Tsy azo lembenana

Tsy azo lembenana Antananarivo

✨
23/11/2022

Quand tu marches, tu brilles et rien ni personne ne peux te faire du mal 🔥

✨
09/11/2022

1 Tesaloniana 5:17 ❤️
"Mivavaha, ka aza mitsahatra."

✨
09/11/2022

" Amorony fo madio aho,
Andriamanitra o; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. " 🥺🙏🏻

Salamo 51;10

✨
09/11/2022

✨
28/10/2022

Misaotra Ray ô, fa na inona hitranga na inona hiseho dia hino tsotr'izao aho fa andro miavaka ity androany ity. Maro no marary ary mitaintaina mafy sao tsy ahatratra ny ampitso intsony f'izaho nomenao fahasoavana hijoro sy hiaina indray ity anio ity 🥰

Misaotra Ray ô fa haiko fa mbola tsara lavitra nohon'ny omaly no omaninao ho ahy.
Misaotra fa mbola afaka hamita ny adidiko hanohy ny asako hanohy ny fianarako aho anio.
Misaotra fa mbola afaka hitia sy hizara fifaliana aho anio.
Misaotra fa mbola nomenao tombon'andro aho hamitako izay tsy vitako omaly. Hanefako izay tsy vitako taminao.
Misaotra fa tombony lehibe ho ahy sy ny manodidina ahy ny fijoroako androany.
Misaotra Ray ô ny amin'ny fisiako sy ny fisian'ny hafa izay manodidina ahy sy mifanerasera amiko.
Misaotra Ray ô ny amin'ny zava-drehetra

Hisafidy aho ny hanala ny fanahiako. Ianao Ray no nilaza fa hiadidy ny asan'ny Tananao. Ianao koa no nilaza fa omenao anay izay irian'ny fonay. Hifantoka amin'izay nolazainao aho ary tsy hanahy ny amin'izay hiseho anio sy ho avoaky ny ampitso. Haiko fa tsy hamela ahy irery Ianao na inona hitranga.

Amin'ny anaran'i Jesosy
Amen 🙌🙏

02/09/2022

Indraindray toa mandiso fanantenana ny zava-miseho...

Eny tokoa, tsy voatery hanorana foana ny andro, fa indraindray mandalo ny fahamainana...
Misy fotoana indraindray mivavaka ihany isika nefa tsy mety mahita fisandratana...toa mifikitra mafy amin'i Jehovah ihany isika nefa ny mahagaga dia toa ny teo ihany no teo.

Eo indrindra anefa ianao no mila manapa-kevitra, fa mbola vonona ny hahatoky an'i Jehovah foana...
Na inona na inona hiseho, aoka ny fonao tsy mba hiala Aminy.
Fa Andriamanitra mizaha toetra Izy, ary mamaly soa izay rehetra vonona ny hatoky Azy hatramin'ny farany...

Ahoana moa no voalaza ao amin'ny Bokin'ny habakoaka?

fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.»
[Hab 3:17]

Ny fanontaniana tokony hapetrakao amin'ny tenanao anio dia tsy ny hoe, mety mbola hibaliaka ihany ary ve ny masoandrom-piainako?
Fa anio, aorian'ny namakianao ity hafatra ity dia ny fanontaniana tokony hapetrakao amin'ny tenanao dia ny hoe hatraiza ny fahatokiako an'i Jehovah?
Ny zavatra tena tiako ho azonao androany dia miankina amin'ny fahatokianao Azy no ahafahanao mitsambina mihoatry ny fefy izay eo anoloanao...

Tsotra no azoko lazaina anio, raha mbola vonona ny hatoky an'i Jehovah ianao dia tsy maintsy hia-mamiratra foana ny fiainanao na dia mety mandalo aizim-pito aza ianao amizao fotoana izao...

26/08/2022

Ny zavatra rehetra
dia miara miasa hahasoa hoan'izay tia an'Adriamanitra❤

23/08/2022
15/08/2022

💎

✨
13/08/2022

• August 13, 2022
Goodmorning.❣️

✨
11/08/2022

• August 11, 2022
Goodmorning.❣️

09/08/2022

Any ilay tokako iny Jesosy.
Malahelo azy mafy aho izany ...
Mba jerijereo any izy Jesosy a, vimbino izy dia tehirizo amin'ny sitraponao hatrany ! Aza avela hahatsiaro irery izy.
Lavitra ahy izy Jesosy, fa saingy akaiky Anao kosa.
Tahio izy any amin'izay misy azy any dia hambeno mba tsy haditra.
Kony Jesosy an ?

✨
09/08/2022

• August 9, 2022
Goodmorning.❣️

Address

Rn2
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsy azo lembenana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Tsy azo lembenana:

Share