Arenah Hen'Tchou

Arenah Hen'Tchou 💕

24/07/2022
24/07/2022
20/07/2022
19/07/2022
19/07/2022
17/07/2022
17/07/2022

Arrivage JORD ONE
dispo pt.36 a.41
qualite tsara fona.a
Livraison partout

16/07/2022

"Mampatahotra izany rano izany " hoy i Rasoa Bozaka

sady nikitakita i Vero namaly azy hoe "Efa lazaina fa aza mijery ao fa sao mahita zavatra hafahafa eo"

I Rasoa Bozaka moa, tovovavy somary mafy loha izay ihany ary tia handrakandrana. Na dia noferana tsy hijery ilay rano aza dia arakaraka ny handrarana azy no voamaika anaovany azy.

Nandeha ihany ny lakana, efa tonga eny ampovoany.

I Rasoa Bozaka tsy mitsahatra mandinika ilay rano.

I Vero saro-tahotra moa tena tsy nahidiny tany mihitsy ny masony sady nivavabavaka izy hoe "enga anie mba tsy hifoha ilay zazavindrano, enga anie mba tsy hifoha ilay zazavindrano"

Sendra tafahidiny kely anefa ny masony ary nitopy kely fotsiny no nahita tovovavy fotsy be mitsikitsiky misaritabolo ao anaty rano mijery azy. Potak'izay izy no nioraka be " Io misy vehivavy fotsy be mitsikitsiky, io misaritabolo be io"

Nanohy namoy ny lakana ihany ilay rangahy, i Rasoa Bozaka tora-kovitra tsy sahy nijery intsony.

Tonga teny amoron'ilay tanàna kely ary izy telo mianaka afaka adiny iray latsaka teny ambony lakana.

Nolazain'ilay rangahy fa ilay zazavindrano no hitan'i Vero ary matetika tsy ataony inona raha vehivavy no sendra azy fa raha lehilahy indrindra fa tovolahy no matetika tsy hita popoka rehefa mandalo eo ary tena tsy hita intsony mihitsy raha tsy anaovana fombafomba.

Nifampijery i Vero sy i Rasoa Bozaka. Mitovy tanteraka ny ao an-tsain'izy mirahavavy hoe sanatria ve ka i Manana sy Lova...

Tsy mbola te hitantara anefa izy roa vavy fa nandeha nanohy ny dia ihany hiroso sao ho tazan'i Ramatoa Raholy avy ery ampita.

Tonga isika hoy ilay rangahy.

"Fa maninona ianareo no mijanona mijoro eo fotsiny e, ndao hiditra" hoy izy mantsy an'i Rasoa Bozaka sy i Vero

Niditra tao an-trano izy telo mianaka.

"Mipetraha aloha ianareo mirahavavy eto fa ho anaovako dite mafana fa efa ho amin'ny 12h30 sasany alina izao, antsoy hoe Rapoly aho fa izay no ahafahantaran'ny olona ahy ety"

Lasa i Rapoly nankany an-dakozia, izay any ivelany. Izy mirahavavy kosa niresaka ilay zazavindrano sy i Lova ary i Manana ary ilay faty jazan-kely.

Mieritreritra izy roa fa tena misy hifandraisany izao zava-miseho rehetra izao ary i Ramatoa Raholy ihany no afaka mamaha izany.

Tonga i Rapoly nanatitra ny dite ho azy mirahavavy.

"Io sotroy mafana amin'izay mahita tory tsara, rahampitso maraina isika no miresaka tsara fa efa alina loatra izao"

Izy roa vavy ihany koa reraky ny dian-tongotra ka nana-pankevitra ny hatory.

Tsy misy fandriana fa amin'ny tsihy.

Ny trano koa somary tery ary efitra roa ihany. Ny lakozia sy ny toera-pivoahana any ivelany.

Manondro amin’ny iray ny famataran'ora, misy mandodoana moramora ny varavarana.

I Vero no maheno ilay izy satria tena tsy tafatory intsony mihitsy izy nieritreritra ilay vehivavy fotsy be misaritabolo hitany tao anaty rano. I Rapoly moa miesona be tsy mahare izay ambon'ny tany atsy anefatra ilany, i Rasoa Bozaka koa ity matory maty.

Mijanona kely dimy minitra eo foana dia mitohy indray ilay mandodoana ao am-baravarana.

Notarain'i Vero i Rasoa niafaràny.

"Fa inona e? Nga ndry tsy matory?" sady manoaka ihany i Rasoa Bozaka

"Henoy indray izany mandodoana ao izany".

"Fa iza izany? I Rapoly?"

"I Rapoly ary izany miesona be izany koa Rapoly ahoana?"

"Sao dia mba i Ramatoa Raholy rty?"

"Zah' aloha tsy hamoha e, tampenako amin'ny lamba fotsiny ny sofiko dia vita"

"Ary matoriza ary fa avelao handoana ao"

Niafamafy anefa ilay doana.
Tsy nahita tory intsony izy roa vavy.

"Ndao fohazina moramora i Rapoly e" hoy i Rasoa Bozaka

Nitsangana izy roa vavy ary nakao amin'ny efitry Rapoly.

Ataraina ny azy roa vavy raha nahita fa tsy misy Rapoly matory izany akory ao, tsy misy olona.

Nifampijery izy roa vavy. Nieritreritra fa mety ho Rapoly ilay mandodoana ao ivelany ao.

Manontany tena ihany koa anefa izy roa hoe iza ilay niesona?

"Ndao rangahy vohaina dia ho hita eo?"

Niaraka namoha ilay trano izy roa vavy.

Akory ny ataraina fa kay izy roalahy, i Lova sy i Manana, mando manomboka any antapidoha hatrany am-paladia.

(Mbola hitohy)

Mpanoratra: Spartane

05/07/2022

Toy izao indray ny modèle ana Lettre de Motivation hoan'ireo izay mbola tsy mahay.Maro isankarazany ny bikabikan'ny LM fa ity iray ity no entina hoanao anio.

Eo @ Qualités no hanehoanao fa tena mifandraika @ profils'nao tokoa ny asa izay angatahanao.

Zarazao hoan'ny namana izay mety mila azy
Mirary soa 🇲🇬

04/06/2022
25/05/2022
01/05/2022
30/04/2022

💞Tonga ny arrivage Gluta white
👉Lait clarifiant anti-Age 250ml
👉Crème visage: 125ml
👉Savon clarifiant gommant: 110gr
👉Riche en vitame C,E
☑️☑️PRIX mipetaka @ Sary
👉Manafotsy sy manadio ny vatanao
👉Malala tache mainty @ vatana
👉Manadio tarehy sy manala menamena @ tarehy
👉Mampalandina tsara ny oditrao
👉Manala panda
👉Maha tanora lalandava
👉Mp direct raha anaterana ianao
🚒Manao livraison izahay
🚒Mandefa faritra
👉Hitanao ao @ Boutique Shop Raitra box 433 Analakely
☎️0349983490/0328757095

21/04/2022

❎Flash infos
Révéler par Thomas ,via twitter
Les huit premiers épisodes de la saison 5 seront explosif

07/04/2022
07/04/2022

➖Arrivage vaovao be
↪ Crème dépilatoire pour bras, jambes, maillot, aisselles.
↪ Marque Disaar
↪ Tena efficace be ary efa maro ny afa-po tamin'ny fampiasana azy
↪ Afaka 3 à 4 semaines indray vao maniry ny volo
↪ Tsy misy effet secondaire
↪ 120g
↪ Efa misy spatule miaraka aminy
↪ Prix: 10 000ar monja
↪ Afaka manao livraison zahay
↪ Mp na 034 59 467 90 raha liana

25/03/2022
21/03/2022

REMAX® RB-725HB
—— 55.000Ar ——

B€ST-SELLER 🏆
microSD | AUX | Bluetooth
Très bonne autonomie de 7H
Deep Bass | Son HD | Mic intégré
Imp 32Ω | Haut-parleurs Ø40mm
Modèle Pliable > Rangement facile
Volume, Next, Previous, Play, Pause
Coloris disponibles : Noir, Gris, Vert, Rose

➕ Câble AUX
➕ Câble microUSB
➕ Manuel d’utilisation
➕ Certificat d’ Authenticité

✅ D I S P O N I B L E
⏱ A partir de ce Samedi 12 Mars 2022 à 9:00AM jusqu’à épuisement de stock.

Chez Mr Mobile High-Tech® :
📍à Tahala Rarihasina Analakely
📍à l’intérieur de Jumbo Ankorondrano
📍au rez de chaussé de La City Ivandry
📍à Supreme Center Behoririka > Box 410
📍à Bazary Be Toamasina en face de Saifou

🤙🏽 034 11 310 48
034 14 310 50 | 034 14 310 49
034 07 310 48 | 034 14 310 48.

————— ☆ ————
Mr Mobile High-Tech®
— 2 0 0 2 ☆ 2 0 2 2 —


Address

Ankazobe

Telephone

+261343556914

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Arenah Hen'Tchou posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Arenah Hen'Tchou:

Share


Other Ankazobe media companies

Show All