAMBARAN'NY EVEKAN'I MADAGASIKARA MIKASIKA NY LAHATSORATRA "FIDUCIA SUPPLICANS"

MANKAHALA NY FAHOTANA NY ANDRIAMANITSIKA FA TIA NY MPANOTA ARY MANIRY NY HIBEBAHANY
“Izaho koa tsy manameloka anao. Mandehana ka aza manota intsony” (Joany 8,11)
Ho an’ny mpiray tanindrazana tsy an-kanavaka, indrindra ny kristianina katôlika
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
01. An-kafaliana sy fanantenana hatrany no iarahabanay anareo, indrindra amin’ny fahatratrarana ny Noely 2023 sy ny fandraisana ny taona vaovao 2024. Ny taona 2024 izay voatokana ho “Taonan’ny Vavaka” ary mampita antsika ho any amin’ny Jôbily lehibe faha 2025-n’ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra teto an-tany. Ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka no nahatongavany; ny olona rehetra no samy tiany hahazo anjara amin’ny fanavotana nentiny. Ny fanirian’i Jesoa moa dia ilay voalaza ao amin’ny vavaka nataony hoe: “Mba hanomezan’ny Zanaka ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao (Ray) Azy” (Joany 17,2).
Ilay fanambaràna nataon’i Vatikana.
02. Ny antony anoratanay Eveka ho anareo dia momba ilay fanambaràna “Fiducia supplicans” (FS) -- izay adika amin’ny teny malagasy hoe “Fitokisana am-pitalahoana” nataon’i Vatikana izay navoakan’ny Foibe misahana ny Foto-pampiaranam-pinoana tamin’ny 18 desambra 2023 teo ary nosoniavin’i Papa Fransoà. Niteraka resabe sy adi-hevitra, fihantsiana amampanenjehana ny Papa sy ny Eglizy katôlika izany. Maro, indrindra ny kristianina katôlika, noho izany, no very hevitra sy mametra-panontaniana hoe: inona ny marina? Ambaranay etỳ am-piandohana fa tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan’ny mitovy fananahana na oviana na oviana ato amin’ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara. Sady tsy misy ao anatin’ny Fampianaran’ny Eglizy Katôlika izany no tsy nolazain’ny Papa rahateo, ary tsy mifanaraka amin’ny kolontsaintsika malagasy ihany koa. Noho izany indrindra no tokony hahazoana tsara ny votoatin’ilay fanambaràna mba tsy hampiroaroa saina antsika. Ny tanjon’ilay fanambaràna dia ny famindram-po, ny fisokafana, ny fanakaikezan’ny Eglizy ny olona, ny tsy fanilihana na iza na iza izay voizin’ny Sinaody “Mba ho Eglizy miara-dia” fa tsy sanatria ny fanekena ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana. Ny tena mibahan-toerana ao amin’ilay fanambaràna dia ny hevitry ny tso-drano sy ny fanomezana azy ao amin’ny asa pastôralin’ny Eglizy. Fitalahoana fanampiana amin’Andriamanitra be fitiavana no dikan’ny fangatahana tso-drano ataon’ny mpino. Mangataka izy mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fomba fiainana ka hahazo ny famonjena avy amin’i Jesoa Kristy (jereo FS lah. 20-21). I “Jesoa Kristy no tso-dranon’Andriamanitra lehibe indrindra […] tso-drano izay namonjy antsika rehetra tsy ankanavaka” (FS lah. 1). Famantarana hita maso na sakramentan’izany ny Eglizy izay angatahana hanome an’io tso-drano io. Na izany aza dia tsy mitovy ny tso-drano raisina amin’ny fankalazana ny Sakramenta sy ity tso-drano omena raha toa angatahin’ireo olona marefo voalaza ao amin’ny lahatsoratra ity. Ao amin’ny fankalazana ny sakramenta izay omen’ny Eglizy dia mitaky fepetra sy dingana samihafa ny fanomezana ny tso-drano (jereo FS lah. 9) izay miendrika fankatoavana ny toe-piainan’ireo mangata-tso-drano. Ny fangatahan-tso-drano tsotra kosa, izany hoe ilay tso-drano atao ivelan’ny fankalazana sakramenta dia tsy voatery handalo amin’izany fepetra sy dingana izany (jereo FS lah. 12-13). Ny finoan’ilay olona mangataka tso-drano no tena jerena ka ny “fitokisana an’Andriamanitra” indrindra no omen’izany tso-drano izany sy ampitomboiny (jereo FS lah. 33;36). 2 Mahakasika mivantana ilay tso-drano tsotra (tsy ara-tsakramentan’ny fanambadiana) an’ireo mpivady ivelan’ny fanambadiana kristianina -- ireo mpivady tsy miroso amin’ny fifanekena masina ao amin’ny sakramenta (mpivady manao tokantrano maso), ireo nisara-panambadiana, ireo manambady olon-kafa aorian’ny fisarahana, ireo mampirafy -- sy ireo lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy mifankatia dia toy izao: “azo atao ny mitsodrano ireo mpivady ivelan’ny fanambadiana kristianina sy ireo lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy mifankatia. Tsy misy anefa fombam-pivavahana raikitra voafaritry ny manam-pahefana ao amin’ny Eglizy amin’izany fanomezana tso-drano izany mba tsy hifangaro amin’ny fanomezana tso-drano voatokana ho an’ny fankalazana ny sakramentan’ny fanambadiana”. Tsy midika velively ho fanekena ny fiarahan’izy ireo ny tso-drano omena azy ireo izay ao anatin’ny toe-pahotana. Ny Fahasoavana hifikirany amin’Andriamanitra sy amin’ny sitrapony no italahoan’ny Eglizy mba harotsaka amin’izy ireo raha toa ka mangataka izany am-pinoana izy ireo. Marihana tsara fa ny olona no tsofin-drano fa tsy ny fiarahana ataony ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna. Tsy ny fiarahan’izy ireo no tsofin-drano fa ny olona tsirairay mba hivoahany tsikelikely homban’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fomba fiarahany izay tsy mamaly araka ny tokony ho izy ny laha-janahary ho an’ny olombelona. Tsy mitso-drano fahotana velively ny Eglizy, fa manome ny tso-dranon’Andriamanitra ho an’ny mpanota mba hizorany amin’ny lalam-pibebahana ka hahazoany famonjena.
Ny sakramentan’ny fanambadiana kristianina
03. Tsy miova ny fampianaran’ny Eglizy momba ny fanambadiana kristianina. Ny fanambadiana kristianina dia fifaneken’ny lehilahy iray sy vehivavy iray, ary entina maneho ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika; koa miara-miasa amin’Andriamanitra Mpahary izy mivady amin’ny fiterahana sy ny fikolokoloana ny zanany. Izay ihany no azo antsoina hoe mariazy kristianina. Ny tso-dranon’ny sakramenta no manandratra ny mpanambady kristianina amin’izany fahamboniana izany. Araka izany fampianaran’ny Eglizy izany dia mbola antitranterinay fa tsy afaka hanaiky sy hitsodrano ny fanambadiana ivelan’izany ny Eglizy, ka anisan’izany ny Eglizy eto Madagasikara. (Azo jerena ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika – KFK, lah. 1601 sy ny manaraka).
Andriamanitra tsy manavaka
04. Ny toetran’Andriamanitra hita ao amin’i Jesoa ihany no entin’ny Eglizy manao ny asany. Nolazainy mazava fa Andriamanitra Ray dia “mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina” (Mt 5,45). Samy tian’Andriamanitra daholo isika satria samy zanany ka tsy avakavahany. Izy Jesoa rahateo dia nandray ny olona rehetra tsy an-kanavaka, indrindra ireo nailikilika satria nohelohin’ny lalàna sy ny fiaraha-monina. Hitantsika izany, ohatra, tamin’ny fandraisany an’i Zake, ny fiarahany nisakafo tamin’ny mpanota sy ny pôblikanina, ny famelany heloka ilay vehivavy nijangajanga, toy izany koa ilay jiolahy niara-nofantsihina taminy. Nanafintohina ny olona, indrindra ireo mpitondra fivavahana jody sy ny farisianina ireo fihetsik’i Jesoa ireo. Ireo mpitondra fivavahana jody sy ny farisianina izay tondroiny ho mpihatsaravelatsihy. Tsy hoe nanaiky ny fomba fiainan’ireo olona ireo akory i Jesoa fa nanokatra lalana sy fiainam-baovao ho azy ireo Izy ary natoky ny fibebahan’izy ireo satria Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Joa 14,6), fa tsy mpanameloka.
Ny fifankatiavan’ireo mitovy fananahana: lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy
05. Manana ny fototra ara-tSoratra Masina sy ny fampianarana mifandimby nolovainy hatramin’izay ny Eglizy katôlika. “Ny anambadian-kiterahana, ny anambadian-ko namana…”, hoy koa ny fahendren-drazantsika Malagasy. Ambaran’ny soatoavina malagasy ary hamafisin’ny fampianaran’ny Eglizy mazava tsara araka izany fa tsy voajanahary ny tokantrano aorin’ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy (3) ka tsy ho azo alahatra amin’ny fanambadiana voajanahary sy voatso-drano velively. Amin’ny maha Reny ny Eglizy kosa anefa dia mandray azy ireo ho toy ny zanaka marefo – ara-pitondran-tena sy ara-panahy – izy ka mitady ny fanampiana sahaza azy ireo satria olombelona manana ny zo aman-kasiny ary mpino antsoina ho amin’ny famonjena ihany koa. (jereo KFK, lah. 2357-2359). Izany no nahatonga ny fanambaràna avy any Vatikana hanome alalana sy hampirisika ny Eglizy hanome tso-drano (tsy ara-tsakramenta) ny olona manana izany fironana izany raha toa ka mangataka izany izy.
Fehiny
06. Hamafisinay Evekan’i Madagasikara etoana àry ny fampianaram-pinoan’ny Eglizy hatramin’izay, izay hita ao amin’ny Soratra Masina sy ny Lovam-panahy ary ny Toniam-pampianaran’ny Eglizy. Tsy hisy na oviana na oviana ny tso-drano hanamafisana o***a na hilazana ny fankatoavana ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Manaja ary manaiky ny Papa Ray Masina amin’ny maha dimbin’i Md Piera sy amin’ny maha famantarana ny maha iray ny Eglizy azy sy ny fampianarany izay mpino Katôlika. Ezahantsika hatrany ny handray sy hahazo araka ny izy ny fampianarany izay mio***a mandrakariva ao amin’ny fampianaran’ny Eglizy. Miombona aminy isika.
Antso
07. Antson’Andriamanitra ho antsika mba handini-tena sy hifampivavaka no azo andraisana ireo zava-nitranga momba ity fanambaràna “Fitokisana am-pitalahoana” ity:
- Ry ray aman-dreny sy mpanabe, aoka ianareo ho saro-piaro hatrany amin’ny fanabeazana sy ny fanaraha-maso ny zaza sy ny tanora mba tsy hivaona ny fitondran-tena, ka ho latsaka amin’io fikorontanana maha olona io sanatria. Tsara lavitra ny manabe mba ho vanona ny taranaka, noho ny manozona sy miantso loza ary manilika izay marefo.
- Ry tanora, aoka tsy ho mpanaraka ny rivotry ny fiainana fotsiny. Tsy izay ataon’ny hafa akory dia mety sy mendrika avokoa. Aza sondriana amin’ny androany ihany, fa mitsinjova lavitra. Aza misalasala mangataka toro-hevitra amin’ny ray aman-dreny sy mpanabe ary ireo raiamandreny ara-panahy.
- Ry kristianina katôlika, aza misendaotra amin’ny fanenjehana sy fanaratsian’ny olona antsika noho ny fampianaram-pinoantsika. Mampirisika antsika ireny tranga ireny ny amin’ny tokony handalinantsika misimisy sy tsara ny foto-pinoantsika sy ny fampianaran’ny Eglizy mba haharetantsika hatramin’ny farany.
-Aoka isika samy hiezaka hiala amin’ny fahotana izay manohitra ny lalàn’Andriamanitra ka hiroso amin’ny làlan’ny fibebahana na iza izy na iza.
- Ry Pretra rahalahy, mila Mpiandry ondry tahaka an’i Jesoa izao androntsika izao; mila izany ireo olona marefo, amin’ny lafiny rehetra, indrindra ireto olona marefo ara-panahy sy arapitondran-tena resahina eto ireto. Koa ataovy am-pahamalinana sy am-pitiavana ny asa anirahan’Andriamanitra sy ankininy amintsika.
08. Koa enga anie isika rehetra tsy an-kanavaka mba tsy ho mpanilika ny hafa fa hiara-dia amin’ny hafa; ho mpitondra azy am-bavaka sy ho mpanarina araka izay mety ho vitantsika. Entintsika am-bavaka koa ny Papa sy ny Eglizy izay miezaka maneho hatrany ny toetran’Andriamanitra tia ny mpanota sy ireo voailika. Mitso-drano sy mirary soa ny isam-pianakaviana izahay mba ho ambinin’Andriamanitra amin’izay rehetra atao sy kasaina mandritra ity taona 2024 ity, omban’ny vavaky ny Fianakaviana masina tao Nazareta.
Natao teto Antananarivo, anio 2 Janoary 2024
Izahay Evekan’i Madagasikara Raiamandreninareo

Rariana ho feno ny fitahian'Andriamanitra avokoa isika amin'ity taona vaovao ity.
01/01/2024

Rariana ho feno ny fitahian'Andriamanitra avokoa isika amin'ity taona vaovao ity.

Filazana momba ny toetr'andro
31/12/2023

Filazana momba ny toetr'andro

⚠️ Nitombo hery ilay andro ratsy tato anatin’ny 24 ora farany ka lasa Depression Tropicale. Tamin’ny 09 ora teo dia tany amin’ny 581 Km Andrefana somary Avaratra Andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny. Mikisaka mianatsimo Atsinanana izy ka mahafaka 09 Km/ora. 55 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 75 Km/ora manakaiky ny foibeny.

Noho izany dia mihatra ny fepetra mikasika ny filazana loza manambana miloko mavo 🟡 ho an’ny distrikan’ny MORONDAVA, MANJA, MOROMBE, TOLIARA I-II.
Manentana ireo mponina mba hanaraka ireto fepetra ireto 👇👇

31/12/2023

Be loatra ny fisolokiana anarana sy sarina eveka sy pretra ary relijiozy sy lahika eto amin'ny FB.
Aleo tsy tonga dia manome raha misy milaza ho sahirana fa miantso ilay olona mivantana aloha, manontany raha tena izy tokoa.
Mamotika ny soatoavin'ny fitiava-namana izy ity, kanefa aleo mailo.

31/12/2023

Fetin'ny Fianakaviana Masina.
Mirary ny fianakaviana rehetra hanao fety sambatra sy feno fitoniana.

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lakroan'i Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Lakroan'i Madagasikara:

Videos

Share

Category

Nearby media companies


Other Media in Antananarivo

Show All

You may also like