08/03/2022
Ko satria fety tsika vehivavy androany
De hizara zavatra kely ho antsika za androany❤️
Jemima no anarako , 19 taona aho
Tantarako no ho tantaraiko anareo androany , mety anampy anao ity ❤️
Nanombola teo amy faha 16 taonako aho no nanomboka nanontany tena hoe inona marina mo no mba ho ataoko amy fiainana , inona ilay asa tena tiako atao fa tsy ilay tiany dada sy neny ho ataoko?
Ho aiza aho ra sanatry lasa i Dada sy neny ?tsy manana vola , na harena ho vantanina akory aho .
Tamy io fotoana io aho efa nanomboka nanao « maquillage » fa mbola tsy de nahay
Tamy izay fotoana izay ah no nanomboka nifankahita tamin’ny olotiko . Ilay vao miaraka mo de mba nantany izy oe inona ny mba tanjondry amy fiainana , inona ny zavatra mba tena tinao atao , ny asa tinao ataoa ?
Mbola tsy nahavaly azy mo za tamy izay fa de oe anao «Juge » fotsiny hoy aho fa zay no mba tiny dada sy neny.
Fa nefa tano antsaiko de oe inona marina mo zany 🤔?
Satry hoy ilay olotiko mantsy ahy oe : « ny vadiko mantsy ny ahy tsy tiko ijanona fotsiny ao atrano fa tiko hiasa fona ka ra sanatry efa ao anaty tokatrano vao misaraka de mba tsy very mande izy » hoy izy
Déclique be tamiko io fehezanteny ny io satry za ko tsy te hijanona ao atrano sy ho velomina fotsiny fa te hanana ny ahy ko za. De nandinika sy neritreritra teny fona za de hoy ah oe «fa manin mo ra atao asa ty fanaovana maquillage ity ? Ito no itako tena manavanana ana » na de teo ary ilay te hanao “Mpihira, mpandy ,…. ” De nanomboka teo za nanandra nanao tamy namako , mamanay ,….
Nanomboka novidy produit sy ny tariny
Sady nianatra za de refa week-end mandray client
Taty aoriana nandroso sy novotra tsikelikely niezaka nampianatena fona fona (hatramizao )
Taty aoriana za niteny tamy dada sy neny fa io no tena tiko Atao io ny asa tiko fa tsy anao juge zany oa za
Neny mo tsy sarotiny fa ifikiro sy hikirizo rehefa tinao fa ny fianarana aza adino
I Dada mo de tsy nanaiky mihintsy.
Efa akaiky nu bacc tamy izay de nandefa Message taty amiko Dada nirary soa tamy bacc sy niteny hoe rehefa afaka ianao de vonona hanampy sy anosika anao amy io resaka maquillage io aho raha io no tena tianao
Tena faly tena faly be aho oe nanaiky ihany izy
Taty ahorina mo de nandeha tany amy dada sy bebe sy dada be za nangataka tsondrano amy fiainako satry nanomboka nitady fahaldovantena za.
Ary tao arinany tsodrano nomen’ireo Ray amaDreny ireo tsodrano tena nandeha be ny fiainako
Nanomboka nivarotra produit cosmétique za sy manao vente en ligne ko
Misy fona ny sakatsakana kely fa resy fona lo atreto
Nadritrany parcours izay vitako atreto de misy fona ny manenjika sy manaratsy , mikafy. Fa tsy nataoko nahakivy ana mihintsy
Ny vavaka indrindra indrindra no tena hery ngeza indrindra nihazona ahy ary mbola mihazona ahy atramizao ❤️
Ankehitriny , manana projet bdb za , indépendante financièrement par rapport à mes parents , misokatra tsikelikely ny lalana ho any amy fahombiazana
Un grand merci à mes parents et mon frère qui me soutient toujours et pour votre amour ❤️
Unu grand merci à mon compagnon qui m’a appris et m’as aidé à devenir meilleur chaque jour ❤️💓
et mes amies proches ❤️🥰 je vous aime tous très fort
Hafatra farany « Isika vehivavy dia manana hoavy mamiratra , tadiavo dy katsao ao anatinao ilay tena tinao ka hifikiro fa hitondra anao any amy Avo indrindra »💪🏽❤️
🥰❤️