Commune Rurale Analavory ITASY

Commune Rurale Analavory ITASY Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Commune Rurale Analavory ITASY, News & Media Website, ANALAVORY, Analavory, Antananarivo.

11/03/2023
05/03/2023
Ny sabotsin'ny Ben'ny Tanànan'Analavory Rivo NAMBININA.Tena feno dia feno : 1-Fitsidihina ny fikarakarana ny kianja mait...
05/03/2023

Ny sabotsin'ny Ben'ny Tanànan'Analavory Rivo NAMBININA.
Tena feno dia feno :
1-Fitsidihina ny fikarakarana ny kianja maitso,
2-fiaingana sy fanolorana fanamiana FFCA Analavory,
3-Fambolen-kazo tany Bekitoza Ankorondrano,
4-Fivoriam-pokonolona Ambatomitsangana,
5-Fanolorana Maillot hoan'ny club fokontany Ambatomitsangana,
6-Fitsidihina CEG Analavory,
7-Fambolen-kazo sy voninkazo CEG Analavory,
8-Havoriana tany Bengitsy Analavory,
9- Fifampiarabana tratry ny taona fokontany Analavory.

VAOVAO MOMBAN'NY RIVODOZA Amin'izao fotoana anoratana izao dia miha mahazo vahana ny fitombon'ny herin'ny rivodoza   => ...
05/03/2023

VAOVAO MOMBAN'NY RIVODOZA
Amin'izao fotoana anoratana izao dia miha mahazo vahana ny fitombon'ny herin'ny rivodoza
=> Mahatratra hatrany amin'ny 95km/h ny rivotra mafy indrindra manodidina ny masony.
=> Ny rivotra amin'ankapobeany dia manodidina 75km/h.

-> Hitombo hery androany antoandro manomboka amin'ny 12 atoandro eo ho eo izy no mety hanomboka ahatratra ny stade . Amin'io fotoana io izy dia mety manodidina ny 195km any andrefana mifanitsy amin'ny morontsirak'i ,

Mivelatra be atrany AMPIVOTANY sy BOENY ny andro ratsy oentin'ity rivodoza ity
Etsy andaniny, hihaodihaody ao anatin'ny faritra 70km eo ho eo izy any andranomasina. Rehefa hanakaiky an'i TULEAR eo ho eo amin'ny 150km eo ho eo.

Manomboka androany eo ho eo amin'ny 12:00 eo izy no hanakaiky an'i TULEAR hihaodihaodiany io. Ary tsy hikisaka ao izy raha tsy amin'ny tolakandro. Ary eo anelanelan'ny Talata 07 mars 2023 tolakandro io ka hatramin'ny tolakandro dia mety eo ho eo amin'ny 170km eo ho eo fotsiny ny fikisahana mety ho vitany. Satria hanodidina ny 05km/h ka hatramin'ny 08km/h eo ho eo ny fikisahany.

NY METY HISIAN'NY FIVERENANA FANINTELONY HATAON'ITY RIVODOZA ITY amin'ny rehefa avy hanalavitra an'i Madagasikarika.

Source: JTWC,GFS,CYCLONEOI,METEOI,WINDY,CYCLONE EXTREME,METEO FRANCE

28/02/2023

Aza adino amin'ny Alahady 5 mars ho avy izao.
Final lehibe.

Nanatanteraka fivoriana lehibe ny teo anivon'ny Commune Rurale Analavory sy ireo Hotel lehibe misy ato amin'ny commune A...
27/02/2023

Nanatanteraka fivoriana lehibe ny teo anivon'ny Commune Rurale Analavory sy ireo Hotel lehibe misy ato amin'ny commune Analavory.
Dinika entina handaminana ny fiaraha-miasa entina hampandrosoana ny commune no natao teto.Tsapa mantsy fa anisan'ny manana Hotel lehibe maro ny Commune Analavory ary tena mitondra fandrosoana tokoa raha ny lafiny fizahan-tany no resahana.Nivohitra teto ireo tetika sy paika rehetra entina hampiroborobona ny fidiram-bolan'ireo Hotel misy ato amin'ny commune Analavory mba hisy fiatrikany amin'ny fandrosoan'ny commune izay tena imatimatesan'ireo mpitondra ankehitriny.
Ny ben'ny tanana araka izany no nitarika ny fivoriana izay
notronin'ireo mpiara-miasa aminy ary etsy an-daniny kosa ireo tompona- Hotel lehibe rehetra.
Izao dinika izao moa no natao dia ho tombotsoan'ny rehetra satria Analavory mandroso no tanjona.

Arabaina ireto ekipa roa ireto anio fa tafavoaka hiady ny lalao famaranana amin'ny Alahady 5 mars ho avy izao ao amin'ny...
26/02/2023

Arabaina ireto ekipa roa ireto anio fa tafavoaka hiady ny lalao famaranana amin'ny Alahady 5 mars ho avy izao ao amin'ny kianja maitson'Analavory.
"MATCH DE DEFI" io ka tena hiady tokoa.
Ny FCT tsy hanaiky resy ary ny JAMAIC hanala vela farany teo.
Koa tongava maro ary fa hatao amin'io koa ny FINAL VEHIVAVY sokajy Maman.
Ny lalao dia karakarain'ny fikambanam-behivavy FANAMBINANTSOA ANALAVORY ary eo ambany fiahian'ny commune analavory izay tarihin'Andriamatoa Ben'ny tanana Analavory.

Misesilany ankehitriny ny fiarabana nahatratra ny taona  ataon'ireo fikambanam-behivavy ato amin'ny commune Analavory.Sa...
26/02/2023

Misesilany ankehitriny ny fiarabana nahatratra ny taona ataon'ireo fikambanam-behivavy ato amin'ny commune Analavory.Satria tokoa efa antomotra ny 8 mars izay anisan'ny fankalazana ny andron'ny vehivavy.
Anio 26 febroary ary dia nanatanteraka izany ny fikambanam-behivavy MIARA-DIA eto Andrarahasy Mandrevo.Miisa 30 vavy izy ireo ankehitriny ary niorina tamin'ny 8 mars 2022 izy ireo saingy anio kosa vao natolotra teto ny taratasy maha-fikambanana mijoro ara-dalana azy ireo.Niara nifaly tamin'izy ireo teto ny Ben'ny tanàna Rivo Nambinina ary nitondra fanampiana ho azy ireo.
Dia mirary soa ho azy ireo isika mba havitrika amin'ireo tanjona marobe izay kasainy.

22/09/2022

VAOVAO ARA-PANATANJAHANTENA
FANOLORANA MAILLOT COMPLET HOAN'NY CLUB FCI AVY AO IMAZY
ANALAVORY

20/09/2022

News & media website

20/09/2022

MANASA ANAO HANARAKA TSY TAPAKA NY PAGE COMMUNE RURALE ANALAVORY

News & media website

20/09/2022

VAOVAO ARA-PINOANA TETO ANALAVORY

20/09/2022

MIARAHABA ANTSIKA TONGASOA ATO AMIN'NY PAGE COMMUNE RURALE ANALAVORY ITASY

Ny isan-keritaona teny amin'ny fiangonana FTFM Analavory
20/09/2022

Ny isan-keritaona teny amin'ny fiangonana FTFM Analavory

Address

ANALAVORY, Analavory
Antananarivo
117

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Rurale Analavory ITASY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share