Anganon'ny Ntaolo sy Asa soratra Malagasy

Anganon'ny Ntaolo sy Asa soratra Malagasy Tsy nanimbanao ny teniko fa nahasolafaka anao ny tany
(1)

Ho antsika rehetra izay milaza fa mivarotra boky..tsy mivarotra izahay ka fa mitrandraka ary,fa ny fifampizarana no zava...
04/03/2023

Ho antsika rehetra izay milaza fa mivarotra boky..tsy mivarotra izahay ka fa mitrandraka ary,fa ny fifampizarana no zava dehibe...Hanazava ny lafim pitenena ny hoe"ny vola no maha rangahy"isika rampitso ary ny vanim potoana nampisy lanja be ny vola ary ny asa soratra mahakasika ny vola..hiverina tsikelikely ny fifampizarana sy fifanankalozan kevitra noho izay ela,ela izay..Tsara mandry😊

Ny zanaka no haren eto MadagasikaraNy mahagaga anefa dia ny fihenana fa ny vahiny ndray no mameno eto amin tsika mahagag...
06/12/2020

Ny zanaka no haren eto Madagasikara
Ny mahagaga anefa dia ny fihenana fa ny vahiny ndray no mameno eto amin tsika mahagaga😒😒😒😒...Ny tsy manan indray no be harena ny manan katao tss fa dia iray sombiny hany
Aza adina fa rakotomandimby ianao ....Aiza ny taranaka handimby anao???Aza mety ho rebireben izao technologie zao fa misy ny ratsy...manan tsaina afaka mandinaka ianao ny ataon ny zanakao ihany ihany no ataony fa tsy adala ny Ntaolo nilaza hoe:Zana goaika fotsy tenda ,zanaky ny mpikabary ngerom bava.....😁😁😁☺☺Aza avela hanjakazakain ny vahiny ny Tanintsika fa Malagasy ianao😁😁😁😚😚😚

Efa atao ny famotoranaRehefa misy zava-doza izay mitranga eto ImerinaKa mandalo fitsarana dia izao no averimberina:Tsy a...
06/06/2020

Efa atao ny famotorana
Rehefa misy zava-doza izay mitranga eto Imerina
Ka mandalo fitsarana dia izao no averimberina:
Tsy azo afenina ny marina fa holazaina am-pahatsorana
Saingy mahandrasa kely f efa atao ny famotorana
Io lapan'ny tanΓ na,kila fa nodorana
Fa izao no teny re:Efa atao ny famotorana
Maty koa Ratsimandrava,tapi-dalana nizorana
Fa izao no teny re:Efa atao ny famotorana
Forehitra andafiavaratra,ny tenanao nangorangorana
Fa mbola izao no teny re:Efa atao ny famotorana
Kila koa Anatirova,tomany isika torantorana
Fa mbola izao teny re:Efa atao famotorana
Efa atao ny famotorana?taona firy lasa izay
Tsy nisy valiny mba re,fa ny may dia tena may
Ireo zay fototry ny afo,angamba tojo famotsorana
Hany ka tsisy re ny vokatry ny famotorana
Raha izany Γ ry no mitranga,mitandrema koa ianao ry Ambohitsorohitra
Sao mandady any indray ny asan'ireo mpanani-bohitra
Tsotra kosa izao ny teny omeko anao ry Imerina
Aza dia mpiasabe,manaiky foana ampandeferina
😘😘😘😘😘RADO😘😘😘😒

Fa ny teniko mamiko indrindraTsy ho simba fa hirindraTsy ihena na hanalanaFa feno sokajy mafana
21/02/2020

Fa ny teniko mamiko indrindra
Tsy ho simba fa hirindra
Tsy ihena na hanalana
Fa feno sokajy mafana

Tsy ny boky akory,No hanova ny fiainanaoFa hiaino mintsy lay maha gasyDia fantatra sy ho tsapanao Betsaka ny soa anefa, ...
14/01/2020

Tsy ny boky akory,
No hanova ny fiainanao
Fa hiaino mintsy lay maha gasy
Dia fantatra sy ho tsapanao
Betsaka ny soa anefa,
Azo avy amin'izy ireny
Fa na ny hazo havozo aza kay
Dia efa ody sery...
Tsy pilipia am-bava fotsiny
Fa hiaino isan'andro
Dia kabary fitadiavam-bola
Ka hampirotsaka tomany..
Hiangaviko ianao handalina
Fa tsy hanaratsy olona
Dia ho fantatrao fa ny amalona
Miolakolaka ny oniny...
πŸ‘ŠπŸ‘ŠπŸ‘ŠπŸ‘ŠπŸ‘ŠHafatra miafina😁😁😁😁

"RENDRIKA VAO NAHAZO AMALONA"zaraina eto rampitso alahady..Anganon'ny Ntaolo
21/12/2019

"RENDRIKA VAO NAHAZO AMALONA"zaraina eto rampitso alahady..Anganon'ny Ntaolo

FANANARANA SY FAHALALANA NY HIRAGASY...MBA AHAIZANA MIAINA...TIAKO MADAGASIKARA😁😁
30/11/2019

FANANARANA SY FAHALALANA NY HIRAGASY...MBA AHAIZANA MIAINA...TIAKO MADAGASIKARA😁😁

Ny manodidina toa moana sy pokatyNy hatsaram panahy nadositra sa matyKa fitserana,lasa nandaoko ny foTsisy teny ahalala ...
22/11/2019

Ny manodidina toa moana sy pokaty
Ny hatsaram panahy nadositra sa maty
Ka fitserana,lasa nandaoko ny fo
Tsisy teny ahalala ny alaheloko
Indrisy ny fitiavan tena
Ny loharanon ny mahitsy
Tsy mety ritra tsy hay fefena
Ka lasa rano fisotro
Tsy misy atahorana
Na fitsapana mety handao
Nahilika NODORANA
Ny FAHENDREN NY NTAOLO...

Teny tena marina no nolazain ity Mpanankato ity amin izao tononkirao izao..Nanana fahendrena ny Ntaolo nodorana izany rehefa lazaina fa andro mazava ny ankehitriny fa taloha lazaina fa maizina...Saintsaino ihany😍😍😍😍😍😍😍😍😍😍😍😍

Angano..arira fa tsy anganon ny Ntaolo.....Indray andro hono nisy saka sy voalavoaKa nifampiady teo izy roa lahy.Ndeha i...
31/10/2019

Angano..arira fa tsy anganon ny Ntaolo.....
Indray andro hono nisy saka sy voalavoa
Ka nifampiady teo izy roa lahy.Ndeha isika ozy ny voalavo hifanina ho dorana ka zay iray maranin tsaina na tsy may.Dia neken ny saka izany.
Dia nampirehatra afo izy ireo ka nodorana voalohany ity voalavo,niandry teo ra saka..kanjo inona nandavaka tao lay tonaka ka tafavoaka fa tsy may.Anialahy indray izao hoy ny voalavo,ka hoy ny saka:vitan ialahy ka tsy ho vitako leroa.Andao ary e! Hoy ny voalavo,kinanjo inona?..tsy nahay nandavaka izy ka nidorehitra tao,soa fa tafavoaka ihany...fa itany ihany ity nataony voalavo ny farany fa fetsy lahy, ka nanozona izy nanao hoe:Ny taranaka faramandimbiko dia tsy maintsy mamono voalavo sy mihinana fa mafy ny zioga nampitahany tamiko ka veloma lahy fq izay no hafatro...Dia notaterahan ny saka izany mandraka androany...πŸ˜€πŸ˜±.......

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Anganon'ny Ntaolo sy Asa soratra Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share