06/08/2022
Tsiky kely! 😁
Tsis lesona voraiko fa sosotra ah ra za:
Vehivavy iray no niantsena teny amin’ireny grande surface iren, rehef handoa vola iz de tazanle Cassier fa ao anat poketrany nis Telecomande, ka velom-panontaniana izy.
- Angah manarak anao ny télénareo no any amnao n telecommande ??
- An3 ka, sad ts mitondra an’ity foana ah fa tsy net hiantsena miaraka amik ny vadik fa hijery baolina ao an-trano hono, dia noetiko ity ny telecommande.
* Lesona: Ry lehilahy, Mb miarah miantsena amin’ny vadinareo.
Fa mbola mitohy,
Rehefa nohamarinina ny carte de credit an’I Mme dia nobloken’ny vadiny ilay izy ka tsy afaka nandoa ireo entana izy ka avy hatrany dia hoentin’ilay Cassier haverina ireo entana nalainy.
* Lesona: Ry vehivavy, mba avelao ny vadinareo hiala voly
Fa mbola tsy tapitra an,
Avy hatrany dia namoaka carte de credit hafa ilay Mme, hay an’ilay vadiny io fa nalainy antsokosoko tao, sady tsy bloke.
* Lesona: Mailo mialohan’ny lahy foana ny vavy
Saingy mbola mitohy ihany
Rehefa nampiasaina ilay carte dia nisy hafatra nipoitra teo amin’ilay milina: “Ampidiro ny kaody nalefa any amin’ny findainao”
* Lesona: Hain’ny lehilahy foana ny miaro ny fananany
Tohiny,
Nitsiky ilay vehivavy fa nisy ni-vibre tao anaty paoketrany, navoakany moramora ny findain’ilay vadiny naharay hafatra mahakasika ilay Kaody. Noentiny niaraka tamin’ilay telecommande mantsy izy io mba tsy hanadalan’ny vadiny azy rehefa miantsena. Ka afaka nadoa soa aman-tsara ireo entana novidiany izy
* Lesona: Voavonjin’ny tsindrimandriny foana ny vehivavy
Farany,
Falifaly ravehivavy nody nahazo izay tiany rehetra sady mbola ny volam-badiny no nandoavana azy. Tonga tao an-trano, nisy soratra nipetaka teo amin’ny varavarana: “Tsy hitako ny telecommande ka lasa aty amin’ny bandy akamako za no mijery baolina sady mirevirevy kely, antsoy amin’ny findaiko aho rehefa tonga ianao fa noentiko ny lakile-trano”
* Lesona: arakaraka ny hifehazanao ny vadinao vao maika ahitan lalana mporitsaka!
Source: Anja Tiana