10/09/2022
RENY AHO
Matetika ny Reny dia voatsaran olona ivelany foana hoe mipetraka fotsiny ao antrano ao.
Matetika ny olona miteny oe io tsy miasa fa ao antrano fotsiny maka volan vadiny, tsy manampy ny vadiny mitady vola fa fiainana efa mafy ity.
Matetika dia any @ io Reny io foana no mahazo tsiny rehefa tara miditra ny fiangonana na tara mandeha lanonana fa hoe ela fiomanana.
TENA TSIA ary tsy fanaka malemy ny Reny
-Ny Reny anie raha femme au foyer tsy midika hoe mipetrapetraka fotsiny anie e.
-Ny Reny anie no mandamina 100% sy manenjika ny raharaha ao antrano hahatonga ny ankohonany ho miramirana mahita trano milamina ary mikarakara ny zaza 24h, manomana vao maraina hatramin’ny mampatory azy ny alina.
-Ny Reny anie no mitsinjara ny vola hoe ty laoka, ty vary, ty saribao sns ary hatao ny hampaharitra azy mandritran volana e.Ary tena gestion mafy io satria ny manodidina tsy voatery hahita fitsitsiana hataonao. Fa na io laoka io fotsiny aza anie sarotra mahita sy mieritreritra an io isanandro e.
-Ny Sasalamba izany moa dia ny Reny foana matetika manao izany, na ny an zanany na ny an vadiny.
-Raha mieritreritra ny hivoaka ohatra ny ankohonany na fianakaviany, ny Reny mazana mieritreritra izay hikarakarany ny zanany, ny tenany, satria matetika izy no taraiky indrindra rehefa miomana. Mety zay no ao antsainy hoe hanaramaso ny zanany izy rehefa any am sortie sao maratra sao mianjera. Rehefa avy any? Reraka, adin’tsaina, ny fahatezerana sns. ary mety hila vaniny am zavatra tsy misy dikany fa mila alamina.
Fa zany hoe tsy maintsy hatrehana fa tsy antenaina olonkafa satria entin’ny fitiavana ny ankohonana sy ny fahatokisantena hoe tsara kokoa raha ianao Reny no manao azy. Tsy midika akory hoe tsy ilaina ny olona ankoatranao fa tsy hitovy mihintsy ny traitement ny zavatra hataonao Reny nohon’ny olona ankoatranao.
Mifanampy foana ny dikanzany na tsy miditra birao sy mahita vola aza ny Reny
Ho antsika Reny, Mpikarakara tokatrano. Na ahoana na ahoana naha Reny anao na sitraponao na tsy sitraponao.
Mitsikia na dia malahelo sy mitomany aza
Alamino ny saina na dia tsy misy manambitamby aza
Matanjaha na dia reraka aza
Mivonona hoan’ny ankohonanao.
Mivavaha ho an Ankohonanao.
Andriamanitra tsy manary anao na resy aza ianao ndraindray.
Zarao ho'an Reninao, ho'an vadinao, ho'an Reny rehetra.
Courage daholo
Iavo Ny Aina