Accident et fait divers Mada

Accident et fait divers Mada Fifampizarana ireo seho hita eny amin'ny fiaraha-monina sy ireny lozam-pifamoivoizana ireny
Manasa a

🔴ANTSOHIHY:  VOATIFITRY NY ZANDARY I LEFILANY,  DAHALO RAIN-DAHINY ❌ Lavon’ny balan’ny l Zandary  i LEFILANY raha toa ka...
16/11/2022

🔴ANTSOHIHY: VOATIFITRY NY ZANDARY I LEFILANY, DAHALO RAIN-DAHINY

❌ Lavon’ny balan’ny l Zandary i LEFILANY raha toa ka tafatsoaka niaraka tamin'ny basy lava iray ny namany ny alarobia 16 novambra 2022 tokony ho tamin’ny 4 ora maraina.

Ny Alahady faha-13 novambra 2022 tokony ho tamin'ny 09 ora alina dia nahazo antso tamin'ny olona tsara sitrapo ny Zandary ao amin'ny Tobim-paritra Anahidrano fa rehefa nifampitadiavana nandritra ny herintaona taorian'ny volana novambra 2021, izay fotoana nivoahany ny Fonjaben'Antsohihy vokatry ny asan-dahalo i FLAVIEN dit LEFILANY raindahiny amin'ny fandravana mitam-piadiana sy halatr'omby mahery vaika izay nampitaraina sy nampijaly ary nampihorohoro ny Kaominina Ankerika sy Anahidrano ary ny manodidina izay samy anatin'ny Distrikan’Antsohihy; dia niverina nihaodihaody tao amin'ny fokontany Anjobony kaominina Ankerika voalaza etsy ambony, rehefa tsy nahazaka tanàna vokatry ny fanohizany ny asa ratsiny taorian'ny nahavitany ny saziny.

Mbola mitohy ny Fikarohana io namany io ary namafisina ny fanentanana ny mponina manodidina miaraka amin'ny Mpiray Dina mba samy hanome loharanom-baovao.

Natolotra ny fokonolona ny razana taorian'ny Fitsirihana nataon'ny Mpitsabo niaraka tamin’ireo Zandary miasa ao amin'ny Tobim-paritra Antonibe.

 Havesarana miampy BallotageCamion mpitondra Omby no nivadika ..📷 Cesariot
12/11/2022


Havesarana miampy Ballotage
Camion mpitondra Omby no nivadika ..

📷 Cesariot

⭕VEHIVAVY ROA MATY LATSAKA TAO ANATY VOVON-DRANO , FKT TSARATANANA,CR ANDOHANILAKAKA➡️Manely lamba teo amin'ny tady ambo...
08/11/2022

⭕VEHIVAVY ROA MATY LATSAKA TAO ANATY VOVON-DRANO , FKT TSARATANANA,CR ANDOHANILAKAKA

➡️Manely lamba teo amin'ny tady ambony vovon-drano izy roavavy(17 - 21taona )no izao tra-doza izao,tao amin'ny Fokontany Tsaratanana, androany maraina tokony tamin'ny 9h30mn
➡️Vovon-drano sahabo 30 metatra, tsy niasa nandritra 3herinandro ity nihotsaka ity,(misy fahasimbana),manampy trotraka ny rotsak'orana nifanesy
➡️Tamin'ny 10h55mn tany no nazahoana ny razana voalohany raha toa ka 30mn taorian'io vao azo ny iray

Mankahery sy mirary fiononana feno ny fianakaviana rehetra ny ekipan'ny Vaovao Ranohira.

📷✍: Saphir radio Andohan'Ilakaka.
©️Vaovao Ranohira™️

🔴RN1: Nitrangana loza mahatsiravina ,  fiara roa nifandona.Eo Ambohidranomanga hiditra eo Imeritsiatosika no nitrangan'n...
01/11/2022

🔴RN1: Nitrangana loza mahatsiravina , fiara roa nifandona.

Eo Ambohidranomanga hiditra eo Imeritsiatosika no nitrangan'ny loza.

Vao manomboka mifanampy ny olona misikotra ny chauffeur.
Nisy naratra maro hafa fa efa lasa any amin'ny hopitaly Imerintsiatosika any.
source: serasera mada

Ratinah

TOAMASINA:Mpianaka hita faty nihidy tao an-trano tao Morarano parcelle 21/13, nahitana tsatok'antsy roa teo amin'ny firi...
31/10/2022

TOAMASINA:
Mpianaka hita faty nihidy tao an-trano tao Morarano parcelle 21/13, nahitana tsatok'antsy roa teo amin'ny firihifan'ilay Ramatoa 31 taona ary kapoka teo amin'ny lohany kosa ny an'ilay zanany lahy 12 taona no sady mifatotra tanana. Razana efa mamofona no henon'ny manodidina.

tontolon'ny zava-kantoNodimandry io atoandro io i Fali.Ny tena nahitana azy dia nanao feo lafika tao amin'ny tarika Samo...
11/05/2021

tontolon'ny zava-kanto
Nodimandry io atoandro io i Fali.
Ny tena nahitana azy dia nanao feo lafika tao amin'ny tarika Samoela fa talohan'izay izy dia mpikambana tao amin'ny DioXVI izay vondrona mpanao RAP.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana

Lozam-pifamoivoizana Ambatokely manjakandriana RN2Lozam-pifamoivoizana tao Ambatokely vao tolak'andro io, fiara taxi-bro...
10/05/2021

Lozam-pifamoivoizana Ambatokely manjakandriana RN2
Lozam-pifamoivoizana tao Ambatokely vao tolak'andro io, fiara taxi-brousse nifandona tamina fiara kely iray nohon'ny fandeanana mafy loatra
Vokany tsy nisy aina nafoy fa olona 5 no naratra mafy

Fihibohana tanterana AnalamangaEfa hita taratra ny ezaky ny vahoaka, fa saingy misy ihany ny minia mafy atokaNilamina to...
01/05/2021

Fihibohana tanterana Analamanga

Efa hita taratra ny ezaky ny vahoaka, fa saingy misy ihany ny minia mafy atoka
Nilamina toy ny tamin'ny herinandro lasa teo ihany ny teto andrenivohitra fa ny ankizy no nilalao teny amin'ny arabe Ary no resahin'ny mpitandro filaminana am-pitiavana ny mba hidirana tany an-tokotaniny
Source: Polisim-pirenena MalagasyPolisim-pirenena MalagasyPolisim-pirenena Malagasy Malagasy

FIP TOLIARA - kidnappingAvotra soamatsara ilay vehivavy takalon'aina, Ary lavon'ny balan'ny FIP kosa ilay lehilahy nanao...
29/04/2021

FIP TOLIARA - kidnapping

Avotra soamatsara ilay vehivavy takalon'aina, Ary lavon'ny balan'ny FIP kosa ilay lehilahy nanao izany

Tranga mahatsikaiky sy mahalatsakaMpangalatra voanio (Coco) tratra tao bemanevika sambava ka nampifanorohan'ny fokonolon...
28/04/2021

Tranga mahatsikaiky sy mahalatsaka

Mpangalatra voanio (Coco) tratra tao bemanevika sambava ka nampifanorohan'ny fokonolona

Handeha mivantana amin'ny TVM anio ariva ny Lalao manasadalana mandroso ifandonan'ny PSG  sy Man City
28/04/2021

Handeha mivantana amin'ny TVM anio ariva ny Lalao manasadalana mandroso ifandonan'ny PSG sy Man City

Lozam-pifamoivoizana RN 710km tsy hidirana an'ny Andranovory toliara, fiara 4*4 nifandona tamina kamio. Tsy nisy ny Aina...
24/04/2021

Lozam-pifamoivoizana RN 7

10km tsy hidirana an'ny Andranovory toliara, fiara 4*4 nifandona tamina kamio. Tsy nisy ny Aina nafoy fa simba vokatry izany ny fananana .

Kilan'ny afo ny central thermique ao tanambe AmparafaravolaMay kilan'ny ago ny Central thermique tao tanambe omaly Alina...
21/04/2021

Kilan'ny afo ny central thermique ao tanambe Amparafaravola

May kilan'ny ago ny Central thermique tao tanambe omaly Alina tokony ho tamin'ny 01 Ora maraina, araka ny vaovao azo Dia ny fipoahana tao nous nitarika izao loza izao

VAOVAO MAMPALAHELO, BOTRY RENDRIKA TANY MAINTIRANOBotry iray na tefitefy atao hoe NANY niainga teto Maintirano vao marai...
20/04/2021

VAOVAO MAMPALAHELO, BOTRY RENDRIKA TANY MAINTIRANO

Botry iray na tefitefy atao hoe NANY niainga teto Maintirano vao maraina nitondra mpandeha 30 no rendrika teo ampidirana ny vinany Tambohorano ny 19 aprily 2021 tamin'ny 03 ora folakandro. Vaky roa izy ity noho ny hamafin'ny onja nentin'ny rivotra.
Mpandeha iray avotra atao hoe Mahay Florent no nilaza tamin'ny zandary izay nitady avy hatrany sambokely haingampandeha roa hanavotra ny niharamboina sy nanao ny fikarohana izay voatery natsahatra rehefa tena tsy ampy ny fahitana tamin'ny alina.
Mbola mitohy ny fikarohana androany tamin'ny 05 ora maraina ka19 no isan'ny olona hita fa velona hatramin'ny androany 20 aprily tamin'ny 07 sy sasany maraina ka anisan'izany ny mpanamory an'ilay Tefitefy sy ny mpanampy azy 02 lahy ary ny G2C Ratiarisoa Frédéric Distephano miasa ao Besalampy samy avotra.

09 kosa ireo hita maty ary toy izao no momba azy :
- GHC RAVELONTSOA Jean Justin, teraka ny 25 may 1975 tao Port Berger manan-janaka telo,
- Délégué Bebaboky Rasoamampionona Florencia Ludivine Marie, teraka ny 14 jolay 1993 tao Maintirano.
- Délégué Besalampy Razafindrahety Thérèse sy ny zanany roa.
- Rafaravavy Beriny Eliza zanadrahavavin'ny délégué Besalampy sy Rafanomezantsoa Wanna Princesa zanany 03 taona.
- Flotenia atao hoe Mama
Teraka ny 2012 tao Andranovao.
- Fabrice Elidio 02 taona monina ao Ambolody Sud.

02 kosa no mbola tsy hita :
~ G2C MAMILAZA Edy Francklin teraka ny 24 jolay 1993 tao Mandritsara, manambady ary mananjanaka iray.
~ tovovavy mpianatra atao hoe Landreah.

Izahay eto amin'ny Accident et fait divers Mada dia miara-miondrika sy miara-ory tanteraka amintsika manamanjo.
Source: gendarmerie melaky

Vaovao mampalaheloVehivavy malagasy roa (Clocia sy Honorine) Samy avy any Andapa izay niasa tany Koweït no nondaosin'ny ...
15/04/2021

Vaovao mampalahelo

Vehivavy malagasy roa (Clocia sy Honorine) Samy avy any Andapa izay niasa tany Koweït no nondaosin'ny fahafatesana ny 13,14 avril 2021 lasa teo, tsy fantatra mazava moa ny nahazo azy ireo ka nitarika izao fahafatesana izao.
Manao antso avo amin'ny malalatanana MBA hanampy amin'ny fampodiana ny vata-mangatsiaka ny namany by an-toerana

AMBODIMITA : MIREFODREFOTRA NY BASY Misy fanafihana mitam-piadiana ny hariva tamin'ny 5 ora latsaka teo. Raikitra ny fif...
01/04/2021

AMBODIMITA : MIREFODREFOTRA NY BASY
Misy fanafihana mitam-piadiana ny hariva tamin'ny 5 ora latsaka teo. Raikitra ny fifanenjehana eo amin'ireo jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana ary mirefodrefotra ny basy amin'izao fotoana izao.
Jiolahy roa ny maty voatifitra, mbola misy ireo ifanenjehan'ny polisy eraky ny tanàna amin'izao.

Lozam-pifamoivoizana RN2Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravinateo ny lalam-pirenena faharoa Sprinter nifandona ta...
31/03/2021

Lozam-pifamoivoizana RN2

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravinateo ny lalam-pirenena faharoa Sprinter nifandona tamina Camion, maty tsy tra-drano ilay mpamilin'ilay fiara sprinter.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana izahay eto amin'ny Accident et fait divers Mada

KENYANoho'ny firongatry ny covid-19 any an-toerana dia nandray ity fanampahankevitra ity ny governemanta fa Tsy azo atao...
30/03/2021

KENYA
Noho'ny firongatry ny covid-19 any an-toerana dia nandray ity fanampahankevitra ity ny governemanta fa Tsy azo atao araka izany ny miray ara-nofo ao Kenya mandritrin'io fe-potoana io .

Vaovao mampalahelo Mampalahelo,3 ora aty aoriana nahavery an' Idealy kely , hita tao anaty  dobo ny vatamangatsikany ,At...
26/03/2021

Vaovao mampalahelo
Mampalahelo,3 ora aty aoriana nahavery an' Idealy kely , hita tao anaty dobo ny vatamangatsikany ,Atsimony Apasidraidroy, Ambohijafy Antanety .

Sary : Modely Rinah Rakotonirina

Zazakely nisy nanary tany  , natao tanaty baoritra ary nofonosiny sachet ilay zaza.Olona sendra nandalo no nahita izany ...
25/03/2021

Zazakely nisy nanary tany , natao tanaty baoritra ary nofonosiny sachet ilay zaza.
Olona sendra nandalo no nahita izany ary nanatitra izany ao amin'ny biraon'ny Polisim-pirenena Ihosy.

(Sary nindramina)

NAMOY OLOMANGA NY MALAGASY, LAVO NY ANDRAREZINANodimandry io maraina io i Gilbert Raharizatovo, mpanao gazety, mpamakafa...
25/03/2021

NAMOY OLOMANGA NY MALAGASY, LAVO NY ANDRAREZINA
Nodimandry io maraina io i Gilbert Raharizatovo, mpanao gazety, mpamakafaka politika, minisitry ny serasera tamin'ny andron'ny tetezamita, efa solombavambahoakan'i Madagasikara ihany koa, anisany olomangan'ny Firenena ihany koa raha i Gilbert Raharizatovo, ny fampianarana sy ny fahalalàny ny tantaram-pirenena, maro dia maro ny sehatra nisy azy raha ny tontolon'ny fiainam-pirenena.
Mirary fihononana feno hoan'ny fianakaviany izahay eto amin'ny Accident et fait divers Mada

 Mbola miangavy vonjy aminareo tompokoNohon'ny fitohizanny fitsaboina Tumeur 'i Tsilavo kely, Nandritra izay 10 mois iza...
24/03/2021


Mbola miangavy vonjy aminareo tompoko
Nohon'ny fitohizanny fitsaboina Tumeur 'i Tsilavo kely, Nandritra izay 10 mois izay, dia Mihila Analyse Scanner izy izao , Ahitana na hodidiana iany izy, na levonina izany,hoy ny mpitsabo.
-izy zay mbola Tsy Salama
-Ny tongony chevilles mivadika dia ho kasaina hodidiana
Miangavy izay Tsara sitrapo Tompoko ,izay afaka Manohana, na afaka tonga mivantana ianareo fa Tena Sahirana Mafy @ Entimitsabo Tsy Ampy ny fahafahana fa efa lany Vola betsaka.Menatra tokoa ny anao izao fa tsy fidiny.
contact-nay 0343540847(mVola)
Na Money gram/western union @ anaranay Ray amandreniny.
soama route ambohibe ilafy
source :
TOMPO Manakarempahasoavana hamaly fitia anareo.

Tsy fandriam-pahalemana ao ToliaraFanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Ambalanomby Kamoa Toliara.Renim-pianakaviana mpiv...
23/03/2021

Tsy fandriam-pahalemana ao Toliara

Fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Ambalanomby Kamoa Toliara.
Renim-pianakaviana mpivarotra hani-masaka no lasibatry ny fanafihan-jiolahy, nambanan'ireo jiolahy basy Ilay ramatoa ka nanome izay tany aminy izy , ka vola mitentina 300000ar no azon'ireto jiolahy.
Tonga ara-potoana anefa ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fifampitifirana , vokany lavo ny balan'ny Polisim-pirenena MalagasyPolisim-pirenena MalagasyPolisim-pirenena Malagasy Malagasy ny roa Ary tafaporitsaka kosa ny roa hafa izay efa karohina amin'izao.
Nanamafy hatrany moa ny teo anivon'ny komisarian'ny polisim-pirenena fa ilaina ny fiara-miasa amin'ny vahoaka mba hamongorana ireny tsy valahara ireny.
Source : drcc atsimo andrefana

22/03/2021

🔥@ Izao ora izao eny Tsiadana eo akaikin'ny Shoprite!!!!🔥
Fiara iray no nirehitra izay mbola tsy fantatra mazava ny anton'ny firehetana

FANOLANANA ZAZA TSY AMPY TAONA22 Martsa 2021 PA BehenjyHentitra dia hentitra ny Zandarimaria sy ny fitsarana amin'ny tra...
22/03/2021

FANOLANANA ZAZA TSY AMPY TAONA
22 Martsa 2021 PA Behenjy
Hentitra dia hentitra ny Zandarimaria sy ny fitsarana amin'ny tranga fanolanana sy fanodinkodinana zaza tsy ampy taona
Nosamborina ary nidoboka am-ponja vonjimaika i RAKOTO, 76 taona, rehefa niaiky ary voaporofon'ny mpitsabo fa nanolana zazavavy kely vao 13 taona monja.
Tambazany vola tsy hiteniteny ity zazavavikely izay efa notsiriritiny ela ary efa in-3 no naolany tao anaty alankininina tsy lavitra ny tanàna. Tsy voatazon'ilay zaza intsony ny tsiambaratelo noho ny adin-tsaina ka izao fantatra izao ny asa ratsy fanaony.

Salama aby e !!! Ilazana isika izay mahalala na mahafantatra ny fianakavian'ity olona ity fa marary nateriin'ny mpitandr...
22/03/2021

Salama aby e !!!
Ilazana isika izay mahalala na mahafantatra ny fianakavian'ity olona ity fa marary nateriin'ny mpitandro ny filaminana teto amin'ny hopitalibe an'Ambalavao omaly 21/MARS/2021, marihana etoana fa tsy dia milamina tsara ny fitadidiany... Vonjy hoe no anarany ary avy any Andrainarivo hoe izy, Ruffin avy any Mahasoa no mba teneniny fa havany
Misaotra indrindra amin'ny fiaraha-miasa

Lozam-pifamoivozana niseho tetsy Andohalo androany tokony tamin'ny 12 ora sy 15 minitra teo  . Fiara karetsaka iray tapa...
22/03/2021

Lozam-pifamoivozana niseho tetsy Andohalo androany tokony tamin'ny 12 ora sy 15 minitra teo . Fiara karetsaka iray tapaka hisitra avy any amin'ny la haute iny , ka nifatratra tamina scooter iray teo akaikin'ny Etat Major Andohalo teo , Vokany , tsy nisy aina nafoy , olona 03 kosa no fantatra fa naratra .
Mitandrema ihany ry zareo fa ny loza tsy mampilaza

🔥Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny RN7 io tolak'andro io🔥:Fiara mpitatitra ao amin'ny coopérative Kofifi a...
19/03/2021

🔥Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny RN7 io tolak'andro io🔥:

Fiara mpitatitra ao amin'ny coopérative Kofifi avy any Toliara tra-doza teo Vatoavo Ambalavao .
Vokany Maty teo noho eo ny mpamily. Misy olona iray atahorana mafy ihany koa ary efa noentina any Fianarantsoa; Noentina any Ambalavao kosa ilay naratra iray hafa.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana
Source: Red Randria

Lozam-pifamoivoizana niseho avaratr'Ambohitrarivo Ambatondrazaka , tsy nisy ny aina nafoy.Fiara mpitatitra olona no niha...
19/03/2021

Lozam-pifamoivoizana niseho avaratr'Ambohitrarivo Ambatondrazaka , tsy nisy ny aina nafoy.
Fiara mpitatitra olona no niharan-doza teo avaratr'Ambohitrarivo androany zoma 19 martsa 2021. Nivadika intelo ity fiara ity raha ny filazan'ireo nanatri-maso. Tsy nisy ny aina nafoy saingy naratra avokoa ny olona tao anatiny.

Lehilahy 26 taona eo izay voalaza fa nitsoaka avy tao Antanimora , rehefa voaheloka higadra 12 taona noho ny fanolanana ...
18/03/2021

Lehilahy 26 taona eo izay voalaza fa nitsoaka avy tao Antanimora , rehefa voaheloka higadra 12 taona noho ny fanolanana zazavavy maromaro nataony , dia fantatra fa hita tany Ambohinome Anjozorobe ny tenany , rehefa nohenjehina tsy nety ninjanona anefa dia voatery nitifitra ireo zandary tany an-toerana ka izao niafara tamin'ny fahafatesana izao.
source: vaovao tapatapany

Lozam-pifamoivozana niseho tetsy Andraharo tokony tamin'ny 12 ora 50 minitra teo . Fiara hivily no nodomin'ilay moto avy...
17/03/2021

Lozam-pifamoivozana niseho tetsy Andraharo tokony tamin'ny 12 ora 50 minitra teo . Fiara hivily no nodomin'ilay moto avy any aoriana. Vokany , tapaka ny fehin'ilay vehivavy , nisy voa ihany koa ny tongotr'ilay rangahy nitazona poteau () , ilay notondra moto kosa naratra fotsiny.

"intoxications alimentaire" azo avy amin'ny hazan-drano tany  Vatomandry.Tafakatra 10 amin'izao fotoana izao ireo olona ...
16/03/2021

"intoxications alimentaire" azo avy amin'ny hazan-drano tany Vatomandry.
Tafakatra 10 amin'izao fotoana izao ireo olona maty vokatrin'ny fihanana hazan-drano 'tortue de mer" misy poizina tao Vatomandry.
Ny Accident et fait divers Mada dia miara-miory ary mankahery ny fianakaviana, mirary fahasalamana ho anireo mbola tsaboina
Loharano sy sary : Dola Beach Vatomandry

Fampitam-baovao nikasika ilay lozam-pifamoivoizana tetsy  Ambatomirahavavy , Vokatr'izany dia zaza roa (Etan 3 taona sy ...
16/03/2021

Fampitam-baovao nikasika ilay lozam-pifamoivoizana tetsy Ambatomirahavavy , Vokatr'izany dia zaza roa (Etan 3 taona sy Sanda 7 taona) no namoy ny ainy; Olona 6 naratra (Aina 11 taona, Fanyah 11taona, Mirah 4taona, Tsiory 09taona, Hanitriniaina mpanabe 20 taona, Hasiniaina mpamily).
😭Izy no SANDA KELY iray tamin'ilay namoy ny ainy😭 , ilay zazalahy kely mpianatra ao amin'ny LE BON BERGER , namoy ny ainy noho ny LOZAM-PIFAMOIVOZANA nahazo azy tetsy Ambatomirahavavy maraina teo!!!
Mirary fihononana feno ho an'ny FIANAKAVIANY izahay eto amin'ny Accident et fait divers Mada
sary indrana

Ambatomaro eo akaikin'ny société Akanjo tamin'ny 01 Ora sy sasany tolak'androNitrangana lozam-pifamoivoizana teny an-toe...
15/03/2021

Ambatomaro eo akaikin'ny société Akanjo tamin'ny 01 Ora sy sasany tolak'andro

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny an-toerana anikeo, zotra 147 D iray no tapaka hisatra no nifatratra tamina andrin-jiro.
Vokany : tsy nisy ny aina nafoy, Ary tapaka ihany koa ny erinaratra eny an-toerana vokatry io loza io

❤️❤️❤️❤️VONJY AINA ho an’i HASINA❤️❤️❤️Hasina Andrianavalona,25 taona ,manambady ,mananjanaka mianadahy,5taona ny voaloh...
13/03/2021

❤️❤️❤️❤️VONJY AINA ho an’i HASINA❤️❤️❤️
Hasina Andrianavalona,25 taona ,manambady ,mananjanaka mianadahy,5taona ny voalohany ary heritaona sy efabolana ny farany.Mipetraka eny Ambatomainty izy reo
Niteraka io zanany farany Io izy no nanomboka narary Ka rehefa natao ny analyse dia Nerfs tsy ni-foctionne no nahazo azy.Ary Efa notsaboina t@ ilay petahina ventouses kely misy courant (tsy tadidiko ny anarany)ireny ny vatany iray manontolo ary narahina massage thérapeutique izany ary tena nety ary Efa niverina nandeha izy t@ izany.
Nohon’ny fisian’ny krizy teto anefa dia niato t@ asany n’y vadiny izay mpiasan’ireny orinasa afakaba ireny ary niato niaraka t@ izay koa ny fitsaboana anazy.Niombo kosa ny aretiny anefa nanomboka teo Ka crampées foana izy.
Tsy nitsaha-niombo ilay aretina Ka nihoitra kely ihany izy nandritra izany na dia tena sahirana tokoa aza izy ireo@ lafiny rehetra n’a ara-tsakafo Aza.Koa manao Antso vonjy amintsika izy ireo raha mba misy azontsika hatao na ara-bavaka,ara-pitsaboina na ara-bola izay fointsika fa Mba mangetaheta ny ho salama izy fa tena marary sy reraka tanteraka tokoa..Efa Mba nanao izay vita ihany ny fianakaviana fa tena tsy araka intsony.
Ireto ny numéros ahazoana azy ireo mivantana raha misy olona te-hiresaka na andefa fanampiana ho azy isika
034 74 495 61 (misoratra aminazy ihany ‘´Hasina Andrianavalona’ˋ
034 69 953 17 (misoratra @ Lovasoa Delphine izay rahavaviny miara-mipetraka aminy ao)
Mankasitraka indrindra
Tompo anie homba antsika tsirairay avy.
MBA ZARAO RAHA SITRAKAO HO FANAMPIANA AZY
Loharano : Nhoula Khandza

Lozam-pifamoivozana niseho tetsy Ambolonkandrina androany tokony tamin'ny 01ora sy 15 minitra teo . Kamiao mpitatitra bi...
11/03/2021

Lozam-pifamoivozana niseho tetsy Ambolonkandrina androany tokony tamin'ny 01ora sy 15 minitra teo . Kamiao mpitatitra biriky iray no nivadika. Araka ny loharanom-baovao azo dia hisatra tapaka no nahatonga ny loza. Tsy nisy aina nafoy .

Ny zaza malagasy andeha hianatra!!!Kopatanana ry zareo any Ambalavao"Ny fianarana no lova tsara indrindra"
06/03/2021

Ny zaza malagasy andeha hianatra!!!
Kopatanana ry zareo any Ambalavao
"Ny fianarana no lova tsara indrindra"

⚽LISTE BAREA🇲🇬🇲🇬 Qualification CAN: J5 Ethiopie vs Madagasikara et J6 Madagasikara vs Niger GARDIENS DE BUT : 1-ADRIEN M...
04/03/2021

⚽LISTE BAREA🇲🇬🇲🇬 Qualification CAN: J5 Ethiopie vs Madagasikara et J6 Madagasikara vs Niger
GARDIENS DE BUT :
1-ADRIEN MELVIN
2-RANDRIAMAMY MATHYAS TODISOA FRANCOIS
3-RAKOTOASIMBOLA ZAKANIRINA
4-DABO IBRAHIM
DEFENSEURS :
5-MOREL JEREMY MICHEL
6-RAMANJARY THEODIN
7-MOMBRIS JEROME
8-OUASSIERO JEAN SYLVIO FRANCOIS
9-RAZAKANANTENAINA PASCAL
10-METANIRE ROMAIN
11-RAZAFINDRABE RAJO
12-RAKOTONDRAZAKA ANDONIAINA
MILIEUX:
13-RAVELOSON RAYAN NY AINA ARNALDO
14-ANDRIANANTENAINA ANICET
15-AMADA IBRAHIM SAMUEL
16-ILAIMAHARITRA MARCO
17-RAKOTOARISOA SOLOJANTOVO JEAN AIME (Doddy)
18-RANDRIAMBOLOLONA ZOTSARA
19-CALOIN DIMITRY
20-ANDRIANARIMANANA ANDRIAMIRADO ARO HASINA
21-LAPOUSSIN LOÏC ANDRE TERRY
ATTAQUANTS :
22-NOMENJANAHARY LALAINA HENINTSOA
23-VOAVY PAULIN
24-ANDRIAMAHITSINORO CHARLES CAROLUS
25-ABDALLAH HAKIM DANIEL
26-RAKOTOHARIMALALA NJIVA TSILAVINA MARTIN
27-RAMALINGOM ALEXANDRE FRANCOIS
28-RAZAFINDRASATA TSITO
29-MANAMPISOA LALAINA
🇲🇬🇲🇬

Fiara iray no latsaka anaty rano tetsy ampitan'ny tetezana ny Tsarasaotra . Raha ny filazan'ireo nanatry maso dia naka s...
03/03/2021

Fiara iray no latsaka anaty rano tetsy ampitan'ny tetezana ny Tsarasaotra . Raha ny filazan'ireo nanatry maso dia naka sisiny tamin'io lalan-kely io ity fiara ity.
Rehefa nivoaka tao anatiny anefa ny saofera,izay marihana fa efa maty ny motera an'ilay fiara , dia niroso tampoka ity farany,nahita izany ilay soafera ka nilomay nanohana avy eo aloha hanakana azy saingy tsy voatohany dia izy io latsaka anaty rano io ,ary voatsindry ao ilay saofera araka ny filazan'ireo nanatry maso hatrany.

Address

Quelque Part A
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Accident et fait divers Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share