Lakandrano hanelezana ny afopitiavan'i jesoa

Lakandrano hanelezana ny afopitiavan'i jesoa @ tout le monde

19/02/2024

Avec Tontolo Katolika – Je viens d’être reconnu(e) comme l’un(e) de ses meilleurs fans ! 🎉

19/02/2024

▶ TSY ANARAM-PIANGONANA NY HOE KATOLIKA

- Matetika henontsika foana ilay hoe "tsy ny anaram-piangonana no mahavonjy"
Dia maro ireo milaza fa ny hoe "Katolika" dia anaram-piangonana.

➡ TSIA ANEFA, tsy anaram-piangonana velively ny hoe Katolika fa «MPAMARI-TOETRA» izy io; satria mantsy ny dikan'ny hoe Katolika dia (azo avy amin'ny teny grika hoe )

➡ Rehefa nanorina Eglizy i Jesoa Kristy dia Eglizy TOKANA no nahoriny, izany no mahatonga azy miteny ao amin'ny Matio 16,18 hoe "Egliziko" fa tsy hoe "Ireo Egliziko"
(Mon Eglise # Mes Eglise)

➡ MASINA ny Eglizy nahorin'i Jesoa Kristy satria Izy nanorina azy dia masina ary ny Fanahy Masina rahateo no mitarika ny Eglizy ho amin'ny marina rehetra (Joany 16,13).

➡ APOSTOLIKA ny Eglizy nahorin'i Jesoa Kristy satria teo ambonin'ny Apostoly (MD Piera ilay Vatolampy) no nanorenany azy, ary ny Apostoly sy ny Dimbiny no miara-mitondra ny Eglizy, sady ao amin'ny Eglizy dia ny Apostoly no voalohany araka ny nandaharan'Andriamanitra azy (1Kor 12,28).

👉🏽 Ka ny maha-KATOLIKA ny Eglizy dia satria natao sy nirahina amin'ny Firenena rehetra sy ho an'ny Olombelona rehetra (tsy misy ankanavaka)
💉 Matio 28,19:
“koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra,...”

Noho izany, na ilay:
1️⃣ TOKANA (Iray),
2️⃣ MASINA,
3️⃣ KATOLIKA,
4️⃣ APOSTOLIKA
👉🏽 dia samy MPAMARI-TOETRA an'ilay Eglizy nahorin'i Jesoa Kristy avokoa.
- Diso izany ny filazàna fa anaram-piangonana ilay hoe Katolika.
Ny fiangonana misaratsaraka no mila petahana anarana zany fa i Jesoa tsy nanome anaram-piangonana 😅.

↪ Fantaro izany manomboka androany fa ny Eglizy nahorin'i Jesoa Kristy dia IRAY, MASINA, KATOLIKA, APOSTOLIKA

Mpanoratra: Sylvanoh Ratsimandresy 🎧😌

15/02/2024

MASINDAHY CLAUDE DE LA COLOMBIERE :
Pretra nisehoan' ny Fo masin' i Jesoa 💗

Pretra zezoita, teraka tao Frantsa tamin' ny taona 1641, Pretra tanora, nefa nanana ny fahamasinana tsy nisy toa azy, ka voatendry ho Père Directeur tao amin' ny ny taona 1669 izy no nohamasinina ho pretra, izay vao 35 monja no nandraisany io asa maha Directeur azy tao paray le Monial io

Izy moa dia Confesseur an' i Mb Margeurite Marie Alacoque, ilay olomasina nisehoan' i Jesoa nanehoany ny fony ka nanangana ny fikambanana masina Garde d' Honneur ny fo masin' i Jesoa , Raha vao nihaona voalohany tamin' io pretra io i Mb Margeurite Marie Alacoque dia naheno feo :" IO NY NAMANA NALEFAKO HO ANAO"

Taorian' ny konfesy voalohany nataon i Margeurite dia nanontany ny lehibeny i Pere i Claude nanao hoe

30/01/2024

𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐕𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐄𝐇𝐄𝐓𝐑𝐀

⏩ Misaora an'Andriamanitra ianao raha mbola miaina, mbola salama tsara, afaka manao fety.

⏩ Ka alohan'ny hanaovanao zavatra tsy mendrika, rehefa manao fety dia heritrereto ireo olona tsy afaka manao fety nohon'ny tsy fahasalamana, sns...

Anio, alohan'ny hitenenana teny ratsy dia eritrereto izay tsy mahay miteny.

Alohan'ny hitarainanao momba ny tsiron'ny sakafonao dia eritrereto izay tsy manan-kohanina.

Alohan'ny hitarainana momba ny vadinao na ny namanao dia eritrereto izay olona mitaky namana amin'Andriamanitra Tsitoha.

Anio alohan'ny hitarainana momba ny fiainana dia eritrereto ny olona maty mbola kely.

Alohan'ny hitarainana amin'ny zanakao dia heritrereto izay te hanan-janaka nefa tsy mety.

⏩ Ary rehefa reraka sy mimenomenona amin'ny asanao ianao dia heritrereto ny tsy an'asa, ny kilemaina ary izay maniry mba te hanana asa toa anao.

Ary rehefa misy heritreritra mahakivy toa mampietry anao dia asio tsiky ary isaorana an'Andriamanitra fa velona ianao.

17/01/2024

𝐀𝐍𝐊𝐀𝐅𝐈𝐙𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐍𝐆𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀

⏩️ Mahaiza mangina, raha manana fikasana na vinavina ianao, fehezo ny lela fa ny zavatra atao sy andrasana am-pahanginana tsy tsinjon'ny fahavalo sy lavitry ny sakantsakana." Izay miambina ny vavany aman-delany, mpiaro ny fanahiny tsy ho azon'ahiahy." (Oh 21, 23 )
Raha fifandraisana izy dia hoy ny ,Ntaolo, hoe : "tafio lamba ny fitiavana mba tsy hanjakan'ny tsy manam-panahy". Manambara fahamatorana ny fahaiza-mangina, manana ny heriny tsy haintsika hazavaina ny fahanginana, ary manambara fahendrena ny fahaiza-mangina.

⏩️ Ankino am-bavaka ny fikasanao sy ny fanirianao dia ho lasa lavitra kokoa ianao.
Fantaro ny olona hakanao hevitra mba hanampy anao handroso.
"Ny teny, hono, mantsy toy ny atody ka raha foy manan'elatra"

16/01/2024
16/01/2024

𝐊𝐀𝐓𝐄𝐒𝐈𝐙𝐘 𝐊𝐄𝐋𝐘 🥰

NY 𝐒𝐀𝐊𝐑𝐀𝐌𝐄𝐍𝐓𝐀𝐋𝐘

Fanampin'ny litorja, dia mamelona ny fiainana Kristianina ny fomba samihafa ampisehoan'ny vahoaka ny fitiavany vavaka (1679).

⏩️ Ny sakramentaly dia FAMANTARANA MASINA naorin'ny Eglizy hanamasinana fandraharahana sasany, na karazam-pomba fiainana sasany nofidian'ny olombelona ary fotoana maro be eo amin'ny fiainan'ny Kristianina. Koa misy vavaka mandrakariva ny sakramentaly, matetika miaraka amin'ny famantarana naraikitry ny Eglizy toy ny:
- fametrahan-tanana
- famantarana ny hazofijaliana
- famafazana ranovoahasina, mampahatsiaro ny Batemy. (1668)

Ry fo masin'I jesoa Mahatoky anao izahay
12/01/2024

Ry fo masin'I jesoa Mahatoky anao izahay

11/01/2024

🙏🏻🔰Tsara ho fantatra sy hifampizarana🔰🙏🏻
FANGATAHANA AMPANAOVIN'NY PAPA(Janoary)
❤Ho an'ny fahasamihafana ao amin'ny Eglizy❤
➡Mba hanampy antsika hamantatra ireo fanomezam pahasoavana maro eo anivon'ny ankohonana kristianina anie ny Fanahy Masina ary hahita ny harena ao amin'ireo fombam pivavahana samihafa ao amin"ny Eglizy katôlika.Amen🙏🏻🙏🏻

28/12/2023

💥 Ndao handalina ny Finoana 💥

Manomboka ity Taona Vaovao hoavy ity dia hifantoka tanteraka amin'ny FANDALINAM-PINOANA isika.
Ny antony dia:
1- Betsaka amintsika no Katolika anarana fotsiny fa tsy mahalala akory izay hinoantsika.
2- Ao ireo miezaka mamantatra ny finoany ihany saingy mbola mora voarebirebin'ireo hafa finoana aminy.
3- Misy ireo misalasala amin'ny fampianaran'ny Eglizy ka mibahana ao an-tsainy izay noho ny fandalinana tsy ampy loatra.

Koa manasa anao hatrany hanaraka tsy tapaka ny Pejy, hanao ezaka be dia be amin'io taona manaraka io ka ho atao lohalaharana ny Katesizy, fandalinam-Pinoana ho antsika Katolika.

FANENTANANA:
👉🏼 Ndao mba ho atao Partage betsaka ity fizaràna ity mba ahafahan'ireo Katolika namantsika hanaraka ny Pejy.
Ianao io 🫵🏻 koa, abonnez ny Pejy dia taomy ny namana.

Manantena sahady ny fahavononana sy ny fahazotoanao hitia sy handalina ny finoantsika. 😊

© Harem-Pinoana Katolika.

17/12/2023
03/12/2023

🔴 FANAZAVANA MOMBA NY NOELY ( KRISMASY )

:

Tao anatin'ny taona maromaro izay dia betsaka ireo kristianina tsy mankasitraka , manohatra ny fankalazana ny Noely isaky ny 25 décembre noho ireo antony maro samy hafa izay lazaina etsy ambany .
Ka natao izao fanazavana izao mba hamaliana ny tsikera ataon'izy ireo sy hampiorina ny mpino efa zatra mankalaza ny Noely .

Hoy izy ireo :
- Ny Noely ( Noël ) dia fitambaran'ny teny anglais hoe No ( tsy misy ) sy ny teny hebreo hoe El ( Andriamanitra ) , izany hoe tsy misy Andriamanitra .
- Ireo kristianina voalohany tsy nankalaza ny Noely ary tsisy resaka Noely ao anaty baiboly .
- Ny Noely dia avy amin'ny fety sampy fahaterahan'ilay masoandro tsy mety resy ( sol invictus ) izay nankalazain'ny romanina isaky ny 25 décembre .
- I Jesoa tsy teraka tamin'ny 25 décembre .

Ka ho valiana sy hazavaina tsirairay ireo fitsikerana ireo, ka manasa anao hamaky hatramin'ny farany. 😊

🚩 I / NY NOELY ANKALAZAIN'NY KRISTIANINA :

➡ Ny teny hoe Noël dia TSY fitambaran'ny No ( anglais ) sy El ( hebreo ) FA azo avy amin'ny teny latinina hoe Natalis Dies izay midika hoe andro nahaterahana .
➡ Ny Krismasy ( Christmas ) kosa dia fitambaran'ny teny anglais hoe Christ + mass .
Ny Christ na Kristy mo midika hoe voahosotra , ary ny Mass ( messe ) na lamesa dia midika hoe fankalazana , izany hoe fankalazana an'i Kristy .

☝Araka izany ny Noely dia tsy fety sampy fa fankalazana ny fahaterahan'i Kristy ( Jesoa ) izay nambaran'ny mpaminany tany aloha ( izaia 9,5 +7,14 ) , ilay Andriamanitra tonga nofo nambaran'ny apostoly ( Jo 1,1 + 14 ).
Mba hanomezam boninahatra an' Andriamanitra tahaka ny nataon'ireo antokon'ny tafika avy any an-danitra tamin'i Jesoa teraka ( Lk 2,13-14 ) .

Ary isaky ny mankalaza izany ny kristianina dia miain ilay hafaliana izany nambaran'ny anjely eo amin'io Lioka 2,10-11 io .
Ary ny antony tsy nankalazan'ny kristianina voalohany ny noely dia tsotra : satria raha mijery tsara ny tantaran'izy ireo isika dia mahalala tsara fa mbola tsy nanana fahafahana tsara ny fivavahana kristianina talohan'ny taona 313 ( edit de milan ) noho ny fanenjehana nataon'ny empire romain , ary na mivavaka aza izy ireo dia miafina anaty fasana ( catacombes ) .
Izay no nahatonga ny kristianina hoe aty amin'ny IV è vao nankalaza ny Noely satria tao aorian'ny Edit de milan ny taona 313 vao afaka mivavaka ankalalahana ny kristianina .
Ka normale ny fety Noely raha tsisy ao anaty baiboly , tahaka ny 31 décembre sns ( izay anaovan'ny kristianina fety na fivavahana ) ihany koa kanefa tsisy ao anaty baiboly .

🚩 II / TSIA , TSY FETY SAMPY TALOHA NY NOELY :

a) .Ireo tsy mankalaza noely dia mihevitra fa fety sampy nataon'ny romanina taloha izy io , izay nankalazain'izy ireo ny andriamanitra Saturne sy anniversaire an'ilay sol invictus mandritra ny solstice d'hiver ny 25 décembre .
b) .Ireo mpankalaza ny noely sasany kosa dia manambara fa noetina nanafoanana ireo fety sampy ireo no nahatonga ny noely ho 25 décembre .
c) .Izaho kosa dia hanaporofo amin'ny alalan'ny soratra masina sy ny tantara fa tena azo heverina ny fahaterahan'i Jesoa ny 25 décembre .

📌 1) Ny mahakasika ireo fety sampy :

Efa hatramin'ny ela no nisian'ny solstice d'hiver ( fotoanan'ny alina lava indrindra ) isaky ny 21 décembre . Ka herinandro mialohan'io ireo firenena mpanompo sampy dia manao fety antsoina hoe les saturnales mba ankalazaina ilay andriamanitra saturne .
TSY 25 DÉCEMBRE ANEFA NO FANKALAZANA AN'IO FA NY 17 -23 DÉCEMBRE .

Fa rehefa nanavao ny calendrier romain i Jules César ho lasa calendrier Julien tamin'ny taona 46 av J.C dia nisy compte diso tao ka lasa nitotona 25 décembre indray ilay solstice d'hiver .
Ny nahitana izany fahadisoana izany moa dia tamin'ny nijerevana ny datin'ny paka kristianina tamin'ny concile de nicée ny taona 325 .Satria raha tokony ho 25 mars ny équinoxe ( fotoana hitovian'ny halavan'ny andro sy alina izay heverina ho andro voalohany nanasarahan' Andriamanitra ny andro sy alina ) dia lasa nitotona 21 mars .
Noho izany fahadisoana izany no nahatonga ny pape Grégoire XIII hanavao indray ilay calendrier Julien nisy diso teo ho lasa calendrier grégorien izay ampiasain'ny kristianina izao , ka nanesorana 10 andro ilay calendrier diso teo aloha , ka ny alakamisy 4 octobre 1582 ary ny ampitson'iny kosa dia zoma 15 octobre 1582 .

IZANY HOE TSY MITOVY NY DATY 25 DÉCEMBRE NANKALAZAIN'IZY IREO ILAY FETY SAMPY TAMIN'IZANY SY NY 25 DÉCEMBRE ANKALAZAIN'NY KRISTIANINA NY NOELY ANKEHITRINY .

Satria rehefa namorona ny fety sampy iray hafa ankalazaina ny fahaterahan'ilay sol invictus ny empereur Aurélien ny taona 270-275 mba hampifandraina ny empire dia ilay 25 décembre andron'ny solstice d'hiver avy amin'ny calendrier Julien nisy diso no nalainy .
Ary porofon'izany dia jereo ny solstice d'hiver tamin'ity 2021 ity fa tamin'ny 21 décembre fa tsy 25 décembre izay ankalazain'ny kristianina ny noely akory .

📌 2) Ny hoe fety christianisée :

Koa satria efa taty amin'ny taona 354 ny pape Libère vao nifixé ny date 25 décembre ho fankalazana ny noely ( krismasy ) , raha ny taona 274 kosa ny empereur Aurélien no nisafidy ny 25 décembre ankalazaina ny fahaterahan'ilay sol invictus , dia maro ny manazava fa nosafidiana ny Eglise io date io mba hisarihana ireo olona mpanompo ilay sol invictus ( mahasoandro tsy mety resy ) mba hiala amin'izany ka ankalaza ny fahaterahan'i Jesoa Kristy izay ambaran'ny soratra masina fa tena masoandro ny fahamarinana ( Malakia 4,2 ) sy fahazavan'izao tontolo izao ( Jo 1,1-9+14 /Jo 8,12 / Jo 9,5 )

Na dia tsy lavina aza izany , satria izay mihitsy no nanirahana ny Eglizy mba hitory an'i Kristy amin'ny olona rehetra , tahaka ny nataon'i Paoly apostoly ao amin'ny asa 17, 22-23 raha nanararaotra ny fivavahan'ireo mpanompo sampy hotoriana an'ilay Andriamanitra tena izy .
Sy tahaka ny nanirahan ' Andriamanitra an'i Jedeona handrava ny otelin' i Bala ka nanorenana otelin'i YHVH teo amin'io toerana io ihany ( mpitsara 6,24-26 ) .

Kenefa ny nanafixen'i pape libère ny noely ho 25 décembre ny taona 354 dia tsy midika velively fa teo ny kristianina vao nihevitra izany .
Ny tsara ho fantatra dia talohan'ny nisian'ny fankalazana ny nahaterahan'ilay sol invictus nataon'ny empereur Aurélien ny 274 ny kristianina dia efa nilaza fa teraka ny 25 décembre i Jesoa Kristy .
Anisan'izany zao ohatra ny Hippolyte de rome ( v 175 - 235 ) izay nilazain'ilay antipape izay lasa olomasina satria maty martiry fa teraka ny 25 décembre i Jesoa ao anatin'ny commentaire izay nataony mahakasika ny daniel IV, 23 .
Torak'izany koa i Tertullien ny manodidina ny taona 200 dia efa nilaza fa ny 14 nissan izay lazain'i Joany apostoly ( Jo 19,14 ) dia mitovy amin'ny 25 mars ( date ny équinoxe ) amin'ny calendrier romain izay date ny annonciation ihany koa . Ary i Jules african izay historien mo no milaza ao anatin'ny chronographai izay nipublieny ny taona 221 ( adversus ludaeos VIII ) tahaka izany ihany koa i Augustin , de la trinité V. 9 .
Izany hoe samy 25 mars ny annonciation sy ny nahafatesan'i Jesoa , ka raha 25 mars ny annonciation dia mazava ho azy fa décembre ny 9 volana aorian'izay .

Akotran'ireo anefa dia nisy ihany koa ireo nilaza date hafa amin'ny nahaterahan'i Jesoa toy ny 28 mars , ny 6 janvier , ny sasany volana septembre fa ny tena sur dia ny décembre ihany izay afaka porofona araka ny soratra masina sy ny tantara tsara .

🚩 III / TERAKA VOLANA DÉCEMBRE TOKOA I JESOA ??

Na dia tsy milaza mazava tsara ny date nahaterahan'i Jesoa aza ny soratra masina dia afaka porofoina tsara amin'ny alalany sy ny tantara izany .

Satria ny Lioka 1,5 dia milaza fa tamin'ny andron'i Heroda no nisehoan'ny tantara , izany hoe faran'ny 1er S Av JC .
Ny evangelin'i Lioka dia manomboka ny fitantaraina ny nahaterahan'i Joany batista izay zanak'i Zakaria mpisorona taranak'i Arona avy amin'ny antokon'i Abia .
Izany hoe i Zakaria dia tao anatin'ireo antoko 24 mpanao raharaha tao amin'ny tempoly izay nozarazarain'i Davida ao amin'ny 1 tantara 24 , ary ny andininy faha 10 dia milaza fa ny antokon'i Abia misy an'i Zakaria dia antoko fahavalo .
Ny raharahan'ny antoko iray dia manomboka ny sabata ary mifarana ny sabata ( izany hoe herinandro ) , ka ny antoko tsirairay avy mandritra ny taona dia manao raharaha indroa avy amin'ny akapobeny ( Flavius Josèphe / AJ
VII, 365-366) .

Araka ny exode 12,2 dia manomboka ny volana nissan ( mars / avril ) ny taona jiosy , noho izany ny antoko fahavalo misy an'i zakaria dia isaky ny volana sivan ( mai / juin ) no anjara raharahany voalohany ary ny volana fahavalo marheshvân (octobre /novembre) kosa no anjarany faharoa raha ao anatin'ny taona voalohany .
Io anefa dia miovaova isantaona fa tsy hoe voatery ho zay foana satria mandritra ny 6 taona vao vita ny cycle iray .

Araka ny Lioka 1,8-13 dia tamin'ny andron'ny nanaovan'i Zakaria an'io anjara raharahany tao amin'ny tempoly io izy no nilazan'ny anjely fa hanana anaka i Elisabeta vadiny izay renin'i Joany batista .
Ary rehefa feno 6 mois ny kibon'i Elisabeta dia nakany amin'i Maria indray ny anjely gabriely fa hitoejaza i Maria renin'i Jesoa ( Lk 1,26-27 ).
Izany hoe bevoaka 6mois i Elisabeta dia bevoaka koa i Maria .

Tamin'ny 1995, ireo savants Shemaryahu Talmon sy Israel Knohl, dia namoaka fanadihadiana momba ny kalandrie litorzikan'ny masoandro hita tao amin'ny grotte 4 akaikin'i Qumrân (4Q321-321a) izay, amin'ny ankapobeny, mitovy amin'ny hita ao amin'ny boky voalohan' i Enoka (72-82) na amin’ny an’ny Jobily ( toko 2 sy toko 6 ).
Manazava izy ireo mahakasika ny anjara raharahan'ireo mpisorona antoko 24 mandritra ny cycle iray ( 6 taona ) , ary voalaza ao amin'ny 4Q328 Fa , ny antokon'i Abia izay nisy an'i zakaria voalaza ao amin'ny lioka 1,8-9 dia nanao anjara raharahany tao amin'ny tempoly ny hapahefatry ny taona fahatelo ao anatin'ny cycle iray 6 taona tamin'ny volana tishri (septembre/octobre) .
( Jereo Henriette HOROVITZ
dans Jésus de Nazareth. Études sur la Nativité et la Crucifixion
, 2014, afaka hitanao ao amin'ny site obior.org fa ao izy tena détaillé tsara ).

Araka izany dia ny volana septembre no nilazan'ny anjely naha bevoaka an'i Elisabeta ranin'i Joany batista , ary mitombona tsara amin'ny tradition byzatin izay ankalazana ny conception de Jean isaky ny 23 septembre , ary ny 24 juin izay fankalazana ny nahaterahany .
23 septembre + 6 mois no nilazan'i anjely ny hahabevoaka an'i Maria renin'i Jesoa ,izay mitontona 25 mars ( équinoxe , izay nolazaina tany ambony be ) fête de l'Annonciation , miampy 9 volana nahabevoaka an'i Maria dia mitontona volana décembre tsara , izay andro nahaterahan' i Jesoa Kristy ilay fahazavan'izao tontolo izao ( Jo 8,12 ).

Azo heverina mitombona tsara ny nahaterahan'i Jesoa ny volana décembre satria manodidina io volana io ihany koa , 25 Kislev ireo jiosy dia mankalaza ny fetin'ny fahazavana ( Hanouchah ) araka ny talmud ( traité Chab 21b ) , ny antony moa dia afaka jerenao ao amin'ny boky makabeo ( 1 makabeo toko 1 katramin'ny toko 4 ) .

🚩 IV / FAMINTINANA :

Araka izany ny Noely izay ankalazain'ny kristianina dia tsy fety sampy fa krimasy na fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy ,ilay Andriamanitra tonga nofo tety antany .
Na dia hoe hanafoanana ilay fety sampy nataon'ny romanina tamin'izany aza no nolazaina hatrizay fa antom pisiany , dia azo porofona mihitsy anefa fa tena teraka ny volana décembre i Jesoa ilay fahazavan'izao tontolo izao ,izay volana fankalazan'ireo jiosy ny fetin'ny fahazavana mihitsy.

👉 FANTARO NY MARINA , ARY NY MARINA HANAFAKA ANAO ❗

: Faniry Stephane Dadouzy ✍🏼

💊 Source :
.Henriette Horovitz , Jesus de Nazareth , études sur la nativité et crufixion . news p.234Q321 fragm 1,col ,1 ...Lexilogos.com , origine de noël / ebior.com / philosophieduchristianisme.wordpress.com .

02/12/2023

Fa maninona i Masina Maria no tena atahoran'ny Demony indrindra ??

➡ Nilaza i Mompera Gabriel Amorth, ilay Pretra "Exorciste" malaza tao Vatican fa mangovitra ny demony vao maheno fotsiny ny anaran'i Masina Maria.

- Nisy pretra anakiray antsoina hoe Cândido Amantini, sendra nandroaka Demony tamin'ny Olona iray izy tany Roma, dia nametra-panontaniana mihitsy hoe nahoana ny demony no nanao fihetsika mahery vaika rehefa ny anaran'i Masina Maria no tononiny, mihoatra noho ny tamin’izy niantso an’i Jesoa ⁉

➡ Indray andro koa dia nisy Mompera antsoina hoe Faustino Negrini, rehefa nandroaka ny Demony izy dia nanontany mihitsy hoe inona no tena mampahatahotra anao momba an'ilay Renin'Andriamanitra ⁉
- Ary izao no navalin'ilay Demony azy:
1- Satria izy no manetry tena indrindra amin'ny zavaboary rehetra ...
2- Izy no mankatò indrindra ...
3- Izy no madio indrindra ...

➡ Rehefa noteren’i Mompera Gabriel Amorth koa ilay demony hilaza izay toetran’i Masina Maria Virjiny tena natahorany, dia izao no navalin'ilay Demony azy:
👉🏾 “Io ihany no zavaboary nikapoka ahy hatramin’izay, satria tsy mbola nokasihin’ny aloky ny ota na dia kely aza”.
-
-
-
Betsaka ireo tantara sy porofo maro samihafa manambara fa tena atahoran'ny Demony mafy mihitsy raha vao manonona ny anaran'i Masina Maria ny Pretra isaky ny mandroaka Demony amin'ny Olona iray.
- Io toetra ananan'ny Demony io dia mbola hita taratra ankehitriny saingy miseho amin'ny endrika hafa indray, dia tsy inona akory fa maro dia maro ireo milaza azy ho KRISTIANINA kanefa manao tsinotsinona an'ilay renin'Andriamanitra. 😞
Misy aza ireo antokon'olona miezaka mandresy lahatra mihitsy mba hanadinoanao ny fisian'i Masina Maria eo amin'ny tantaran'ny Finoana Kristianina.

Farany, aza adino ity hafatra navelan'i Jesoa ity:
🫴🏻 " Anaka, Indro ny Reninao..." (Jo 19,27)

Mivavaha ho anay ry Reny Masin'Andriamanitra.
🙏🏻❤

© Harem-Pinoana Katolika ✍🏼

30/11/2023

📷 Masindahy André Apostoly 🤲🏻

Efa nozaraina tamintsika tato amin'ny Pejy moa ny fomba nahafatesan'i Masindahy Piera Apostoly, ka nangatahany tamin'ireo miaramila Romanina ny hamadihana ny famantsihana azy teo amin'ny hazofijaliana, ka ny tanany natao ambany, fa ny tongony kosa eny ambony.

➡ Fa i Masindahy André Apostoly indray kosa dia nomelohin'ny Romana ho faty tany Grece, saingy nangataka izy ny hohomboana amin'ny hazo fijaliana izay miendrika (io hitantsika amin'ny sary io) satria tsapany fa tsy mendrika ny ho faty amin'ny endriky ny hazo fijaliana mitovy amin'ny an'i Jesoa izy.
- Dia tahaka an'io hitantsika amin'ny sary io izany ny fomba namantsihana an'i Masindahy André Apostoly tamin'ny Hazofijaliana.
➡ Ity lakroa diagonaly ity dia ampiasaina amin'ny sainam-pirenena Scottish na "Drapeau Écossais"
💥 Isaky ny 30 Novambra no ahatsiarovan'ny Fiangonana an'i Masindahy André Apostoly.

Masindahy André Apostoly,
MIVAVAHA HO ANAY 🙏🏻

© Harem-Pinoana Katolika ✍🏼

27/11/2023

🔴 NY MIVAVAKA ANDRO ALAHADY ❗

Mitandrema 'ndrao ho voafitaka...

Mety efa naheno isika any ho any ny fampianaran'ireo mpitondra fivavahana sasany izay milaza fa ny Eglizy Katolika no namorona ny fivavahana amin'ny andro Alahady fa tsy misy an'izany ao amin'ny baiboly. 😁

Dia raha vao tsy mandinika tsara tokoa isika dia voafitaka, satria dia hain'izy ireo mihitsy ny mampiasa toko sy andininy ao amin'ny baiboly io mba handreseny lahatra anao. 😞

- Koa mila fantarinao ary manomboka androany, fa taorian'ny nitsanganan'i Jesoa Kristy tamin'ny maty iny, dia lasa ny ANDRO ALAHADY amin'izay no andro lehibe tamin'ireo Kristianina nanomboka ny taon-jato voalohany.
Ho an'ny Kristianina mantsy dia i Kristy maty sy nitsangan-ko velona no fototry ny finoana.
Ary i Masindahy Paoly Apostoly mihitsy no milaza ao amin'ny 1Korintianina 15,14 fa:
👉🏻 raha tsy nitsangana tamin'ny maty ny Kristy, dia foana ny tori-teninay, foana koa ny finoanareo!
- Efa fantatsika moa fa i Jesoa Kristy dia nitsangan-ko velona tamin'ny Andro voalohany amin'ny herinandro, dia ny ANDRO ALAHADY izany ( Marka 16,9)

- Dia hitantsika ao amin'ny Asan'ny Apostoly 20,7 \ Asa 2,46 fa efa tamin'ny andron'ireo Apostoly sy ireo Kristianina voalohany no efa NIVAVAKA TAMIN'NY ANDRO ALAHADY izy ireo.
- Tsy nijanona teo ihany, fa rehefa tsy teo intsony ireo Apostoly dia nisy ireo mpandimby azy ireo.

- Ireo mpandimby ny Apostoly ireo ( père Apostolique, père de l'eglise ) dia samy namela raki-tsoratra avokoa, manambara mazava fa efa hatramin'ny taon-jato voalohany niainan'izy ireo dia efa NIVAVAKA sy NANAJA ny andro Alahady ny Kristianina voalohany.
👉🏾 Ohatra anankiroa fotsiny omena antsika manaporofo izany:

📿 Vakio ny Didachè ( enseignement des douze apôtres entre 50 et 95 )
« Réunissez-vous le jour dominical du Seigneur, rompez le pain et rendez grâces après avoir, d’abord, confessé vos péchés, afin que votre sacrifice soit pur. » (Didachè, Chapitre XIV)

📿 Vakio koa ny Lettre de Barnabé (entre 95 et 100 )
… J’inaugurerai le huitième jour, c’est-à-dire un univers nouveau. Voilà pourquoi nous célébrons dans l’allégresse le huitième jour (le dimanche) celui où Jésus est ressuscité des morts et où, après s’être manifesté, il est monté aux cieux. » (Lettre de Barnabé, chapitre XV, 8 et 9)

- Koa diso izany ny fampianarana ahelin'ireo antokom-piangonana izay milaza fa ny Eglizy Katolika no namorona ny fivavahana amin'ny andro Alahady. Misy aza dia tsy menatra ny mandainga mihitsy ny sasany fa taty amin'ny taona 325 nanjakan'i Emperora Constantin hono vao nisy ny fivavahana amin'ny andro Alahady 😅...
Na ny Soratra Masina na ny tantara tena marina tsy misy milaza an'izany fa noezahana noforonina mba hamitahana Olona.

Fehiny:
- Miezaha hatrany mamantatra ny tantaran'ny Fiangonantsika fa efa maro ny Olona mamadika tantara any ho any mba handreseny lahatra anao fotsiny, ny tanjony anefa dia mba ny hanarahanao azy any amin'ny antokom-piangonana misy azy.
- Rehefa misy zavatra tsy azonao dia manontania Pretra, Frera, Masera sy ireo Olona nandalina ny Soratra Masina sy ny tantaran'ny Fiangonana fa tsy izao olona rehetra vao namaky baiboly izao dia henoina avokoa.

Mirary Soa 🙏🏻

© Sylvanoh Ratsimandresy ✍🏼

19/11/2023

⏭ FANAZAVÀNA FA TENA RENIN'ANDRIAMANITRA I MASINA MARIA

- Ny ankamaroan'ny mpino ankehitriny dia tsy manaiky velively ny maha Renin'Andriamanitra an'i Masina Maria, satria hoazy ireo dia tsy misy Soratra ao amin'ny baiboly milaza ny hoe " Renin'Andriamanitra " na hoe " I Maria Renin'Andriamanitra "

📍FANAZAVÀNA:
- Tsara ho marihina aloha fa ny Soratra Masina dia tsy azontsika raisina ara-bakiteny fotsiny mba hifanaraka amin'ny fiheverantsika azy, toy ny fiheverana fa izay andininy raisintsika dia tsy maintsy hita mivantana ao avokoa.

Ka raha tsy mahita andian-teny ao amin'ny baiboly isika milaza hoe i Maria renin'Andriamanitra, dia tsy midika velively izany fa tsy renin'Andriamanitra tokoa Izy.

🆒) Porofo ara-tSoratra Masina:

💉 Lioka 1,
26Ary rahefa nandray enina izy, dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriely ho any amin'ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, 27ho any amin'ny Virjiny anankiray fofom-badin'ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak'i Davida, ary ny anaran'ilay Virjiny dia Maria. 28Ary nony niditra tao aminy ilay anjely dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy hianao. 29Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. 30Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak'Andriamanitra hianao. 31Ary indro, hitoe-jaza hianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. 32Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen'Andriamanitra ny fiketrahan'i Davida rainy izy, ka hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba, 33ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.

34Fa hoy Maria tamin'ilay anjely: Ahoana no hahatongavan'izany, fa tsy mahalala lahy aho? 35Ny Fanahy Masina, hoy ny anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao. 36Ary indro, Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, 37fa tsy hisy tsy ho hain'Andriamanitra atao. 38Dia hoy Maria: Inty aho ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao. Dia niala teo aminy ny anjely.

39Niainga Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin'ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, 40ary niditra tao an-tranon'i Zakaria ka niarahaba an'i Elizabeta. 41Nony vao ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta, 42ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. 43Ary avy aiza amiko izao no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?

👉🏻 Eto dia mazava ny Soratra Masina, fa raha vao tonga tao amin'i Elizabeta ny Fanahy Masina dia nanandram-peo Izy ka nilaza hoe:
ARY AVY AIZA AMIKO IZAO NO MBA VANGIAN'NY RENIN'NY TOMPOKO AHO ⁉
- Ilay Renin'ny Tompo eo dia fantantsika fa i Maria satria Izy no voalaza eo fa tonga namangy an'i Elizabeta fa tsy olona hafa akory 😁!!

👉🏻 Ny “Tompo” lazaina eo kosa dia ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, izay nantsoin’ny Ray mihitsy hoe Andriamanitra sy Tompo, ary io no nahariana ny zavatra rehetra:

💉 Hebreo 1,
5Fa anjely iza no mba nilazan'Andriamanitra hoe: Zanako hianao, izaho no niteraka anao androany? sy ny hoe: Izaho no Rainy, ary izy ho Zanako? 6Ary rahefa mampiditra ny Lahimatoa atý ambonin'ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny anjelin'Andriamanitra rehetra. 7Ny anjely lazainy hoe: Nanao ny anjeliny ho rivotra izy, ary ny mpanompony ho lelafo; 8fa ny Zanaka kosa ataony hoe: Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria, ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao. 9Tia ny fahamarinana hianao, fa mankahala ny heloka kosa, ka nohosoran'Andriamanitra, izay Andriamanitrao, diloilom-pifaliana mihoatra noho ny namanao rehetra. 10Ary izao koa: Hianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin'ny voalohany, ary asan-tànanao ny lanitra. 11Izy ireo ho levona, fa hianao haharitra; ho tonta toy ny fitafiana izy, 12ary havalonao toy ny lamba, ka hovàna avokoa; fa hianao no tsy miova, ary ny taonanano no tsy ho tapitra.

☝🏻 Efa fantantsika moa fa io Tompo io dia i Jesoa Kristy irery ihany, Izy no ilay Zanaka lahitokan'Andriamanitra nomeny an'izao Tontolo izao ( Joany 3,16), ka tonga NOFO mihitsy Izy aloha dia nonina tety amintsika ( Joany 1,14)

👉🏻 Noho izany, i Maria dia Renin’ny Tompo (ilay Jesoa izay Andriamanitra) araka ny efa voalaza ao amin'ny Lioka 1,43.
👉🏻 Ny Tompo dia Andriamanitra ( Marka 12,29; 1 Kor 8,6 ) satria moa araka ny efa voalaza etsy ambony dia i Jesoa Kristy io Tompo io.

👍🏻 Koa raha i Jesoa Kristy ary io Tompo sy Andriamanitra io dia mazava hoazy fa i Maria no Renin’Andriamanitra ( Matio 1,16-18; Rom 9,5 ).

🔐 FEHINY:
Mitandrema hatrany amin'ireo antokom-pinoana maro be izay miezaka manaparitaka fampianarana mifanohitra amin'ny EGLIZY sy ny Soratra Masina.
- Mazava ny Soratra Masina fa i Jesoa Kristy dia Andriamanitra.
☝🏻Koa na iza na iza manaiky fa Andriamanitra i Jesoa, dia manaiky tsy amim-pisalasalana fa renin'Andriamanitra i Masina Maria.

: Sylvanoh Ratsimandresy 😌🎧

Address

Ambositra

Telephone

+261348778687

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lakandrano hanelezana ny afopitiavan'i jesoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Digital creator in Ambositra

Show All

You may also like