Pit' kafatra

Pit' kafatra Information - réalité - vérité biblique - message - Investigation - analyse

I celine Dion mou efa retabli amzao fa iresaka kely tamin'iza le narary iny isika, misy lesona azo tsoahina. Samy niarah...
22/02/2024

I celine Dion mou efa retabli amzao fa iresaka kely tamin'iza le narary iny isika, misy lesona azo tsoahina. Samy niaraha nahita isika fa taorinan'ny vadiny maty dia niasarotra be ny fahasalamany. Tsy izy irery fa betsaka no sendran'izany ary raha misy zavatra mafy indrindra eto an-tany dia ny fahafatesana.
Toa tsy mino hoe lasa ilay akaiky, nisy hirany zay mintsy aza hoe, Je ne vous oublie pas non jamais, sady natao hira moa no mety efa zay no ao antsaina sy tafiditra ao am-po ka sarotra amin'ny saina no hanadino. Tout ce que je fais, dans ma vie hoy ilay tononkira dia ianao avokoa no teo .

Ka ny tiana ambara dia ho ento amin'ny làla marina koa ilay fotom-pisainana e, mila mahay mandamina, marina fa mafy fa tadidio fa izay ilay làlam-piainana, mety ho enao, mety ny eo akaiky anao, mety tsy ampoizinao dia lasa vetivety eo.
Izay ilay ataon'ny vazaha hoe en deuil, mila maka saina kely mieritreritra, mahatsiaro farany, misento kely. Ka eo indrindra koa no tokony handamin-tsaina farany fa mbola hihatrika fiainana indray.

Tsisy nino koa ne hoe ny Tompo ho faty e. Mafy zany kanefa tsy maintsy lalovana le fiainana. Ianao ihany dia afaka mibaiko ny fiainana izay tinao hampidirina, izay no nahatonga le hoe: ny finoanao no nahavonjy anao, satria arakarak'izay hetahetanao, fanirianao, zavatra tinao ho tonga eo amin'ny fiainanao, fa mila koa manana prediction fa misy zavatra tsy ampoizina. Le saina mila manaiky. Fa raha vao tsy manaiky io de izay le mampalasa adala mintsy.

Fa raha i celine Dion aloha dia mety nahay nanamboatra saina tao ihany izy fa mafy tena mafy ny nahazo azy aloha.

Celine Dion - Vole (Audio officiel)Écoutez sur Spotify: http://smarturl.it/Celine_Spotify_FR Écoutez sur Apple Music: http://smarturl.it/Celine_AM_FR Amazo...

Mitandrema isika   vehivavy fotsiny ireny de lasa mitsaoka na hoe vita vita ho azy fotsiny rehefa vita ny atao sns... Hi...
20/02/2024

Mitandrema isika vehivavy fotsiny ireny de lasa mitsaoka na hoe vita vita ho azy fotsiny rehefa vita ny atao sns... Hitantsika io tenin'Andriamanitra io fa tsisy zavatra mandehandeha ho azy zany eto amin'ity tany ity.
Efa napetrak'Andriamanitra fa raha misy miaraka amin'ny vehivavy madio dia ianao nandoto azy voalohany iny no tsy maintsy lasa ho vadiny ary tsy afaka misaraka aminy intsony ianao mandrapahafaty.
Betsaka manko no diso hevitra hoe olona be dia be manerantany manao izany tsisy olana, ny fitsaran'ny lanitra tompoko mbola ao, ary rehefa miala ety ianao vao handray ny valin'asa fa afaka ataonao izay tinao, fa raha ny marina tsy izay tinao no tokony ataonao satria na ny mamorona anao aza tsy hainao raha tsy teo Andriamanitra.

Ka isika izay mety tenin'ny tenin'Andriamanitra dia tokony ahalala izany fa na hivavaka be tahaka ny inona aza ianao ny teny mipetraka foana, fa na tena mpanompon'Andriamanitra Avo indrindra aza i Mosesy, rehefa nisy tenin'Andriamanitra tay notanterahiny dia tadidin'Andriamanitra dia maty Mosesy fa tsy afaka hiaraka amin'ny Isiraely hatrany Kanana, na dia Mpanjakan'Isiraely aza Saoly rehefa tsy nanaraka izay tenin'Andriamanitra dia noesorina taminy ny fanjakany, lasa adala nidiran'ny devoly ary ny hafarqny namono tena..be dia be fa aleo aza ny tsara rehefa nanota ianao dia mba tonga saina diq tsy mitsaoka fa mibaby ny vokany, raha nabevoka olona ianao, aza mitsaoka. Iny anie velony ilay vehivavy foana e fa ny tantaram-piainanao tsy mihafina fa mbola hivoaka toy ny film jerenao io amin'ny fotoana hialanao ety.

Na hitsaoka.ho any frantsa aza ianao, i Jona nitsaoka nandeha.sambo rehefa tsy nanaiky ny tenin'Andriamanitra indray mandeha fa inona mo nahazo azy? nisy olana ny sambo nitondra azy ary ny niafarany lasa tany anaty hazan-drano lehibe.

Na hibebaka aza, tsy hainao angaha fa i Davida nibebaka rehefa avy nangalatra natory tamin'i Batseba vadin'olona? Nifona izy mba tsy ho faty ny zanany, nefa maty ihany ilay zaza niarahany tamin'i Batseba.

Ka androany dieny mbola misy mampita ny hafatra aminao, mba tongava saina farafaharatsiny, manana adidy ianao ary tandremo ho an'ny rehetra. Fa ny fitsaran'ny lanitra tsy misangy. Ety ihany enao dia mahita signe ratsy eo amin'ny fiainanao: harena anaty lonilony, fitiavana anaty romoromo, tokantrano anaty tsy filaminana sns... dia mba tongava saina fa signe ireny tokony hamahanao aingana ny olona eo amin'ny fiainanao, fa tsy enao ndray avy eo no andeha hamohy fo, vao maika loza, i Jodasy sady efa namadika ny Tompo tamin'ny resaka vola fa nohon'ny maty ny Tompo inona no nataony? namono tena ary tsisy fiadanana ho azy akory ilay vola satria nanenina avy eo. Diniho re olona a.

Isika eto sady tanora no tsy misorona fa tonga de mahintsy amin'le fahamarinana tonga de mampiakatra velona any an-danitra fa tsy sanatria hanafosafo - Aza adino mi-abonnez ny page raha ilain'ny fanahinao

Iresaka   kely isika. Tsy sanatria hitsara na hi_critique vie privé an'olona fa hangalatsika ohatra ary ho velabelarints...
20/02/2024

Iresaka kely isika. Tsy sanatria hitsara na hi_critique vie privé an'olona fa hangalatsika ohatra ary ho velabelarintsika. Tsy iza ireto amin'ny sary ireto fa i Johnny Hallyday sy i Sylvie Vartan, efa nivady fony mbola tanora izy roa ireto ary raha mijery ny sary ianao dia mahita fa toa beau couple, mahafinaritra ery ny mahita olon-droa mifankatia.
Ny zava-nisy nefa nisaraka izy roa ireto taty aoriana izay efa niteraka iray moa dia tsy iza fa i David Hallyday. Aveo moa samy nanambady izy roa, ary io sary farany io concert niarahan'izy roa faraparany mialohan'ny nahafatesan'i Johnny, Sylvie mbola velona. Hita tao anatin'io seho io fa mbola misy ihany ny sentiment kely hoe ity ilay vadiko taloha. Tsy idirako ny anton'ny fisarahana sy ny pitsopitsony. Za koa tsy afaka haka ny toeran'Andriamanitra fa Izy no tena mahalala ny fiainan'ny tsirairay.

Ny mampalaelo fotsiny dia maninona ny fiainan'ny olona iray no miafara amin'izay zavatra izay? Maro be, isika mahalala . Na Andriamanitra aza tena mankasitraka ny tena madio ary aminy.Ary tsy tia fampisarahana mihintsy izy. Raha ny tena tiany aza samy virijiny ny mpivady. Fa iza ilay mpampisaraka? Io ilay ratsy io, ny devoly izany manao .
Ka ny tiana hampitaina, mitandrema isika rehetra izay ao anatin'io fitiavana io. Alohan'ny hitiavana olona iray, tadidio fa:

1)Ny tompon'ny fitiavana dia Andriamanitra, mila fitiavana madio tsy hananan-tsiny aloha

2)Saino mialoha fa tsy maintsy misy foana ny mety ho olana tampoka, dia ny vaha olana no tokony tadiavina mialoha fa tsy maha*oa ny fifamaliana, fanomezan-tsiny. Ny hiafarany manko tsy maintsy hisy zavatra hitranga eo.

3)Ny ao an-doha dia tokony ny hanavotana ny fiarahana foana na inona na inona olana ary tsy vaha olana ny andeha ijery olona hafa indray.

Raha ny tian'Andriamanitra dia madio nivady ny olona roa, niteraka mampitombo taranaka mahafinaritra, miadana ety, ary rehefa hiala ety dia hamonjy ilay paradisa.

4) Raha mijery tantara anaty baiboly enao dia mahita foana resaka taranaka, ny taranaka tsara source dia ho tsara fiafara foana. ka mialohan'ny hivady koa dia miezaha mametraka toe tsaina hoe tokantrano milamina, tsisy gidragidra sns...

5) Ary farany nefa tsy kely, hapetraho eo am-pelatanan'Andriamanitra ny fianam-pitiavana ary manaova ny sitrapony.

Matetika ny olona manana projet tsara hananganana ny fiainany fa tsy mety tanteraka foana, rava foana satria satana mbola manana fahefana, ny fahazoanao ilay fahefana nefa dia ny fanaovanao ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany, ianao indray aza no hatahoran'ny devoly ka tsy ho sahy hikitika anao izy. Ataovy mafy fiarovana ilay tokantrano. Fa ny olona itanao rehetra io mivavaka daholo ka nefa mbola misy ihany ny . Fa ny devoly izay no role-ny ety, hanasaraka izay nampitambaran'Andriamanitra, fa ny devoly tsy tafiditra raha tsy misy irika ao, indraindray rehefa avy mifamaly ohatra anareo dia mifampiataka kely dia misy mandraindray alcool sns, azo atao ny maka saina kely fa aza hela miverina ary aza manaonao foana, aza asiana lolom-po, valifaty fankahalana, misy manopa mintsy, tandremo ny vava fa hirika idirany daholo zany. Metetika vavanao hitazoman'ny devoly anao ary hamatorany anao. Satria izy tsy mahalala ny ao am-ponao. Nefa ianao mamoaka izay saim-patanao fotsiny, hainy ny limitenao sns, ary hainy ny milalao sy mitondra anao.

Farany ny tsy fantan'ny olona dia hotsaraina ny fiainan'ny mpivady manokana rehefa miala ety izy. Ary raha ray tsy mahavita mamelona sy tsy mikarakara ny ankohonany dia ho mafimafy. Ary raha fisarahana tsy misy antony loatra dia tsy heken'Andriamanitra, my voa*oratra dia raha sanatria mampirafy ilay vady dia afaka sarahina fa tsy azo solosoloina fotsiny comme ca. Ary mbola misy hoe raha tsy efa maty ilay vadinao izay nosarahanao vao afaka manambady indray enao.
Nen'Andriamanitra ny ecriture, ny lalàna mipetraka foana fa hasakasaky ny tsirairay foana. Fa raha mba matahotra fitsaràn'ny lanitra ihany isika dia diniho tsara izany, efa nomeko teto daholo ny verset biblique mikasika izany.
Samy hotsaraina amin'ny asany ny tsirairay, père no role-nao tety? mère? manahoana ny niafaran'ny les enfanta anareo? Tsy mandeha ho azy io ry havana

Ahoana no ahalalanao fa tena 💞tia anao ny olona iraySamy manana définition ny   angamba ny olona rehetra fa raha nisy ho...
15/02/2024

Ahoana no ahalalanao fa tena 💞tia anao ny olona iray
Samy manana définition ny angamba ny olona rehetra fa raha nisy hoe fetin'ny mpifankatia, tokony hazavaina hoe mpifankatia marina amin'ny fitiavana sa amin'ny fanararaotana? fijangajangana? fampirafesana?Sa manao ny olona dia manao koa?Dia potehana daholo ny vatana, navtsisy partenaire aza dia mamorona fotsiny.

Samy mandinika ny toerana misy ny tsirairay fa hazavaiko raha ny fitiavana noeritreretan'Andriamanitra ny olona ety ambonin'ny tany, tsy hanazava baiboly lava be aho fa ataoko point par point:

🔸Ny olona mpifankatia aloha dia olona mpivady vita mariage, izay no fahamarinana fa kilalao ny ambony, tsy fahamatorana, izay a*o lazaina hoe fijangajangana daholo satria hor mariage. mialatsiny.

🔸 Ny olona mifankatia dia mifampizara, mifanohana, mifandefitra, mifanaja, misy zavatra iraisana manokana

🔸Ny fanomezana cadeau haseho ny olon-tinao ho atao hitan'ny olona tsy manaporofo fa tena tia azy enao, lasa fisehosehoana sy fifaninanana izy ty. Ary lasa resaka vola no manjaka, mampalaelo. Ataovy tsapan'ny olona miaraka aminao fa manaja azy enao, tsara toetra tsara fo tsara saina aminy enao, tsy ampijalianao izy, tsy hampirafesinao izy, tsy manao izay mampalaelo azy ianao, ireo no tokony ho hitan'ny olona aminao voalohany.
Fa raha iditra resa bola indray anie mbola hafa ndray e, moa ve ny vola nividiananao zavatra ho azy tena nataony sacrifice sa nanam-bola be izy dia nalefany ny hapahany?Ankoatran'ny vola izay hiraisanareo ao an-tokantrano ve de nahita vola hafa izy izay tsy nampoizinao fa vita ny nanolotra azy ho anao irery?Mbola hazo idirana daholo izany raha harena sy fananana no hifampiderana eto. Fa tsy olana na homenao azy aza ny fanananao rehetra, fa ny tena fitiavana dia ilay nololazain'i Kristy e, ny ainy ho an'ny sakaizany, midika zavatra be dia be izany, mialatsiny amin'ny fomba fiteny fa tsy ny vola ihany fa tokony hanao ny moyen rehetra ianao hitiavana io vadinao io, manaja azy na amin'ny fiteny, amin'ny fiainana rehetra mintsy e. azonao ngamba ny tiko tenena, ianao mahalala azy ao.

🔸 Mety hanimba zavatra ireny fampiderana fanomezana ireny ho an'ny olona tsy mahay mandray sy ny olona tsy mahalala ny sens ny fitiavana fa raha tsy mahavoavidy zavatra ho an'ny olon-tinao izany enao dia midika fa tsy tia azy, diso be, tsy manakiana aho na manakana na iza na iza amin'izay tianay atao sy hifanomezany fa manazava ho an'ny olona kosa ny làlana tokony ho alehany sao ho betsaka no hovoafitaka.

🔸 Ny fitiavana tsy azo tambazana zavatra, betsaka ny efa millionnaire ny multimilliaridaire fa mbola misara bady, tsy mahazo fahafinaretana amin'ny olon-tiany fa mbola mandeha any am-badika nefa inona no tsy hananany?

Tsotra ny hamaranako azy, raha tena tiabny olon-tinao enao? izy amin'ny lafiny rehetra, ambony izany fahafoizana sy fanomezana izany. Izay rahankizy malala o. Fa na mbola tanora aza ianareo, ka mahay manaja ny tenanao izany dia hainao ny manaja ny hafa.

08/02/2024

Dans un entretien publié ce jeudi dans un hebdomadaire catholique italien, le pape François a de nouveau évoqué la bénédiction des couples homosexuels hors liturgie ➡ https://l.cnews.fr/f6e9da

21/12/2023

Misy hafatra lehibe kosa nomen'ity vehivavy ity, talohan'ny nahafatesany. RIP

Mba fantatsika moa fa manana heviny 3 ity teny ity?1) Tsy azo atao raha lahy samy lahy no andeha hifankatia na hiara hat...
20/12/2023

Mba fantatsika moa fa manana heviny 3 ity teny ity?
1) Tsy azo atao raha lahy samy lahy no andeha hifankatia na hiara hatory tahaka ny mpifankatia
2) Toy izany koa tsy mety raha vavy samy vavy no hiaraka tahaka ny mpifankatia

3) Tsy mety ihany koa raha ianao samy irery no hitia ny tenanao ka sanatria hanafosafo ny tenanao samy irery ao. Ny lahy ihany no natokana hitia ny vavy ary toy izany koa ny vavy, ny lahy ihany.
Ikor7:4
“ Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy. ”

De mety hoy indray isika, raha tsisy mitia na tsisy olona miaraka na tsy eo ny vady de hampirafy zany? sa haka plaisir en solo indray? Efa voalaza fa tsara ny mitoetra tsy manambady kanefa raha tsy maharitra dia aoka hanambady ihany, lahy sy vavy ihany no voa*oratra ao amin'ny fanambadiana (Ikor7)

Fa ny mahagaga, teo ihany ireo teny ireo, nalefa teto ihany fa tsy nisy rotitra raha tsy izao, ary ny tena mahatsikaiky, betsaka ny milaza fa tsy mila lalàna tamin'ny testamenta taloha intsony nefa be dia be no mandefa sy maka io teny ao amin'ny levitikosy io amizao, de sangisangy ny ahy ty ary ahoana ny lalàna momba ny ? (deo11:7)(lev11:7)
Sa taloha Andriamanitra niteny hoe aza mihinana dia ankehitriny aty, afaka mihinana indray? Tsy tahaka izany ve moa io zavatra mitranga amizao io? Aza mandry ny lahy amin'ny lahy, vavy samy vavy efa tamin'ny andron'ny Levitikosy ary efa nisy fandravana an'i Sodoma sy gomora mintsy aza dia ankehitriny indray ve afaka atao? Hoy iza? Andriamanitra ve? Fa Andriamanitra tahaka ny ahoana no fiheverantsika Azy io?

Rehefa inona no ilaintsika ny lalàna e? Aza atao izay mety amintsika fa izay ankasitrahan'Andriamanitra.
Hajao ny tenin'Andriamanitra voalaza rehetra fa ao ihany no misy ny fahamarinana entina mampandroso ny fiainatsika. De aza miaolakolaka intsony rehefa ny lanitra no tanjonao dia haraho aza atao misy latsaka ny lalam-panorenana voalaza rehetra ao.

Mazava ngamba io teny vazaha, vaovao avy any ivelany io a. (tso-drano ivelan'ny mariage)ny tsy azoko amin'ty resaka ity,...
20/12/2023

Mazava ngamba io teny vazaha, vaovao avy any ivelany io a. (tso-drano ivelan'ny mariage)ny tsy azoko amin'ty resaka ity, hafa ilay fanazavana hitondran'ny malagasy sasany azy. Efa io hoe benir les couples de même sexe. Dia aleo tsy discutena be. Misy manko milaza hoe ny tsirairay no afaka manantona ny pretra. Anjaran'ny tsirairay no mandinika.

Fa na any anaty film sy dessin animé rehetra any amizao dia efa feno an'io, zany hoe vohizina tsikelikely anaty sain'olona le izy. De amizay mora kokoa ny hanaiky an'io amin'ny farany.

Io moa efa mizotra isika ho any Jerosalema ny lalantsika e. Tsy efa fantan'ny tsirairay ve ilay làlana mankany e? Matoa io malaza, signe iray izany fa efa antomotra ny Tompo e.

Ka manahoana ny fiomanantsika ao? sa variana mifampitsikera sy mifanompa fotsiny ao? Tsisy ahazo tombotsoa amin'io ane e.
Ny ara-drazana sy ny mpitana fomba malagasy indray no manararaotra ary. Toneo ny fo fa efa voa*oratra ny zava-drehetra e. Efa niharitra isika hatramin'izay dia efa ampotomoto aty ve de hovotsorintsika ilay zavatra nofinkirintsika hatramin'izay? Ireo izay tsy mbola votom-pinoána tsara, fotoana fiverenana izao tompoko.

Manentana antsika koa mba hifanaja fa ny ray aman-dreny mendrika hajaina foana na iza na iza na inona zava-misy. Averiko foana: “ Fa mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah". ” (joda1:9)

Manintsy foana ary na manana ny marina aza isika tokony manana ny toetra mampiavaka antsika foana.

Tsy hita ony ity fiara ity. Mba arahina kely ny vaovao mikasika ity. Fa misy antony matoa resaka fiara indray no sera ma...
10/12/2023

Tsy hita ony ity fiara ity. Mba arahina kely ny vaovao mikasika ity. Fa misy antony matoa resaka fiara indray no sera mandeha.

10/12/2023

Tsy ny mamono olona ihany no atao hoe mpamono fa fomba fiteny koany
-mamono vorona
-mamono afo
-mamono fofona
-mamono biby tsy nahafaty
-mamono lolo
-mamono sofina ...
Tohizo ze mbola mahita

09/12/2023

Nodimandry omaly alina ny mpanakanto #Black_Jack, araka ny voalazan’ny zanany Mikael, izahay eto amin’ny #Pit_kafatra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany, ity misy sombin-kira anisany nandraisany anjara, zaraina am-pitiavana #finaritra_ny_fo

Asa na tadidintsika le publication-ko ty. Raha mafy amintsika ny vidin#kena varotana eny an-tsena dia azo atao ny tsy mi...
05/12/2023

Asa na tadidintsika le publication-ko ty. Raha mafy amintsika ny vidin#kena varotana eny an-tsena dia azo atao ny tsy mihinan-kena. Sady mahasalama antsika izany no mampahazo aina ny fanahintsika koa.

Rehefa mihena ny mpividy hena dia mihena ho azy eo ny vidin-javatra, fa arakaraky ny ilavan’olona azy no mampiakatra azy.
Betsaka moa ny tafintohina tamin’iny zavatra nolazaiko iny fa io safidy e. Conseil ny ahy. Ze mahazaka ny vidiny aza mimenomenona.

Izany no atao hoe ady mangina, fa tsy voatery hitabataba foana isika rehefa misy zavatra. Aza hasarotina le fiainana.

23/11/2023

Nous pratiquons la politique de Dieu mais non pas la politique des hommes
c'est clair

Mba misy fanazavana kely mikasika ny publication izay misy mivohy amizao.Mirary fiononana ho an'ny fianakavian'i Ninie a...
20/11/2023

Mba misy fanazavana kely mikasika ny publication izay misy mivohy amizao.
Mirary fiononana ho an'ny fianakavian'i Ninie aloha.
Io publication nalefan'i Samoela teo amin'ny pejiny vao 1 jour zay fa capture d'écran no nataon'ny olona azy dia normal, afaka misy manova am photoshop iny 1 jour iny avadika 3 novembre.
Raha nanao partage le olona vao ekeko hoe ny facebook tsy diso daty sy lera izany.
Ka azoko porofoana fa tsy mitombona ny filazana fa efa tamin'ny 3 novembre i samoela no niteny io sady en plus mitovy be tsisy diso le teny rehetra nataon'i Samoela tanatin'io publication io, tsy azo inoana fa ny olona koa tsy mba manao recoupement vao miteny.

ze mila porofo, midira amin'iopagen'i samoela nozaraikoio, fa natao copie coller tao io de novaina ny date, aza mora mikorontana isika. Inoako ny zavatra lazaiko na mbola hanontany an'i samoela aza ianareo, efa nomeko io, ny ahy io tsy capture fa pub tao am page ny samoela mintsy. Rehefa zava-marina kosa de hijoroana.

Proposition ty anah ty. Maninona moa ny filoha izay mitondra ny Madagasikara eto raha mba misy #conseiller_ara_panahy, n...
13/11/2023

Proposition ty anah ty. Maninona moa ny filoha izay mitondra ny Madagasikara eto raha mba misy #conseiller_ara_panahy, ny tiko lazaina tahaka ny andro taloha, i Davida raha nitondra fanjakana dia nisy an'i Natana mpaminany (IIsam7:2) mpitondra hafatr'Andriamanitra tamin'i Davida.

Marina fa voafidy i Davida a, fa kosa misy antony matoa izy tsy nitenenan'Andriamanitra mivantana. Ary tsara raha manana an'izay ny filoha rehetra izay te hitondra firenena, ary samy mihaino ny feony ny azy ny tsirairay avy fa tsy rehefa misy ilana ray aman-dreny ara-panahy vao antsoina hampihavana.
Andriamanitra aza rehefa nametraka olona taloha dia mpitsara no napetrany. Ka inona no olana? Ny fomba fitsarana eto anie banjino fa tsy mifanalavitra ny baiboly, mahavoasazy ny manao, Diffamation, manopa olona, ny lainga, ny halatra, ny vono olona ...sns didy 10 reo tompoko.

De mety ozy ndray isika hoe, ny mpitondra fivavahana zany ve lasa hanao politika? Misy decision ilaina fahendrena foana tompoko. Raha tsy mihaino indray ilay filoha dia efa nisy toy izany anie tamizany e, hoe inona no vokany, ilay mpaminany tsy afaka ny hanao inona azy fa hiaraha mahita eo. Mba misy antoka kely na garantie kokoa ny antony ilazako izany.

Ary ny hitako nahadiso antsika hatramizay dia tsy nijery io côté io mihintsy nefa ilay filoha anie mivavaka ao amin'ilay fiangonana ihany e, ka inona no olana? Ovaina ny Laicité raha izay no mahavaha olana. Ny fivavahana tompoko tsy any am-piangonana ihany fa amin'izay rehetra ataonao dia tokony hiseho ny maha mpino anao. Proposition ny anah, sao dia mba tokony fotoanany izao raha te hanatsara kokoa ny avenir an' i Madagasikaratsika isika.

Mitsikafona indray ty resaka #mpanakanto rehetraretra ty. Zao ry namana mpihira. Zava-kanto io zavatra ataonareo io a. A...
08/11/2023

Mitsikafona indray ty resaka #mpanakanto rehetraretra ty. Zao ry namana mpihira. Zava-kanto io zavatra ataonareo io a. Ankoatrizay amiko ny mozika tokony manabe. Ny zava-misy nefa toa resaka maloto mihafina any ambadika any indray no itan'ny olona fa tsy ilay hira na tononkira hijoroana. Eo ihany koa moa mety samy manana ny fanabeazany.

Na inona na inona évènement eto amin'ny firenena dia tokony mipetraka foana ny personalité ny tsirairay. Fa tsy hoe miova araka ny évènement ny zavatra ataotsika. Lasa mitovy tahaka ny mpanao politika isika raha izany.

Ny tena olana manko, le toetra hasehotsika ivelany lasa manimba ny image ny maha artiste antsika. Satria amiko ny artiste, fitaratra, misongadina. Raha miteny zao ohatra enao anaty tononkiranao hoe: tsy mety ny manopa, manajà vady ...sns nefa enao tratra nanopa na tratra nampirafy de lasa mihirahira fahatany isika, tsy hiainatsika le foto-kevitra hijoroantsika.

Fa ny mpanaraka ny artiste dia misy foana, na de tahaka ny ahoana toetrany na ahoana, misy ndray mihaina anle tononkira ary miombon-kevitra amle hafatra voizina. Fa amiko ny vrai artiste, tsy mivadika amin'ny teniny ary hiainany ilay tononkira fa tsy hoe manafatra olona enao ohatra hoe: izaho tokam-po nefa mifanohitra amizay ny zavatra hita amin'ny fiainanao.

Ka hafatra ho antsika efa artiste sy izay mbola te hanao artiste, manàna éthique, foto-kevitra hijoroana. De ity mpanakanto ity dia araka izay anarany zay, #mpanao_kanto fa sao hisy hiteny indray hoe ny vazaha manana tantara ana artiste mbola enjana noho ny eto, fantatro zany fa isika gasy fa ny fiantson'ny vazaha azy: chanteur. Isika.hafa mintsy, de aza adino ilay fifankatiavana zalah a. Hifanopa ve ivelan'ny fihiràna dia aveo hitsikitsiky ndray anaty fihiràna? de tsiky vendrana no hitondra anao ho tafiditra amle hira ndray aveo?
Artiste hafa mintsy, tsy president tsy olon-tsotra, tsy olon'olom-poana.

Ny hadisoana indraindray mitondra ho any amin'ny toerana tsara
01/11/2023

Ny hadisoana indraindray mitondra ho any amin'ny toerana tsara

Ny sakan-dàlana eo anoloanao possible ho lasa làlana eo amin'ny fiainanao (source:tany ho any)
01/11/2023

Ny sakan-dàlana eo anoloanao possible ho lasa làlana eo amin'ny fiainanao (source:tany ho any)

27/10/2023

Proposition ty anah ty raha ny fahitako ny tokony hampandrosoana aingana an`i Madagasikara.

🔷1/ Mila manavao tanteraka ny fanabeazana ny maha olona aloha sy ny ara-panahy. Ankoatrany mianatra amin`ny ankapobeny. Misy toe-tsaina sy fotom-pampianarana iraisana eto Madagasikara. Amin`ny lafiny maro be. Ialàna amin`ny le olona maningana manao ny tsy fanaon`ny be sy ny maro fa mitovy daholo ny fomba fanao rehefa eny amin`arabe zao ohatra, rehefa tsy azo atao ny manipinipy fako eny an-dàlana dia tsy azo atao. Raha ny moral sy ny fanahin`ny olona no amboarina dia fantany ny tokony ataony, fa be dia be ny tsy mahafantatra, ohatra: mankaiza ny fanahin`olona raha miala eto izy, ampianarina ny olona hatahotra an`Andriamanitra.

🔷2/ Mila mamorona asa aingana ho an`ny olona. Ary tokony forcena hiasa ny olona rehetra fa tsy tokony avela hisy hipetrapetraka na hirenireny.

🔷3/ Mila miara miasa amin`ny fanjakana ny mpandraharaha na mpambola sns... izay sahirana ara-bola, ara materialy. Ny ataon`ny fanjakana dia manampy an`izy ireo hampandroso ny industrie ny orinasa kanefa misy fifanarahana hapetraka tsara ny vola miditra amin`ny orinasa sy ny fanjakana. Misy lalàna na diana hifanarahana eo.

🔷4/ Ny fanaovana fifidianana tsy tokony atao misy hirika afaka angalarana fa afaka atao version electronique atao en live dia miara mahita eo. Tsy miandry ray andro ny valim-pifidianana fa iny andro iny ihany. Miara mijery eo daholo ny candidat tsirairay amizay fotoana izay.Ny filoha izay lany dia tokony hanao fanamby fa raha tsy mahavita ny programany anaty manda dia manao election vaovao.

🔷5/ Ny firenena amizay fotoana izay tsy tokony hisy mpanohitra, fa raha sendra misy fitakiana dia mihaona anaty salle iray dia mifampidinika ary atao en live, eo ny mpitondra no hamaly ny fitakiana rehetra.

🔷6/ Ny fitsaràna dia tokony manendry ny mpikambana ao aminy ary tsy tokony hiditra anaty resaka politika mihintsy fa manao ny asany, azony tsaraina daholo, eny fa na ny olona ao aminy aza dia hametrahana lalàna ka na lehibe ny mpitsara aza dia azo saziana rehefa manao ny tsy mety. Ny olona mandalo fitsaràna dia tokony atao en live koa, zany hoe alefa direct am tv, fa misy fampianarana be dia be ho azon`ny olona raha izany no misy, amizay hita eo ny rariny sy ny hitsiny.

🔷7/ Ny fahasalamana, raha miasa araka ny voalaza ery ambony ny olona tsy tokony ho olana, afaka mandoha hetra izy, fa mitady fomba kosa ny fanjakana hanamorana ny fahafahan`ny tsirairay, ohatra efa misy ny otran`ny cnaps io zao ohatra dia tokony manana an zay daholo ny rehetra. Ny hopitaly efa betsaka dia arakaraky ny zava-misy sy ny fahafahan`ny tsirairay. Misy planning mipetrapetraka tsara.

🔷8/ Ny securité, ny olona rehetra tsy ankanavaka dia tokony hanana zo voaharo amin`ny lafiny rehetra fa tsy ny autorité ihany.

🔷9/ Ny fitantanam-bola, tsara manana banque mihitsy isika gasy fa ny important, tokony afaka mijery mangarahara ny fizotran`io vola io ny malagasy rehetra, isika manana site tsisy olana, hita ao daholo ny vola mivoaka sy miditra.

🔷10/ Ny varotra: mikorontana be raha ny toerana fotsiny aza, fa asiana toerana ngeza ary mirafitra tsara, misy parking tsara ary tokony ho ngzeza koa arakaraky ny tsena ary ny làlana tsy tokony hatao hivarotana intsony indrindra ny trottoir. Fa rehefa tsisy mpivarotra, hain`ny mmividy foana hoe tokony ho any an-tsena izy tehefa hividy zavatra.

🔷11/ Ilaina izay parking be izay hialana amin`ny embouteillage, tsy tokony hisy fiara hipetraka intsony eny am sisin`Arabe, ny làlana hisationevan`ny bus atao maka sisiny manokana fa tsy anaty làlana no hijanona, apetraka daholo ny feu tricolor dia manaraka an`iny daholo, ny hafainganam-pandeha ny fiara ihany koa tokony hapetraka , ny taxi asiana place manokana fa tsy izay tiana hijanona, hain`ny olona foana amizay ny hakana azy.

Ireo zavatra noteneniko rehetra ireo dia mifamelona ary mifanampy avokoa, misy contre parti daholo fa tsy hoe ny olona ohatra hisitraka fotsiny nefa tsy miasa, lasa misy création d`emplois be dia be ao anatin`ireo. Ny lalàna rehetra hifampifehezana dia hiara-midinika ary hifanekena.

Lasa nisy namadika indray zay ilay teny hoe : Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? (lioka24:5)
24/10/2023

Lasa nisy namadika indray zay ilay teny hoe : Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? (lioka24:5)

Tena mba teny hatsipiko ho an'ny mpitondra moto 🏍, marina fa matanjaka moto atsika, marina fa mety malalaka ny làlana, m...
24/10/2023

Tena mba teny hatsipiko ho an'ny mpitondra moto 🏍, marina fa matanjaka moto atsika, marina fa mety malalaka ny làlana, marina fa manana avantage be tsika par rapport ny voiture, le afaka.misisika, manao depassement sns. Fa mbola averiko zalah e, lahy tokana ny aina, mitandrema.
Mijereva lavitra, gauche droite ny ma*o, akaiky aloha hafara. Conseil ny ahy , mila mailo mba tsy handehanantsika mafy loatra. Eny fa na mandeha mora aza isika indraindray mbola voa ihany, mila mailo foana e. Mampalaelo anie mijery zavatra tahaka izao e, ny aina lasa, ny fanànana potika. Tsy de mpandefa sary toy izao ny pejy fa efa trop loatra zay accident zay. Raha zavatra azo sorohina dia mba ataovy raha tsy mahafaty. Ary aza adino fa rehefa raikitra ny fifandonana, dia voa mafy kokoa foana ny mpitondra deux roues. 🚴
Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany.
(sary indrana)

Mba afaka mitanisa ny tsara vitantsika ve isika teo amin'ny fiainana? Tsy ny tsara mila tambiny na tsara natao fantatr'o...
18/09/2023

Mba afaka mitanisa ny tsara vitantsika ve isika teo amin'ny fiainana? Tsy ny tsara mila tambiny na tsara natao fantatr'olona fa tsara vitantsika tsy hireharehavana? Tadidio fa tsy eto an-tany ny valim-pitia an'iny a fa ny eto doka sy fanenjehana. Fa 'lay fanantenana rahatrizay zay miala ety. Izay no hanaovana tsara foana fa na manao ny tsara aza enao nefa nisy zavatra nahadiso anao dia iny no imagenao foana rehefa mahita anao, fa na nanao hadisoana koa aza enao ka mahay miova, manana fanetretena manao azafady, manonotra ny ratsy vita dia anisan'ny manakona ny ratsy vita koa zay.
Fa ny aza adino, ny mpanenjika misy foana. Aza kivy. Mandroso foana.

Nalaina exemple fotsiny ity sarina olo-malaza ity. Io koa ny source.

CRISTIANO RONALDO 🇵🇹

✓– Ne boit pas d'alcool
✓– Ne fume pas
✓– Pas de tatouages
✓– Pas raciste
✓– Aide les pauvres
✓– fait des dons du sang
✓– fait des dons à une association caritative.
✓– Selon une étude, c'est le seul être qui donne presque la moitié de ses richesses à des pauvres

Malgré tout ça il est le joueur voir même l'homme le plus détesté au monde. 🥲
Ah le Monde. 🙏

19/08/2023

Zavatra takona mihafina eo amin'ny fianatsika irero, misy 5 ary tokony hialantsika haingana fa mety hamatoran'ny satana antsika, nefa tsy fantatsika. 5 dimy izy ireo, fintiniko fotsiny

1) Hialao ny zavatra rehetra mampisy filana raha te hiala amin'ny fahazarandratsy ohatra #fijangajangana, fisainana ratsy, mijery zava-betaveta, sns...lasa miova hatramin'ny fijeritsika avy eo ary mamotika antsika. Hialao ny endrika fisontomana olona amin'ny fijejojejona.

2)Aza dia ny #vola no ataonao mibahana eo amin'ny fiainanao, fa rehefa izay no misy be loatra dia lasa tsy miraharaha olona enao, ary mety ho potika.hatramin'ny tokantrano sy ny fiainam-pitiavanao ary ny fiaraha-monina misy anao.

3)#Ny_fahatezerana_tsy_ampiheverena matetika dia lasa tonga loza mihintsy. Azo atao tsara ny tezitra amin'ny tsy ara-drariny fa kosa izay ilay hoe aza atao tratra ny ma*oandro milentika ny fahatezeranao hoy ny baiboly

4)#Ny_fanaovana_andriamanikafa, io trotra fotsiny, inona no zavatra mameno ny fiainanao? Fa izay tena mibahana eo amin'ny fiainanao no tompoinao, fa raha mahavita manome fotoana na place amin'ny zavatra hafa enao ankoatran'ny asa, moa tsy ahavita manome fotoana kely ho an'Andriamanitra, moa tsy mahatsiaro va isika fa io rivotra iainantsika io de avy aminy maimaim-poana? De ho terena ve isika amin'ny tokony ho atao, raha milalao indray na miconnecte ny fialambolinao, tsy tadidinao ve hoe efa voalaza fa any am-parany ny olona ho tia ny fahafinaretana mihaotra nohon'ny fitiavana an'Andriamanitra?

5)Fehin'ireo rehetra ireo, #ny_fitiavan_tena, rehefa tia tena ny olona tsy afaka.ijery ny hafa, tsy afaka.hiantra, tsy afaka hanome anjara ho an'ny hafa, tsy tia mizara, toetra isany ratsy indrindra, ny tenanao ve moa tsy ho tinao fa rehefa tsy voafehinao dia enao ihany no potikany aveo. Mieritreritra enao fa ianao irery no olombelona fa ny hafa dia tsy aiko.

Voakasik' ireo toetra 5 ireo ny olona rehetra ary mieritreritra isika fa efa zay ny toetrantsika, ny devoly anefa no mamboly ireo hanapotehina antsika, fa isika.no mila tonga saina hiala amin'ny ratsy. Fa manimba ny fiainantsika.sy ny manodidina antsika izany.

(Source:JVLC)

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pit' kafatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share