23/12/2021
đ«BASOLA SY AOMBY TELO TANDRONY
Hataoko fa efa tsy zovizina amin-tsika intsony ny tantaran'i"Basola" na "Mahafale" sy lay aombiny telo tandroka. Ny tena nampalaza an'i Basola dia ny FAHENDRENA izay nanany, ary hatao hoe fa "rain'ny filaminana", sy "rain'ny fahazavana" tao Bara.
Tsy izay ihany koa no nampalaza an'i Basola fa naharesy ny Andriambolamena fotsy hoditra mitovy karazany aminy dia i Andriamanjaitse.
Basola dia mahazo Arabo, teraka tao Anosy, Andriana avy la Maka sy Arabia, ary izy nitoby tao Mahafaly, izay misy ny fasan-drazany, izay mbola ambenan'ireo taranany ankehitriny io. Mazava araka izany fa Taranaka Mpiantsabo, sy mpisorona lehibe izy io dia ny "ZAFIRAMINIA", ny "ZAFITSIMAHITO", ka ny fahaizan'ny maro azy tao Bara dia "RAKANJOBE" , amin'ny izy mitondra Ankanjo na RĂŽbolava, ary raha tao Fiherenana dia "RAKOBA "(avy amin'ny hoe koba noho izy fotsy volonkoditra) na KOBADJ (anarana persana nentin'ny Andriana sassanida maro ary maro mpanana izaitsizy any Atsinana (ORIENT)). Nantsoina koa tamin'ny anarana hoe "BASSORAH ", koa satria noho izy nandeha tany amin'ny tanin'ny ARABO. Aboulnour, rain'ny fahazavana (" Ambolonory " izy amin'ny teny Malagasy)...
Raha nanoratra ny bokiny mitondra ny loha teny hoe:" Histoire de Madagascar " i Flacourt tamin'ny taon-jato faha XVII, dia nataony vaindohan-draharaha ny fanavahana ny Antanosy "Fotsy", Andriana mpifehy sy ny Antanosy "Mainty", vahoaka nofeheziny. Tsy nihambahamba mihitsy izy nihevitra fa Arabo no fiavian'ireo Antanosy "fotsy" ireo : nitandrina ny "Ramadan" ("Ramavaha", hoy i Flacourt) mantsy izy ireo, ary izy ireo no à ny afaka "manao ména vozona" ny biby, fa raha tsy izany dia tsy azony natao ny nihinana azy. Iaraha-mahalala fa ny "OLOBE" tao Anosy, araka ny fiantson'i Flacourt azy ihany, dia efa tsy hita popoka hatramin'ny ela. Sakeliky ny fianakaviana Hova na marimarina kokoa : Andriana nandray ny finoana sy fomba nentin'ny vahiny SILAMO mantsy ireny Antanosy tamin'ny taon-jato faha XVII ireny, ka nony nandao ny tapaka avaratry ny Nosy ny foko Malagasy dia niara-nandeha an-tongotra tamin'ireo mpitory ny finoana SILAMO nankany an-tendron-tany atsimo izy, ny taranak'ireny Andriana Arabo. Tsahivina fa ny" Antanosy fotsin'Anosy" dia nilaza tena ho taranak'i Mahometa mba hanehoana ny fahamboniam-pirazanany....
Noho ny fananan'i Basola an'ilay aomby telo tandroka, izay mbola tsy fihita firy tao amin'ny Faritra nisy azy, fa izy irery no manana azy, koa dia naniry ny aombiny i Andriamanjaintse. Satria ny Ampanjaka no tokony hanana an'izay zavatra mahafinaritra sy tsara, miavaka amin'olon-trotsa. Koa nandefa hiraka ary ny Ampanjaka, ho any amin'ny Basola, fa haka an'ilay aomby.
Nihizingizina i Basola, fa tsy hanome ny fanany ho an'i Andriamanjaitse. Koa mbola nandefa hiraka ho an'ny amin'ny Basola ihany izy fa tsy nisy vokany. Tapak'hevitra ary i Basola, fa hanao an-kitsapa vintana, hifanandrina amin'ny Ampanjaka. Noho izay dia niantso an'ireo vahoaka sy ny lehiben'ny Bara Maroserana, natrehin'ny ireo hiraka avy amin'ny Andriamanjaitse. Ary noho ny vory maro iny ny vahoaka, dia nampiady Aomby vandamena sy Aomby manga. Raha resy ny Aomby vandamena dia nanaiky fa homeny an'i Ampanjaka ny Aomby telo tandroka. Koa nandresy ary ny Aomby vandamena. Faly tamin'izany fampisehoana izany ny rehetra ka nanao lanona sy fety noho izany. Koa izay no nahatonga ny Zafitsimahito lasa fady Aomby vandamena. Koa lasa niarovan'ny vahoaka izy.
Mbola tsy nanaiky ihany anefa ny Ampanjaka fa tsy maintsy azy ny omby, ka nandefa andian-tafikin'ny "Voromahery" hanafika ny tanĂ na misy an'i Basola.
Koa tapaka hevitra ny zanany lahy antsoina hoe OUMAR, fa hialoha lalĂ na, hiatrika ny fahavalo na ino kihatra na ino kidona dia tsy hihemotra, ka namakivaky ny ala. Koa ho'zy OUMAR tamin'ny Rainy sy ny vahoaka : "Raha mahaino poa-basy ianareo atsy sy eroa dia izaho izay".
Koa lasa ary Oumar, nihiditra ny tobin'ireo mpananimbohitra, miaramilan' Andriamanjaotse, koa tsy nisy izay nahafantarana azy tao Ă naty ny maro.
Koa nihazo ny misy Ampanjaka, voatifitra tamin'ny izany ny mpiambina vitsivitsy. Ary aveo dia nihambanan'ny Oumar tamin'ny basy ny Ampanjaka, fa ho vonoiny raha miniha mihetsika ny mpiambina sy ny miaramila sasany namonjy.
Voasambombelona ary i Andiamanjaitse, ka tonga tao an-TanĂ na misy an'i Basola, natrehin'ny lehiben'ny Maroseranana, namonjy ny tranobe.
_Ka hoy Andriamanjaitse : "Ity ary ao fa lasa Andevonao Basola, fa mba mangataka ny hamotsoranao aho, fa homeko omby telo vario ianao".
_Namaly azy Basola, ka nanao hoe :"Tsy mila izay aho, fa efa misy an'Lay ombiko..."
_Andriamanjaitse : "Hangataho ary izay mba faniriana fa homeko anao"
_Basola: "Izay tiako hoy anao ? Tiako ho azo ny vahoakanao ny faritaninao ".
Koa nanaiky Andriamanjaitse, fa hanome azy izay rehetra nangatahiny, koa anisan'izany ny Aomby Magampandra izay nasiana i Basola ( kavin'omby) marika, amin'ny maha Andevo azy.
Noho izay dia namory ny vahoaka rehetra sy ireo lehibe, Andriana izy, tamin'ny ady sy fifaninana izay nataon'ny tamin'ny Andriamanjaitse, ary niteny hoe:
"Ianareo no vavolombelona nanatrimaso sy nahaino izay rehetra nandalo. Andriamanjaitse dia lasa andevo ary tsy manjaka intsony izy. Koa hitanareo ary fa Vahiny eto aminareo aho, dia tokony izao no miantso ny fihavanana sy ny firalahiana ary ny filaminana. Tsy hanangana fahavalo akory ao, fa hametraka ny fitoviantsaranga mitovy, ka ho tsy misy intsony hilaza hoe "Ampanjaka" sy "Andevo".
Aza antsoina koa hoe Ampanjaka ao, fa hataovy hoe "IABA" (PĂšre) , satria ianareo no antsoiko hoe zanako, toy ny fitondrasako ny zanaka naterako. Hataovy izay mahasoa ny tanindrazana. Fety no hataontsika androany ho mariky ny Fandresena ao Ă naty ny fihavanana, firaisankina-fitiavana. Ny hanatro farany dia hoe "Hajanony ny fampiasa ny fiteny hoe Andevo, izy ireo fa ANAKA."
Koa namaly azy teo ampikabariana Maroserana, nanao hoe :"Izay no kabary Mahafale ny foko".
Tsara ho fantatra ny taranaka fa i Basola no niavian'ny hoe Mahafale. Satria raha nasandratry ny vahoaka ho Andriana izy noho ny fahendrena izay nananany dia nantsoina hoe Mahafale, na "PĂšre de la paix". Ka araka nambarany mpanoratra François Noiret, amin'ny teny vahiny hoe : "PĂšre de la paix, car Basola Ă©tait un sage, et si tu portes le nom de Mahafale, tu devrais ĂȘtre un modĂšle Ă imiter", .
Na ireo Maroserana aza dia mitondra izay anarana izay. Ny anarana Mahafale dia tsy voafetra amin'ny faritra iray ihany fa tany Linta, Menarandra sy Onilahy, izay nahatsarovana an'i Basola, tamin'ny fahendrena izay nananany.
Koa satria indray hoy Basola, "ho mariky ny Fandresena ny Andriambolamena, dia into ny garadobo ny omby, votraho, amboary" mantsy izy tamin'ny Andriamanjaitse.
Koa nenatra sy tsy nanaiky hiraraka voninahitra eo imason'ny olona Andriamanjaitse ka nihantsipy tambonin'ny tandrok'omby, loaka ny kibony ka maty.
Raha niverina amin'ny toerana misy azy ny Maroserana, dia notoloran'i Basola, lay omby telo tandroka izay niadivan'ny Andriamanjaitse. Tonga tao Ampasimahanoro, dia nahaton'i Maroserana amin'ny hazomanga voalohany ilay tandrok'omby, rehefa naty ilay omby.
Fa ny hoe folo hazomanga, valo hazomanga, fomba atao rehefa misy Mpanjaka ny Mahafaly miamboho, manao TALY sy BANGO ho mariky ny fisoanana sady vanomezamboninahitra ny Razana, ka ahitana marika ny firaisankina-fihavanana eo amin'ny mpiara-belona. Ary ny fasana dia hatao Aloalo, sary sikotra atao amin'ny fasana izay midika, fametrahana ny elanelana eo amin'ny velona sy ny maty (2).
Raha araka ny loharanom-baovao, tamin'ny Christophe J. Tonisao, sy ny raimandreny Ampanjaka, dia nisy nanimbazimba ny Razana misy an'i Mahafale na Basola, ny nahatapaka ny vata nisy ny Razana (Vaky fasana nahalasana volamena sy volafotsy), ka nisy hazo naniry avy tao mendo-ravinabe. Araka ny loharanom-baovao azo koa dia tafiditra tamin'ny io raharaha io ny 73,5kg ny volamena izay tratra tany Afrika Atsimo iny, hoy ny raimandreny any an-toerana. ..
+++--- cahier manuscrit rédigé en malgache par Christophe Tonisoa et traduit en français par François Noiret. "Le Cahier de Tonisoa ou le Passeur de langue" ---+++
+++---Jasmin Randriantilahovason