FM3A Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FM3A, Digital creator, Ambohidrabiby, Antananarivo.

Nous partageons ici notre engagement pour un avenir durable en promouvant des pratiques agricoles respectueuses de l’environnement, favorisant la biodiversité et améliorant les conditions de vie des paysans.

Ny maha zava-dehibe ny ZARIDAINAM-PIANAKAVIANA🌱 1. Fisondrotan’ny fahazoana sakafo mahasalamaManome sakafo voajanahary s...
03/02/2025

Ny maha zava-dehibe ny ZARIDAINAM-PIANAKAVIANA
🌱 1. Fisondrotan’ny fahazoana sakafo mahasalama
Manome sakafo voajanahary sy ara-pahasalamana ho an’ny fianakaviana, toy ny legioma sy voankazo.
Manampy amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ka tsy dia miankina loatra amin’ny tsenan-tsakafo.
Mampihena ny fandaniana amin’ny fividianana sakafo.
💰 2. Fampiroboroboana ny toekarena an-tokantrano
Mety ho fidiram-bola fanampiny raha amidy ny vokatra mihoatra ny ilain’ny fianakaviana.
Mampihena ny fandaniana amin’ny sakafo sy fanafody (satria manampy amin’ny fiarovana amin’ny aretina ny sakafo ara-pahasalamana).
🏥 3. Fanatsarana ny fahasalamana sy ny fahadiovana
Manome sakafo misy vitamina sy mineraly ilain’ny vatana.
Mety hahitana zavamaniry fanafody voajanahary ho an’ny fitsaboana aretina sasany.
Mandrisika ny fianakaviana hanao hetsika ara-batana amin’ny fikarakarana ny zaridaina, izay tsara ho an’ny fahasalamana.
🌍 4. Fiarovana ny tontolo iainana sy fahaizana miatrika fiovan’ny toetrandro
Mampihena ny fividianana sakafo entina amin’ny plastika sy fonosana hafa.
Manampy amin’ny fitazonana ny fahadiovan’ny rivotra sy ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolena hazo sy ravinkazo.
Afaka mampiasa fomba fambolena maharitra sy fako bio-compost mba hahatonga azy ho maharitra kokoa.
👨‍👩‍👧‍👦 5. Fanamafisana ny fifandraisan’ny fianakaviana
Mampianatra ny ankizy sy ny tanora hifankatia amin’ny natiora sy hahazo fahaiza-manao amin’ny fambolena.
Mampiray saina ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fikarakarana ny zaridaina.

🇺🇸The Importance of Mulch CropsMulch crops play a crucial role in sustainable agriculture. They help retain moisture 💧 i...
31/01/2025

🇺🇸The Importance of Mulch Crops

Mulch crops play a crucial role in sustainable agriculture. They help retain moisture 💧 in the soil, reducing water loss and ensuring plants have adequate hydration. These crops also enhance the activity of soil organisms 🐛 that improve soil fertility.
Additionally, mulch crops protect the soil from erosion 🌱 and splash erosion caused by raindrops. They act as a natural barrier against weeds 🌿, reducing the need for herbicides. By increasing water infiltration, they improve soil structure and reduce surface runoff.
Furthermore, mulch crops facilitate germination by creating favorable conditions for seed growth 🌾. They also help protect plant leaves 🍃 from diseases by acting as a natural shield against pathogens.
By integrating mulch crops into farming systems, farmers can improve soil health, enhance biodiversity, and reduce environmental impacts. These benefits contribute to sustainable agricultural practices that ensure long-term productivity and resilience against climate change.

🇲🇬 Ny Maha-zava-dehibe ny Voly Rakotra Maty

Tena zava-dehibe amin’ny fambolena maharitra ny voly rakotra maty. Manampy amin’ny fitazonana ny hamandoana 💧 ao anaty tany izy ireny, mampihena ny fati-drano ary manome rano ampy ho an’ny zava-maniry. Ankoatra izany, manatsara ny fiasan’ny bibikely mpanamasaka tany 🐛 izy, izay manampy amin’ny fahavokaran’ny tany.
Manampy amin’ny fiarovana ny tany amin’ny fikaon'ny riaka azy 🌱 sy ny fiantraikan’ny "splash" vokatry ny orana ihany koa ny voly rakotra maty. Manamaivana ny fitomboan’ny ahi-dratsy 🌿 izy, ka mampihena ny fampiasana fanafody famonoana ahidratsy. Mampitombo ny fidiran’ny rano amin’ny tany, ka manatsara ny firafitry ny tany ary mampihena ny fikorianan’ny rano eny ambonin’ny tany.
Ankoatra izany, manamora ny fiavian’ny zavamaniry amin’ny alalan’ny famoronana tontolo mety ho an’ny voa amin’ny fahatobiny 🌾. Isan’ny tombontsoa hafa amin’ny voly rakotra maty koa ny fiarovana ny ravin-kazo amin’ny aretina 🍃, satria manome sakana voajanahary amin’ny fihanaky ny aretina izy ireny.

🇫🇷 L'importance des cultures de couverture

Les cultures de couverture jouent un rôle essentiel en agriculture durable. Elles permettent de retenir l'humidité 💧 du sol, réduisant ainsi les pertes d'eau et assurant une bonne hydratation des plantes. Ces cultures favorisent également l'activité des micro-organismes du sol 🐛 qui contribuent à améliorer sa fertilité.
De plus, elles protègent le sol contre l'érosion 🌱 et l'effet de splash provoqué par les gouttes de pluie. Elles constituent une barrière naturelle contre les mauvaises herbes 🌿, réduisant ainsi le recours aux herbicides. En augmentant l'infiltration de l'eau, elles améliorent la structure du sol et limitent le ruissellement.
Par ailleurs, les cultures de couverture facilitent la germination 🌾 en créant des conditions favorables à la croissance des semences. Elles contribuent aussi à protéger les feuilles des plantes 🍃 contre les maladies en servant de bouclier naturel contre les agents pathogènes.




🎋Sady Manja no tena Ilaina. 🌿'Ndao hojerentsika manaraka eto, zava-maniry vitsivitsy , izay mety ampiarahina amin'ny fam...
30/01/2025

🎋Sady Manja no tena Ilaina. 🌿
'Ndao hojerentsika manaraka eto, zava-maniry vitsivitsy , izay mety ampiarahina amin'ny fambolena zaridainam-pianakaviana!!

💧🚜 Un pas de plus vers l'accès à l'eau pour tous ! 🌱💙  En ce début d'année, notre équipe FM3A a mis en place un réservoi...
29/01/2025

💧🚜 Un pas de plus vers l'accès à l'eau pour tous ! 🌱💙

En ce début d'année, notre équipe FM3A a mis en place un réservoir d'eau pour permettre aux associations locales d'irriguer leurs cultures🌾💦 et d'accéder plus facilement à l'eau potable 🚰✨. Grâce à des études du terrain et l'application des bonnes techniques, le forage a été un succès ! 🎉👏

Chez FM3A, nous restons engagés à trouver des solutions durables pour le développement rural 🌍💪. Ensemble, construisons un avenir où l'eau est accessible à tous ! 🤝💦

26/01/2025

Efa tsy vaovao amintsika intsony fa tena ilain'ny zava-manan'aina ny rano. 💧Any ka sahirana isika amin'izany rehefa maina ny andro. 🥵

👉 Indro misy teknika iray nokarohan'ny Ekipa FM3A sy ny mpiara-mombin'antoka aminy mahakasika ny filàn'ny Voly Rano.

🍉 Teto aloha ny "Pastèque" no nanaovana ny fikarohana. 🍉
Anisan'ny Voankazo manana rano betsaka izy , ary tena mety amitsika olombelona ny mihinana azy. 😋

Mijereva finaritra Tompoko .
👇👇👇

✨️Dia mbola mitohy hatrany ny Dia ataon'ny ekipan'ny FM3A. ✨️Tany Morarano Gara , Moramanga indray no nandeha nanatanter...
25/01/2025

✨️Dia mbola mitohy hatrany ny Dia ataon'ny ekipan'ny FM3A. ✨️
Tany Morarano Gara , Moramanga indray no nandeha nanatanteraka ny fivoriana , hamatarana ireo filàna fototry ny Tantsaha any an-toerana.




22/01/2025

Etsy anie hojerentsika ao anatin'ito horonan-tsary fohy ito ny mombamomban'ny Tetik'asa FM3A eh!!
Na koa hoe Fiaraha-monina Maitso manana Amby Ampy sy Afaka.
👇👇👇

Pour se développer, les agriculteurs doivent avoir une vision et des objectifs clairs 🌟. Les agriculteurs travaillant av...
21/01/2025

Pour se développer, les agriculteurs doivent avoir une vision et des objectifs clairs 🌟.
Les agriculteurs travaillant avec FM3A suivent une formation de deux jours sur l'élaboration de stratégies générales pour les années à venir 📅. Ce n'est pas facile, mais... l'association des paysans de Tsarafidy ne se laissent pas faire et ont déclaré : "Tsy maintsy Miavotra, Tsy maintsy Afaka eh".




18/01/2025

Le projet FM3A
prépare une nouvelle phase.
Nouveautés en vue.

18/01/2025

2025
Nouvelle année !
Nouveau départ !

Toy izao ny vokatrin'ny tsy fisian'ny orana eto Madagasikara , inona no ho fiatraikan'izao ? Inona no vaha olana , hiatr...
26/12/2024

Toy izao ny vokatrin'ny tsy fisian'ny orana eto Madagasikara , inona no ho fiatraikan'izao ?
Inona no vaha olana , hiatrehana izay ho vokany ?

🔥𝗠𝗶𝘀𝗲𝗱𝗿𝗮 𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗻𝗼𝗵𝗼 𝗻𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗶𝗮𝗻'𝗻𝘆 #𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 #𝗿𝗮𝗻𝗼. 𝗠𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘆.

©️Joela Rabearitsima

Mirary Noely Sambatra ho anao sy ny ankohonanao !
24/12/2024

Mirary Noely Sambatra ho anao sy ny ankohonanao !

Manolotra fisaorana feno ho anareo rehetra izay nandray anjara sy nanohana ny fanatanterahana ny foara natao teo Ankoron...
23/12/2024

Manolotra fisaorana feno ho anareo rehetra izay nandray anjara sy nanohana ny fanatanterahana ny foara natao teo Ankorondrano izahay. Isaorana manokana ny mpandray anjara rehetra: ireo tantsaha mpikambana, ireo mpanjifa, ary ny mpitsidika.

Tsy hadino ny mpiara-miombon’antoka, ny mpanohana ara-bola, ary ny mpiara-miasa tamin’ny fikarakarana rehetra. Ny ezaka iombonana no nahafahana naneho ny maha-zava-dehibe ny asa fambolena, ny tontolon'ny agroekolojia sy ny ezaka goavana nataon'ireo tantsaha malagasy mpikambana ato amin'ny FM3A.

Manantena izahay fa hitondra fifanakalozana maharitra eo amin’ny mpamboly sy ny mpividy ny hetsika, ary hanampy amin’ny fanatsarana ny toekarena sy ny fiainan'ireo tantsaha eny ambanivohitra.
Nisy ny tsy fahatomombanana nandritra ny foara koa ialana tsiny indrindra , tantsaha vao mihana-mandeha koa raisina ho lesona ary fanitsiana ny hoavy ny lesoka rehetra.

Mankasitraka sy mirary soa hatrany ho anareo rehetra!

Misaotra indrindra!

Androany zoma 20 Desambra folakandro no nanolorana ny marimpakasitrahana ho an'ireo tantsaha sy fikambanana nandray anja...
20/12/2024

Androany zoma 20 Desambra folakandro no nanolorana ny marimpakasitrahana ho an'ireo tantsaha sy fikambanana nandray anjara tamin'ny fifaninana:
- Jaridainam-pianakaviana sy Tafita teto amin'ny foara Ankorondrano izay nokarakain'ny FM3A.
Mirary soa ny mpifaninana rehetra ahavokatra be hatrany.

Ry mpanjifa hajaina !Arakin'ny fangatahanareo dia fifaliana ho anay tantsaha ny mampafantatra anao fa mbola hitohy   Des...
20/12/2024

Ry mpanjifa hajaina !

Arakin'ny fangatahanareo dia fifaliana ho anay tantsaha ny mampafantatra anao fa mbola hitohy Desambra ny foara antsika eto Ankorondrano .

Toerana : eto anelanelan'ny société RANOHISOA sy ny station pétrolière eto Ankorondrano , apitan'ny Equinox .
misy vidimpidirana
Vonona ato ireo vokatra :
- Akoho amam-borona hiatrehana ny fety
-Karazana zanaka hazo fihinamboa
- Masomboly isankarazany
-Bitro matavy
- Lalivay ..
Vonjivonjeo ny vokatra fa mandalo ihany...

20/12/2024
Aza adino fa mbola misy azo jifaina ireo karazana vokatra ao amin'ny foara.Tsy tara ianao raha toa ka hoavy ao rapitso.I...
19/12/2024

Aza adino fa mbola misy azo jifaina ireo karazana vokatra ao amin'ny foara.
Tsy tara ianao raha toa ka hoavy ao rapitso.
Inona avy ireo vokatra mbola azo jifaina ?
- karazana masomboly (Tsaramaso, katsaka,soja, tsaramaso, haricots verts, vary, voanjo, anana ...)
- Ny akohogasy, gisa, vorotsiloza, dokotra,gana,bitro)
-Lalivay
- Zezika kankana
- Olatra masomboly sy Olatra hoanina
- Ireo karazana zanak'hazo fihinamboa
- Lamba Landy
-Ovy fanendy sy fahandro
-Menaka huile essentielle géranium
- Vary tsy misy vato
- Tantely pur
- Pastèque 🍉
- Litchi
- Paiso
- karazana Vonikazo (Anthurium)
- Asa tanana karazany maro
- Atody akohogasy

Vidimpidirana 0ariary

Address

Ambohidrabiby
Antananarivo
101

Telephone

+261383839400

Website

http://fm3a.org/

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FM3A posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to FM3A:

Videos

Share