22/02/2024
I celine Dion mou efa retabli amzao fa iresaka kely tamin'iza le narary iny isika, misy lesona azo tsoahina. Samy niaraha nahita isika fa taorinan'ny vadiny maty dia niasarotra be ny fahasalamany. Tsy izy irery fa betsaka no sendran'izany ary raha misy zavatra mafy indrindra eto an-tany dia ny fahafatesana.
Toa tsy mino hoe lasa ilay akaiky, nisy hirany zay mintsy aza hoe, Je ne vous oublie pas non jamais, sady natao hira moa no mety efa zay no ao antsaina sy tafiditra ao am-po ka sarotra amin'ny saina no hanadino. Tout ce que je fais, dans ma vie hoy ilay tononkira dia ianao avokoa no teo .
Ka ny tiana ambara dia ho ento amin'ny làla marina koa ilay fotom-pisainana e, mila mahay mandamina, marina fa mafy fa tadidio fa izay ilay làlam-piainana, mety ho enao, mety ny eo akaiky anao, mety tsy ampoizinao dia lasa vetivety eo.
Izay ilay ataon'ny vazaha hoe en deuil, mila maka saina kely mieritreritra, mahatsiaro farany, misento kely. Ka eo indrindra koa no tokony handamin-tsaina farany fa mbola hihatrika fiainana indray.
Tsisy nino koa ne hoe ny Tompo ho faty e. Mafy zany kanefa tsy maintsy lalovana le fiainana. Ianao ihany dia afaka mibaiko ny fiainana izay tinao hampidirina, izay no nahatonga le hoe: ny finoanao no nahavonjy anao, satria arakarak'izay hetahetanao, fanirianao, zavatra tinao ho tonga eo amin'ny fiainanao, fa mila koa manana prediction fa misy zavatra tsy ampoizina. Le saina mila manaiky. Fa raha vao tsy manaiky io de izay le mampalasa adala mintsy.
Fa raha i celine Dion aloha dia mety nahay nanamboatra saina tao ihany izy fa mafy tena mafy ny nahazo azy aloha.
Celine Dion - Vole (Audio officiel)Écoutez sur Spotify: http://smarturl.it/Celine_Spotify_FR Écoutez sur Apple Music: http://smarturl.it/Celine_AM_FR Amazo...