19/10/2022
[TOROHEVITRA_MAHASOA]
FANAFODY NATORALY TENA MANDAITRA IHANY KOA @ FITSABOANA NY ARETINIFY NA ARETIM-BAZANA EFA LOAKA : Anisan'ny tena mahagaga ihany, fa rehefa misy olona voan'ny aretinify dia lasa mahatsiaro fa tsisy varany velona intsony izy, satria marary tokoa ilay aretina sady tsy misy mpiraharaha rahateo.
Noho izany, raha tianao ho sitrana tanteraka ilay fanaintainan'ny nifinao izay mampijaly anao io, dia araho tsara ary ny toromarika mahasoa etsy ambany etsy.
:
=> Ravina papay (feuille de papay) mbola maitso.
:
Alaina ny ravina papay iray fotsiny dia tangosana ary totoina ho lasa mivoaka rano.
:
Alaina ilay ravina papay efa nitera-drano teo, ary ataovy ho lasa boriborikely toan'ny hena bol ireny. Rehefa vita izay, dia potserina ary araraka moramora ao anatin'ilay nify na vazana loaka ny ranonà ravina papay teo. Noho izany, avela mandritra ny 30 minita eo ho eo vao kobanina amin'ny rano tsotra ny ati-vava.
:
Mandritra ny 3 andro fotsiny dia sitrana tanteraka.
:
Mbola afaka ampiasaina foana ireo ravina papay ambiny ireo, mandritra ny 3 andro tompoto.
Mba ho fanampianao ireo namanao tompoko, Zarao faobe anaty Groupe izay misy anao rehetra. Aza hadino kosa ny manisy j'aime ny page-tsika. Raha toa ka mbola tsy nanao izany ianao tompoko.
Source Ariary-news