27/04/2022
Sipa kely iray no namily fiara nitondra ny rainy hamonjy raharaham-pianakaviana nefa tratran'ny ora-mikaja sy tafiotra ka nanontany ny rainy izy sao tokony hijanona kely aloha vao manohy ny dia nefa ny rainy tsy nanaika fa toizo ihany ny dia hoy izy.
Tonga aloha kely, feno rano ny lalana ary efa sahirana sady natahotra izy ka nanao hoe: hijanona aloha isika dada fa efa trop ity. Saingy tsy nanaika ny rainy fa nanao hoe toizo ny dia.
Efa mahita camion mibadika izy, ny olona tsy misy mandeha intsony fa miandry ny orana hijanona ary tsy mahita lalana tsara koa izy noho ny orana be loatra nefa ho fanekeny ny rainy dia nitohizany ihany ny diany. Afaka 2km, nanomboka calm, tsy misy orana sady masoandro be. "Afaka mijanona isika" hoy i Dadany.
Tezitra i kala nanao hoe:" Fa ahoana e, teo aho tsy navelanao hijanona ka efa aty @ lalana maina tsara aty koa ka hijanona "?
Mivoaha ka mitodia afara, (hoy ny rainy), ireny olona niaritra ny orana sy rivotra ireny dia mbola any izay izy ireo. Tsy nitsoaka isika ka tapitra sy lasa ao afaratsika ny kotroka sy oram-baratra nihatra tamintsika.
Raha mandalo fotoan-tsarotra ianao, tadidio mandrakariva. Eny fa na ny olona heverinao fa matanjaka aza mi abandonne na hitanao fa tsy tafavoaka, toizo hatrany ny ezaka hataonao fa afaka fotoana fohy dia hitsahatra ny fijalianao ary hiposaka aminao indray ny masoandro ka ho faly ianao hisitraka ny soa avy aminy ezaka vitanao.
Misaotra namaky🙏🙏