Mac Andie

Mac Andie Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mac Andie, Digital creator, Antananarivo.

ZARAINA FA MAHASOAAnisan'ny fomba iray hafantarana hoe manana faharanitan-tsaina ara-bola na intelligence financière ny ...
07/02/2023

ZARAINA FA MAHASOA
Anisan'ny fomba iray hafantarana hoe manana faharanitan-tsaina ara-bola na intelligence financière ny olona iray dia rehefa mihindrambola aminy ianao dia matetika izao na mitovitovy amin'izao no avaliny:

" Tena efa vola hanaovana besoin ato antrano sisa izao no tavela ato amiko fa efa lasa nanaovana investissement daholo ny sasany "
« Tena mbola manao finition trano lesy na tena tara kely ndrii fa vao nividianako zavatra mihintsy »

DIniho anie hoe : ny olona mpanan-karena dia tsy manambola, fa manana investissement betsaka (orinasa, volamena, matière première sns)
Ny olona mahantra kosa, dia tena tia mitahiry vola, manao épargne, manao boitin-drakitra.
Misy ny olona eo anelanelan io, manao boite rakitra nefa manana trano be sy orinasa
Zava misy dia zao ary mety betsaka no tsy nieritreritra hoe : mihen-danja isan'andro iny vola iny.
20 taona lasa ohatra izao, vola 5 millions d'ariary dia efa mahazo tany ngeza be, première plan.
Amin'izao mila manana 50 millions d'ariary vao mahazo tany mitovy tamin'izany, mety efa tsy première plan intsony ary.
Raha tsy nanjanaka izany ilay vola 5 millions d'ariary, dia 10% an'ilay tany azony tamin'izany ihany no azony amin'izao.
Ilay 5 millions mbola 5 millions ihany, fa ny lanjany no mihena.
Raha 2400 ar dia efa nahazo menaka 1 litra teo aloha, amin'izao any amin'ny 8000 ar any vao mahazo menaka 1 litra.
Sendra nandalo tao amin'ny banque fandraisako vola aho vao tsy ela : dia hoizy ilay commerciale tamiko hoe : misy tolotra épargne ato aminay : 4% isantaona ny tombony azonao.
Mahalala fomba moa ny tena dia mody namaly hoe aleo fa ho dinihina.
Nefa ny ao antsaiko dia hoe : tsy hitanareo ve io inflation efa ho 10% io (stat tamin'ny 2022)
Na omeny tombony 4% ary aho, nefa ny vidim-piainana miakatra 10%, dia mihena 6% isan-taona izany ny lanjan'ilay volako.
Amaranako azy : rehefa misy voahangona ao, aza ampirimina intsony, fa ampiasao hitadiavana tombony. Farafaharatsiny mba manjanaka 10% isan-taona iny vola iny, farafaharatsiny.

Raha nanana 20000 Ar ianao tam 5 taona lasa mety nahavidy zavatra bediabe, zao ianao manana 20000 Ar mety mahavidy inona ? Kilao an haricot vert no efa 4000 Ar hono . :) :)

31/12/2022

Arahaba nahatratra ny taona vaovao 2023

" Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo" . 2 Tes 3.16

Mivavaka manokana anareo 4 mianadahy fa tena mafy nareo. Tena mahaontsa loatra mahita anareo.Efa mikiry mafy zareo manen...
23/12/2022

Mivavaka manokana anareo 4 mianadahy fa tena mafy nareo. Tena mahaontsa loatra mahita anareo.
Efa mikiry mafy zareo manenjika fiara fa tena zara raha mahalafo 15 sy 20 isa isanandro hony.
Rehefa mba mahatazana azy nareo dia mba mametraha kely zay mba foy. Ivandry ampitan APMF eo zareo
Tena mbola kely loatra zalah fa tena mazoto be amty hafanana ty. Tena teren le tsy fananana e. Mampalaelo kely.

28/10/2022

Faly foana aho na tsy arak’izay noheveriko ary no nomen’Andriamanitra ahy, satria fantany izay mahasoa ahy!🥹❤️

27/10/2022

Marary ny namoaka azy
Marary ilay miaritory
Marary ilay havizanana diso tafahoatra
Fa mbola mafy sy marary koa rehefa marary io lohanono io
Ary tena mihatra am aina rehefa marary ilay zanaka

Mamy loatra ny sombiniaina

Na dia manana ny rariny aza ianao :-Aza mivazavaza tia manala baraka -Aza mampiasa teny mandranitra, manambany na manomp...
20/10/2022

Na dia manana ny rariny aza ianao :
-Aza mivazavaza tia manala baraka
-Aza mampiasa teny mandranitra, manambany na manompa olona
-Aza mandrahona na manao fara-teny.

Mora ny mamoaka teny hanamaivana fo eo no eo ,fa sarotra ny handry saina rehefa avy niantsy fahavalo .

Mora ny mamotsitra teny manindrona sy manompa ny hafa ,fa sarotra ny mametra ny isan'ireo olona mety ho tafitohina, ny mametra ny fotoana aharetan'ny kakain'ny olona aminao noho iny sy mamafa ny vokatr'iny amin'ny fiainanao sy ny akaiky anao ...

Mora ny miteny kely hanala ny fo kanefa izany mazàna no mahatonga ny tsatok'antsy tampoka , toy ilay Raim-pianakaviana avy nisy nandroba ka nivoaka niteny hoe :"tsy maintsy ho hitanay ialahy isany na ho aiza na ho aiza na oviana na oviana ..."
Niverina teo no eo ny jiolahy nanapitra ny ain'izy ireo

Koa TANDREMO ..

Anisan'ny vokatry ny Fanahy ny fifehezan-tena (Maitrise de soi) sy ny fahononan-tena(sagesse)
ka raha tsy te hitebiteby fa hiadam-po dia fero ny vava mahery avoaka ...

Tezera fa aza manota...ary aza atao tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranao.

Hoy Dada zay hoe « MANDEFERA »
Ilay tsara fanahy laotra koa tsy mitondra makaiza na izany aza

Bonne journée daholo Samy ho tahin 'Andriamanitra
10/10/2022

Bonne journée daholo
Samy ho tahin 'Andriamanitra

Aleo enjehina toy izay mandainga.Aleo bedy toy izay mandainga.Aleo mivoatra tsikelikely toy izay tafita tampoka ao anaty...
01/10/2022

Aleo enjehina toy izay mandainga.
Aleo bedy toy izay mandainga.
Aleo mivoatra tsikelikely toy izay tafita tampoka ao anaty lainga.
Aleo maty ho an’ny fahamarinana toy izay ho very ao anatin’ny lainga.

Ny Kristianina tsy mpandainga fa mpiteny ny marina ary vonona ho faty hijoro amin’ny fahamarinana tahakan’I Jesosy maty teo amin’ny hazo fijaliana tao anatin’ny fahamarinana.

Ohabolana 12:22 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.

FANTATRAO VE HOE MILA FAHAIZANA NY MIFIDY NAMANAFitenin’i Dada sy Neny hoe asehoy ahy ny namanao dia ho fantatro zay hat...
27/09/2022

FANTATRAO VE HOE MILA FAHAIZANA NY MIFIDY NAMANA
Fitenin’i Dada sy Neny hoe asehoy ahy ny namanao dia ho fantatro zay hataonao.
satria ny entouragenao no mamaritra ny hoavinao

TADIDIO FA
Tsy namana zany hoe nahasokatra restaurant ianao dia iny ilay namanao fa hangataka prix d’ami.
Tsy namana zany hoe manana bus ianao dia iny le namanao fa hangataka handeha gratuit.
Tsy namana zany hoe rehefa misitraka ny fisasaranao amin’ny ezakao ianao namoaka fiara na trano na nahita DUBAI sy TOUR EIFFEL dia iny am’zay ny MP hoe boss na patron na deba fa hiresaka amzay izy zay, mody galant, mody gentil dia hilaza fa namana ihany dia mangataka arrozazy avy eo.

Tsy mbola namana ireny mpiara mivoaka sy mpiara mitakoritsika sy fitantarana secret ireny
Ny tena namana mifampitantara ny sera hazahoana vola na fahaizana fa rehefa mbola tsy tantarainy anao le sera dia tsy mbola namana ianao. Ary aza manontany foana hoe « inona ny sera any? »

VItsy izany namana tena mankatoa sy faly aminao izany raha tafita ianao
Vitsy izany namana mizara sera sy bizina hazahoana vola sy fahaizana zany
Vitsy ny namana miara miaritra galère dia miara tafita aminao zany
Vitsy ny namana malahelo namana raha lasa any andafy ohatra ny iray.
Vitsy ny namana tena manohana raha sendra solafaka ny namany
Vitsy ny namana tena latsadranomaso raha tena anaty fahoriana ny namany

Mila hay no mifidy sy mitady azy ireny

Rehefa mahay mifidy namana ianao ka samy mametraka zavatra tsara dia zavatra tsara no tafapetraka
Rehefa mahay mifidy namana hendry ianao dia manaraka hoazy ny fahendrenao eo am fiainanao
Rehefa mahay mifidy namana manana vina ny handresy ianao dia handresy ianareo samy mpinamana
Rehefa mahay miaradia amin’ny Grand ianao dia ho lasa Grand koa e
Rehefa mahay miaradia am pandraharaha ianao dia mety ho lasa FUTUR mpandraharaha ihany koa anie e

NY FAHATOKISANA NY MANODIDINARaiso ny taratasy iray mitsotra tsara ary aforiporeto ao anaty tananao.Vereno atsotra indra...
21/09/2022

NY FAHATOKISANA NY MANODIDINA

Raiso ny taratasy iray mitsotra tsara ary aforiporeto ao anaty tananao.
Vereno atsotra indray, miverina mitsotra toy ny teo aloha ve?
Afaka andramanao pasoana amin’ny fera ihany koa na hataonao anaty cahier mandritran taona maro, miverina mitsotra tsy misy mikoritra ve?

Toy izany ny olombelona, Sarotra ny mahazo ny fahatokisan’ny olona iray fa tena sarotra noho izany ny famerenana iny fitokisana napetrany taminao iny rehefa avy nandiso fanantenana azy ianao… na resaka vola na resaka fitiavana na resaka inona na inona tena sarotra dia sarotra. Andriamanitra ihany no hitokiso hatramin’ny farany

METY HAMPAHERY ANAOLAVALAVA FA VAKIO ANIE HO ANAO MIADY AMIN’NY FIAINANA IOMisy amintsika tena ao anaty ady mafy amizao ...
14/09/2022

METY HAMPAHERY ANAO
LAVALAVA FA VAKIO ANIE HO ANAO MIADY AMIN’NY FIAINANA IO

Misy amintsika tena ao anaty ady mafy amizao fotoana izao, mety any amin’ny Urgence, mety tsy manana hoanina ny anio, mety miady saina mafy ihany koa, mety ho zavatra hafa ary mety tsy mahita zay lalana aleha intsony

Hatramizay toa natoky an'Andriamanitra foana ianao, nefa ankehitriny mitady hisalasala sy mitady ho diso fanantenana ary mametram-panontaniana mihitsy aza hoe: Fa maninona aza ianao no kapohan’Andriamanitra toy izao? Fa maninona no mivavaka ihany isika nefa tsy mety mahita fisandratana?…toa mifikitra mafy amin'i Andriamanitra ihany isika nefa ny mahagaga dia mbola be olana foana?

Tadidio fa ny fiainana dia ADY ary amin’ny maha olombelona dia mahatsapa marary sy mitanondrika ary ndraindray mety ho lavo, tsy hilaozan ze tsy hisy fahoriana sy fijaliana. Tsy fiainana raha tsy misy anzany sedra zany, tsy izao tontolo izao raha tsy misy anzany. Tsy misy zavatra lavorary izany.
Tsy voatery hanorana foana ny andro, fa indraindray mandalo ny fahamainana...
Tsy voatery izay làlana tianao handehanana foana akory no tsy maintsy ho alehanao...
Tsy voatery izay zavatra tinao ho azo foana akory no azonao
Tsy izay hirin sainao foana akory no tanteraka
Misy fotoana ianao tsy maintsy hampamakivakiana ny lohasaha aloky ny fahafatesana...

Tadidio fa na dia ao anaty fijaliana aza ny fiainanao amzao dia tsy hamela anao hitanondrika ny Tompo, Na inona na inona sedra lalovanao amzao fotoana zao, tsy manary anao Izy rehefa mino ianao.
Tsy misy afaka milaza aminao zany hoe ory foana io fiainanao io
Tsy ny fahoriana foana akory no tokony handanianao ny tombon'andro izay nomen'Andriamanitra hiainananao, fa natao mba ho lanianao amin'ny fahasambarana ihany koa .

Raha mbola Andriamanitra koa no tomponao, dia mahereza fa aza mitanondrika.
Tsy sarotra izany io, fa mbola averiko hoe vitanao io rehefa mino ianao
Aza kivy, toerana misy anao anie toerana lalovana fotsiny ihany e, olana zany mandalo, fa mbola hoavy ny fotoana mbola hiposahan ‘io masoandro io ndray ho anao na inona na inona mety ho olanao.

Zavatra lazaiko anao, minoa Azy ianao fa betsaka no efa nataony nahita fahagagana, saingy, araho asa kosa .
Tsy hoe hanao examen ianao dia tsy hianatra lesona fa hivavaka fotsiny mba ho hataony ho afaka, tsy zay ilay izy fa sady mivavaka sy mino ianao dia miampy fianarana lesona. `

Andriamanitra mizaha toetra Izy, ary mamaly soa izay rehetra vonona ny hatoky Azy hatramin'ny farany...

Ampaherezo ilay namanao miatrika ady ary ampitao aminy izao hafatra izao hoe rehefa mino sy matoky ianao dia mbola hoavy ny andro hahitanao ny hazavana.

Mandrapiresaka indray o
Iavo Ny Aina

12/09/2022

Soava Alina daholo e
Ho tahin' Andriamanitra isika rehetra

RENY AHOMatetika ny Reny dia voatsaran olona ivelany foana hoe mipetraka fotsiny ao antrano ao. Matetika ny olona miteny...
10/09/2022

RENY AHO
Matetika ny Reny dia voatsaran olona ivelany foana hoe mipetraka fotsiny ao antrano ao.
Matetika ny olona miteny oe io tsy miasa fa ao antrano fotsiny maka volan vadiny, tsy manampy ny vadiny mitady vola fa fiainana efa mafy ity.
Matetika dia any @ io Reny io foana no mahazo tsiny rehefa tara miditra ny fiangonana na tara mandeha lanonana fa hoe ela fiomanana.
TENA TSIA ary tsy fanaka malemy ny Reny

-Ny Reny anie raha femme au foyer tsy midika hoe mipetrapetraka fotsiny anie e.
-Ny Reny anie no mandamina 100% sy manenjika ny raharaha ao antrano hahatonga ny ankohonany ho miramirana mahita trano milamina ary mikarakara ny zaza 24h, manomana vao maraina hatramin’ny mampatory azy ny alina.
-Ny Reny anie no mitsinjara ny vola hoe ty laoka, ty vary, ty saribao sns ary hatao ny hampaharitra azy mandritran volana e.Ary tena gestion mafy io satria ny manodidina tsy voatery hahita fitsitsiana hataonao. Fa na io laoka io fotsiny aza anie sarotra mahita sy mieritreritra an io isanandro e.

-Ny Sasalamba izany moa dia ny Reny foana matetika manao izany, na ny an zanany na ny an vadiny.
-Raha mieritreritra ny hivoaka ohatra ny ankohonany na fianakaviany, ny Reny mazana mieritreritra izay hikarakarany ny zanany, ny tenany, satria matetika izy no taraiky indrindra rehefa miomana. Mety zay no ao antsainy hoe hanaramaso ny zanany izy rehefa any am sortie sao maratra sao mianjera. Rehefa avy any? Reraka, adin’tsaina, ny fahatezerana sns. ary mety hila vaniny am zavatra tsy misy dikany fa mila alamina.

Fa zany hoe tsy maintsy hatrehana fa tsy antenaina olonkafa satria entin’ny fitiavana ny ankohonana sy ny fahatokisantena hoe tsara kokoa raha ianao Reny no manao azy. Tsy midika akory hoe tsy ilaina ny olona ankoatranao fa tsy hitovy mihintsy ny traitement ny zavatra hataonao Reny nohon’ny olona ankoatranao.
Mifanampy foana ny dikanzany na tsy miditra birao sy mahita vola aza ny Reny

Ho antsika Reny, Mpikarakara tokatrano. Na ahoana na ahoana naha Reny anao na sitraponao na tsy sitraponao.
Mitsikia na dia malahelo sy mitomany aza
Alamino ny saina na dia tsy misy manambitamby aza
Matanjaha na dia reraka aza
Mivonona hoan’ny ankohonanao.
Mivavaha ho an Ankohonanao.
Andriamanitra tsy manary anao na resy aza ianao ndraindray.

Zarao ho'an Reninao, ho'an vadinao, ho'an Reny rehetra.

Courage daholo
Iavo Ny Aina

NY TSARA VITANAO NO HIFANINANANA FA TSY NY OLONA.Nanambady i anona, dia iny koa fa ande hanambady. Nakany Dubai i anona ...
08/09/2022

NY TSARA VITANAO NO HIFANINANANA FA TSY NY OLONA.
Nanambady i anona, dia iny koa fa ande hanambady. Nakany Dubai i anona dia nahazo iphone aveo dia iny koa fa te hoany Dubai mafy. Nahazo fiara i anona dia iny ko fa hanao fomba rehetra hazahoana fiara. Tsara ilay vina toy zay fa saingy raha olona no jerena dia sahirana ianao vao tafarina am fiainana, tsy voatery mitovy ny fidirambolanao sy ilay olona jerenao, tsy voatery mitovy ny faripiainanao sy ilay olona jerenao, tsy voatery mitovy ny problème anao sy ilay olona jerenao, fa ny Fiainanao omaly hataovy ze hahatsara azy kokoa nohon’ny anio.
Ny etahetan'ny vatanao manokana jerena. Jereo manokana ny hetahetan’ny ankohonanao. Inona no mahasambatra anao ? Inona no ilainao aloha? Nolazaiko teo am ilay post ko ambony hoe rehefa hanananao ny mpiara-miasa,,ny vady, zanaka, havana sy namana, asa, trano, salama tsara ianao, ary nomen’Andriamanitra tombon’andro dia zay no hiafio aloha, zay no nomen’Andriamanitra fa anjaranao anio, ny ankotrzay azo lazaina ho rendrarendra sy fanatsarana ary fahafinaretana fotsiny ihany aloha. Aza menatra miavaka zany e. Mety ho menatra ianao raha nanana fiara teo aloha dia aveo namidy fiara hanaovana projet? TSIA, aza menatra. Haintsika rehetra ilay teny hoe ny mahasoa aloha vao mahafinaritra na ilay hoe tsy ny namanao no hifaninananao fa ny… hainareo ny tohiny. Averiko ihany hoe raha olona no jerenao dia mety hanimba ny ho avinao izany.

Bonne journée daholo dia zarao ho hitan'ny hafa

Iavo Ny Aina
Abonnez-vous

Manana mpiara-miasa, zanaka, havana sy namana, asa, trano, salama tsara ianao… Inona no tadiavinao? Tsarovy fa anisan'ny...
07/09/2022

Manana mpiara-miasa, zanaka, havana sy namana, asa, trano, salama tsara ianao… Inona no tadiavinao? Tsarovy fa anisan'ny olona tsara vintana ianao, ary atsaharo ny krizy tsy fahafaham-po. Maro ny olona izay tsy manana ny anananao ka isaory ny Tompo izay nomeny sy tsy nomeny ary izay mbola homeny anao.
💁‍♀️

AMPATSAHIVIKO FOANA NY ZANAKO HOETadidio fa ny voly rehetra Anaka dia mila zezika.Tadidio fa mila miala am fahazarana ia...
05/09/2022

AMPATSAHIVIKO FOANA NY ZANAKO HOE

Tadidio fa ny voly rehetra Anaka dia mila zezika.
Tadidio fa mila miala am fahazarana ianao mba hahafahanao mitombo tsara.
Raha tsara fanahy aminao daholo zao tontolo izao : tsy ho "grand" mihitsy ianao rahampitso, fa hiantehatra foana ireo tsara fanahy ireo foana.
Ao anatin tomany anaka no hahitanao ny SOA
Ny vatosoa dia mila kikisana vao hita ny hatsarany.
Ny volamena dia mila dorana sy tefena vao tsara tarehy.
Ny fiainana dia fianarana na SUCCES na ECHEC.

Ny "petit" rehetra dia nandalo ny mafy avokoa zay vao "grand"
Hoy ny Mpandraharaha namako izay hoe " Raha te ho "grand" koa dia mifampitakosina amin'ny "grand" ihany koa anefa.
Mampitombo anao ny fisian'ny olona tsy mitovy fisainana sy hevitra aminao.
Mahereza ianao Anaka fa mivavaka lalandava hoanao Dada sy Neny ary hanome Zezika hatrany . Fa ny zanaka tiana hony tsy hitsitsiana rotsankazo... Mamy ny Zanaka

Tsy misy olona tafarina @ fanimbana fiainan'olona izany ary tsy misy olona sambatra eo ambonin'ny alahelon'ny hafa. Maha...
02/09/2022

Tsy misy olona tafarina @ fanimbana fiainan'olona izany ary tsy misy olona sambatra eo ambonin'ny alahelon'ny hafa. Mahaiza manao ny marina.

Araho ny Pejy
Iavo Ny Aina

Mba mahaiza misaotra sy mankasitraka 🙏Matetika ny olombelona rehefa misy olana sedraina, na marary na olana ara-bola sns...
01/09/2022

Mba mahaiza misaotra sy mankasitraka 🙏

Matetika ny olombelona rehefa misy olana sedraina, na marary na olana ara-bola sns dia mandeha hoazy hoe ampio izahay Andriamanitra ooo. Tena tsara ilay fihetsika hoe mitopy avy hatrany any Aminy ny fangatahana. Tadidio fa tsy hampijaly na hanao izay hampahory izany Andriamanitra izany kanefa tsy tokony ho amin'ny fotoana ilaina Azy ihany vao hahatsiaro Azy fa tokony amin'ny fotoana rehetra.
Ary rehefa mivaly ilay vavaka sy fitalahona dia mila mahay mankasitraka ihany koa isika satria nankinina taminy ilay olana ary dia nahitana vahaolana na tsy hita maso aza Izy.
Aza hadino mihintsy izay ao anaty vavaka. Misaotra Azy tamin'izay nomeny sy izay tsy nomeny. Na io tombon’andro nomeny antsika io aza dia hisaory Azy. Minoa ahy ianao fa raha hataonao isan'andro izay fahazarana izay tsy miandry olana hiseho dia milamina kokoa noho ny teo aloha fiainanao.
🌹🌹🌹🌈

HELLO SEPTEMBER 😄

Poziko alaina sary amin'ilay hoe mody tsy mijery 😅🌸Rahampitso tsika hanao Hello September sao mbola manonofy manao vacan...
31/08/2022

Poziko alaina sary amin'ilay hoe mody tsy mijery 😅🌸
Rahampitso tsika hanao Hello September sao mbola manonofy manao vacance 😁

Io FIANAKAVIANA kelinao io dia MASINA 💕Tena tsy nataotao foana akory ny voady teo ambony alitara, lany andro nanao voady...
30/08/2022

Io FIANAKAVIANA kelinao io dia MASINA 💕
Tena tsy nataotao foana akory ny voady teo ambony alitara, lany andro nanao voady raha tsy hanaraka ny zavatra nolazaina sy nohamasinina, lany vola sy lany fotoana koa. Matoa mety ny zavatra ataonao, matoa milamina tsara ny fiainanao , dia misy fitahin’Andriamanitra ao ary nanaja ilay voady ianao. Izaho tsy miteny hoe izahay kristianina 100% fa miezaka manaraka ny sitrapon’Andriamanitra izaho sy ny ankohonako dia milamina ihany izahay, mety misy marary, mety misy ny olana kely madinidinika fa izao, ankininay Aminy dia milamina. Ny fiainana milamina dia tsy hoe vola miditra fa aminay, feno fahasoavana avy amin’ilay Andriamanitra foana isaky ny manao zavatra. Raha tena natao hoe netinety ny fiainanao ka naditra ianao na nandika ilay voady nataonao teo Anatrehan’Andriamanitra dia tena minoa ahy ianao fa mety ho latsaka nohon’ny teo aloha ny fiainanao, kapohan’Andriamanitra ianao satria tsy nanaraka ny voady nataonao, betsaka ny olona tratran'izany a. Noho izany, mety ho sarotra aminao ny mitady vahaolana eo am fiainanao. Za tsy miteny hoe vadiko hendry be na izaho hendry be fa manana ny hataoko hoe caprice kelinay izahay ary tena miezaka tsy mandika ny voady nataonay kosa aloha. Io vadinao, ary ireo zanakao, mila manaja azy ireo ianao, mila tena manaiky ary tena mankatoa azy ireo ary minoa ahy ianao fa tena azo lazaina fa fianakaviana anisan'ny sambatra ny fianakavinao raha manaja azy ireo ianao, manaja ny ankohonanao.
Izay lazaiko anao fa masina ary tena hoe sacré io fianakaviana kelinao io.
❤️

Bonne semaineSamy ho tahin 'Andriamanitra daholo
29/08/2022

Bonne semaine
Samy ho tahin 'Andriamanitra daholo

Bonne nuit 💖
28/08/2022

Bonne nuit 💖

Ny fitiavana dia fanapahan-kevitra, safidy niniana natao, manampy ny ampahany amin'ny herintsika ho an'ny hafa. Olona ro...
25/08/2022

Ny fitiavana dia fanapahan-kevitra, safidy niniana natao, manampy ny ampahany amin'ny herintsika ho an'ny hafa. Olona roa miara-miaina, samy manana ny maha izy azy, samy hafa ny filany, samy hafa ny fahaizana , ary samy manana ny andrasany amin’ny tsirairay : izany rehetra izany dia miteraka olana raha tsy voafehy.
Ny tena Fitiavana dia natao hamelona fa tsy hamono. Hamelona ny fonao, hamelona ny fiainam-panahinao, hamelona ny fiadanana ao anatinao.

01/04/2022

Mirary Zoma mahafinaritra antsika rehetra eee. Ho tahin' Andriamanitra daholo

22/02/2022
21/02/2022

❤ MARS ❤

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mac Andie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Digital creator in Antananarivo

Show All