Nomenjanahary

  • Home
  • Nomenjanahary

Nomenjanahary Mizara izay misy!

01/02/2025

TOMBAN’NY TOETRY NY ANDRO | 02 Febroary 2025

1️⃣ Ny Maraina :
Tombanana hisy orana tandrifindrahona vao maraina any Vatovavy, Fitovinany, Atsimoatsinanana, Taolagnaro, ny atitany Afovoany Andrefan’ny Nosy ary ny morontsiraka Avaratra-Andrefana. Handrahona ny andro ho an’ny afovoan-tany sy ny atitany Avaratra-Andrefana. Hibaliaka kosa ny masoandro any an-kafa

2️⃣ Ny Tolakandro :
Hanorana tandrifindrahona mety harahina-kotroka indraindray any Diana, Sofia, Melaky, Menabe, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary manodidina an’Ankazoabo. Handrahona mety harahin’orana tandrifindrahona vitsy indraindray ny faritr’analamanga, Betsiboka ry Boeny. Ho maina kosa ny andro amin’ny ankapobeny any amin’ny faritra sisa.

3️⃣ Ny Maripana :
Antananarivo 18/32 Antsirabe 16/28 Fianarantsoa 22/31 Morondava 26/33 Mananjary 26/29 Farafangana 26/33 Nosy-Be 24/31 Toamasina 25/31 Mahajanga 25/33 Taolagnaro 23/33 Sainte-Marie 26/33 Toliara 25/37 Antsiranana 24/31 Antalaha 23/34 Maintirano 26/32 Maevatanana 26/37 Ambositra 20/30 Ranohira 23/36.

🔑 Météo Madagascar

Mahavelona na Dia ny fambolena goavy aza rehefa hatao tsara 🧋🧋🧋🧃🧃🍹🍹🍹🍹🍹
28/01/2025

Mahavelona na Dia ny fambolena goavy aza rehefa hatao tsara 🧋🧋🧋🧃🧃🍹🍹🍹🍹🍹

28/01/2025
16/09/2024

FIKA MASISO HAFA KOA 😬😬

👉teny am petite vitesse teny
nanantona le bandy anakiray, zandry ah avia vetivety ne eh,
"aona hoa"
tena nisy namono lesy le cousin ako de tena mitovy be amlah mintsy le profil anle bandy namono anazy, tapaka ny tanan lery de potika be ny tarehany,
"de ina no idirako amzany rzoky, cousin anao ary tsy haiko akory hoe otrn aona, sady pozin'olona mpamono olona nga za?"
Tena elah mintsy lesy no otran mitovy amle olona nanao azy fa ndao tsika hoany de miresaka am lery,
"tsy manampotona amzany ah ral fa za ko mbola maika tyh ny numero ako rah ohatra ka hoe ilainlah fa sady maika ah no tsisy fotoana"
Tsy mety zany fa rah vo tsy mandeha anie elah de tena elah mintsy zany no nanao anle izy
Nisy bandy 2 mtsam amzay nanantona efa somary dozidozy izy mtsam, tena elah mintsy lesy le mitovy amle resahan le cousin anay ao le, mampalahelo be lery ao fa tapaka ny tanany de .....
"Tsisy idirako zany fa aleo aloha hiala fa za koa maika ry izy 3 mtsam ah"
Zandry ah vo manao anzany anie elah de hafahafa eh, omeo ze misy any amlah any ary atao garantie de amzay zay matoky tsara
Na ny téléphone anlah apetraka de alainlah ref vita ny fifanarahana fa mila mividy fanafody maro zay de elah tokony mandoha azy
Otran somary nivadika hafahafa le anakray vo hoe hiala ah, tonga de nenah no natoko tonga aloha, retsy misy polisy manin rah tonga de hoentina eny de vita hoa rah ohatra hoe za no nertreretin lisany fa nanao azy
"Ndao hoeny zao de zao"
Za sady nandeha iany, ref akaiky anle polisy jereko tao arina tsita izy 3 mtsam sady latsaky ny fimehezana ah no nisava posy sode misy tsy hita

Tst nisy very ny zavatra rehetra.

Tandremo fa vo olona badobado de lasany any am mangingina any anh😫

14/09/2024

🤗🤗✌️✌️🇲🇬🧐

14/09/2024
13/09/2024
13/09/2024

Fanafody nify

Raha tianao ho sitrana tanteraka ilay fanaintainan'ny nifinao izay mampijaly anao io, dia araho tsara ary ny toromarika mahasoa etsy ambany etsy.

Zavatra ilaina :

Ravina papay ( feuille de papay ) mbola maitso

Fomba fampuasana azy :

Alaina ilay ravina papay efa nitera-drano teo, ary ataovy ho lasa boriborikely toan'ny hena baolina ireny.
Rehefa vita izay, dia potserina ary araraka moramora ao anatin'ilay nify na vazana loaka ny ranonà ravina papay teo , avela mandritra ny 30 minita eo ho eo vao kobanina amin'ny rano tsotra ny ati-vava

Traitement :

Mandritra ny 3 andro fotsiny dia sitrana tanteraka.

Fanamarihana :

Mbola afaka ampiasaina foana ireo ravina papay ambiny ireo, mandritra ny 3 andro tompoko
Raha ny nify ao ambony no marary dia razomina amin'ny coton ila ravina papay
Mirary soa daholo Mimi et Naly

13/09/2024
13/09/2024

Maro ny toro-hevitra hitantsika n'aiza n'aiza momban'ny fandraharahana...

Persévérance eh, auto-discipline eh, savoir prendre des risques eh...

Ilaina izany rehetra izany, fa alohan'izany rehetra izany dia misy "ilainao" alohan'ny zavatra rehetra...
Inona izay zavatra izay? = Ny fahaizana mivarotra!!

Maro no milaza fa izy hono efa mahay mivarotra avy any ankibon'ny mamany 😃

Tena manaiky izahay fa misy tokoa izany...

Misy koa anie mahay milalao baolina avy any ankibon'ny mamany e... vao mahay mitsangana dia mahay manao tanisa... toy ry Christiano R., ry Lionel Messi.

Fa maninona nefa no mbola miditra école du football ry zareo na dia efa mahay aza?
▶️ Satria ny talenta naturel dia miantso vokatra naturel...

▶️ Satria te hahafehy kokoa...

Fa maninona ny olona mahay sary sy hosodoko no mbola mianatra any amin'ny école des arts na dia efa mahay aza?

▶️ Satria te hahafehy kokoa...

Hafa mihitsy ny vokatra rehefa ny mpandihy iray no manan-talenta be no sady mbola nianatra tany amin'ny académie de danse

Ny talenta tompoko dia ampy hahavelona, fa ny talenta miampy fandalinana sy fianarana no mampanan-karena ara-bola.

Maika moa fa ny olona tsy manan-talenta amin'ny fivarotana= mila mianatra mivarotra....

Hilomano ao anatin'ny "TECHNIQUES DE VENTE" tsy ho ela indray izay efa nisoratra anarana amin'ny TOP VENDEUR 2.0 formation en ligne.

N'aiza n'aiza misy anao dia misokatra ho anao ny fiofanana en ligne.

❎ ITY NO FORMATION TOP VENDEUR 2.0 en ligne FARANY FA TSY HISY INTSONY AO AORIANAN'IZY ITY❎

Mety mbola hahatratra promo lancement ianao raha miditra mp avy hatrany: zao dia izao.

☎️ 034 11 250 00

12/09/2024
12/09/2024
11/09/2024
11/09/2024

RAHA TENA TIANAO IZY DIA

1)-Aza zatra loatra miteny hoe "JTM" isaky ny mihetsika fa lasa tsy mandona azy intsony izany rehefa tonga ny fotoana tena ilaina azy

2)-Manokàna fotoana kely ho azy fa tsy ampy raha toa ka "appel" na "sms" foana no iresahana aminy satria dia zava-dehibe noho ny teny hoe "bisou" ny fikasihan'ny molotrao amin'ny molony

3)-Ataovy izay ifandraisan'ny fo ka ezaho fantarina izay zavatra tiany sy tsy tiany

4)-tiavo amin'ny maha izy azy izy fa aza terena ho amin'izay hitiavanao azy

5)-aza asiana resaka ny lasany izay nandratra ary fadio ny mangeja loatra ny fiainany

6)-tadidio fa olo-tianao fotsiny izy fa tsy fanananao toy ny findainao ka ho azonao atao amin'izay hitiavanao azy

7)-aza menatra miaraka aminy na aiza na aiza na hitaniza na iza

8)-ampio amin'ny fiainana izy : ohatra amin'ny devoir, raharaha ,sns ...

9)-Manàna ianao fandavan-tena hoazy

10)-Hajao amin'ny lafiny rehetra izy indrindra fa amin'ny safidiny na dia mahasorena aza izany indraindray

TSAROVY ANEFA FA TSY HO FIFALIANA FOANA NY FIAINAM-PITIAVANA

😍🤩😍🤩😍🤩😍🤩😍🤩😍🤩😍

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nomenjanahary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Shortcuts

  • Address
  • Alerts
  • Videos
  • Claim ownership or report listing
  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share