Direction Régionale des Transports et de la Météorologie Alaotra Mangoro

Direction Régionale des Transports et de la Météorologie Alaotra Mangoro Drtm Alman

13/11/2024

𝗩𝗜𝗡𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗥𝗢𝗧𝗦𝗔𝗞𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗘𝗟𝗢 (𝟯)𝗛𝗘𝗥𝗜𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢, ny 11 Novambra hatramin'ny 01 Desambra 2024.
--------------------------
⚠️Ho kely ny tahan'ny rotsakorana na ho maina amin'ny ankapobeny hatramin'ny faha-24 Novambra 2024 na anatin'ny 2 herinandro ho avy saika manerana ny faritra rehetra.

⚠️ Tombanana fa mety ahazo rotsakorana manodidina ny tokony ho izy na mihoatra kely ny ankabezan'ny toerana ato anatin'ny Faritra Alaotra Mangoro mandritra ny herinandro farany ny volana Novambra 2024.

✅Tandremo!
Havaozina isa-kerinandro ity vaovao ity. Araho hatrany ny fivoarany mba tsy hilaozan'ny toetrandro.
----------------

13/11/2024
ATRIKASA HO FILAZANA OFISIALY NY METY HO FIZOTRY NY TAOM-PAHAVARATRA SY NY VANIM-POTOANAN'NY RIVODOZA 2024/2025 ATO ANAT...
25/10/2024

ATRIKASA HO FILAZANA OFISIALY NY METY HO FIZOTRY NY TAOM-PAHAVARATRA SY NY VANIM-POTOANAN'NY RIVODOZA 2024/2025 ATO ANATIN'NY FARITRA ALAOTRA MANGORO, DISTRIKA AMPARAFARAVOLA.
---------------------
✅ Taorian'ny Distrika Ambatondrazaka ny Alarobia 23 Okotobra 2024 teo, dia notohizana tao Tanambe, Distrika Amparafaravola ny Alakamisy 24 Oktobra teo indray ny atrikasa ho filazana ny mety ho taom-pahavaratra ato anatin'ny Faritra Alaotra Mangoro.

✅ Izany dia notanterahina tao amin'ny ESPACE VAN TANAMBE izay nanasana ireo vahoaka tsy an-kanavaka sy ireo tangalamena ato anatin'ny Distrika Amparafaravola. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ireo manam-pahefana maro tany an-toerana izay notarihin-dRatoa Solombavam-bahoaka voafidy tao amin'ny Distrika Amparafaravola VOLOLOMBOHANGY Tsiriniaina Narindra. Tonga nitarika ireo ekipa avy ato amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro kosa Atoa Landry RAKOTOMANGA izay Talem-paritra eto anivon'ny Fitalevana Alaotra Mangoro.

✅ Ny tanjon'izao atrikasa izao moa dia ny mba ahafahana mihomana mialoha amin'ny fandrafetana ny paikady hanalefahana ny fihatraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro amin'ireo seha-pihariam-pampandrosoana aty amin'ny Faritra, indrindra ny sehatry ny Fambolena amin'ny maha sompitry Madagasikara ny Faritra Alaotra Mangoro.
-----------

02/10/2024

𝙉𝙔 𝙈𝙀𝙏𝙔 𝙃𝙊 𝙁𝙄𝙍𝙊𝙉𝘼𝙉'𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙉𝘿𝙍𝙄𝙏𝙍𝘼 𝙉𝙔 𝙃𝙀𝙍𝙄𝙉𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊-𝗇𝗒 𝟢𝟣 𝗁𝖺𝗍𝗋𝖺𝗆𝗂𝗇'𝗇𝗒 𝟢𝟨 𝖮𝗄𝗍𝗈𝖻𝗋𝖺 𝟤𝟢𝟤𝟦
----------------------------
✅Tsiokan'ny Alizay malefaka no handrafitra ny toetry ny andro hatramin'ny Alakamisy izao. Hihamahazo vahana kosa izany mandritra ny faran'ny herinandro ka hisy fidinany misongadina ny maripàna manomboka ny Zoma izao.

✅ Ho maina ny andro amin'ny ankapobeny saika manerana ny Faritra Alaotra Mangoro. Hifandimby hatrany ny rahona sy ny masoandro hatramin'ny Alakamisy izao saingy hiverina handrahona ny tontolo andro ny Zoma sy ny faran'ny herinandro ary mety ho arahina erika manify izany ho an'ny distrika Moramanga.

✅ Hisy fidinany misongadina ny maripàna, indrindra ny maripàna ambony manomboka ny Zoma sy ny faran'ny herinandro any ho any. Tombanana hanodidina ny 12°C-27°C ny maripàna ao Mangoro raha hanodidina ny 13°C-29°C kosa izany ato Alaotra. Mety ho tafidina 17°C-20°C eoeo ny maripàna ambony ny Zoma sy ny faran'ny herinandro.
-----------------------
𝙈𝙀𝙏𝙀𝙊 𝘼𝙇𝘼𝙊𝙏𝙍𝘼 𝙈𝘼𝙉𝙂𝙊𝙍𝙊
𝙎𝙍𝙈/𝘿𝙍𝙏𝙈 𝘼𝙇𝙈𝘼𝙉

25/09/2024

𝙉𝙔 𝙈𝙀𝙏𝙔 𝙃𝙊 𝙁𝙄𝙍𝙊𝙉𝘼𝙉'𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙉𝘿𝙍𝙄𝙏𝙍𝘼 𝙉𝙔 𝙃𝙀𝙍𝙄𝙉𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 - 𝗇𝗒 𝟤𝟦 - 𝟤𝟫 𝖲𝖾𝗉𝗍𝖺𝗆𝖻𝗋𝖺 𝟤𝟢𝟤𝟦

𝖧𝗂𝗌𝗒 𝖿𝗂𝖽𝗂𝗇𝖺𝗇𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝖺𝗋𝗂𝗉𝖺̀𝗇𝖺 𝖺𝗆𝖻𝗈𝗇𝗒 𝖺𝗍𝗈 𝖺𝗇𝖺𝗍𝗂𝗇'𝗇𝗒 𝟤 𝖺𝗇𝖽𝗋𝗈 𝗂𝗇𝖽𝗋𝗂𝗇𝖽𝗋𝖺 𝗇𝗒 rah𝖺𝗆𝗉𝗂𝗍𝗌𝗈 𝖳𝖺𝗅𝖺𝗍𝖺. 𝖧𝗂𝗌𝗒 𝖿𝗂𝖺𝗄𝖺𝗋𝖺𝗇𝗒 𝗆𝗂𝗌𝗈𝗇𝗀𝖺𝗇𝖽𝗂𝗇𝖺 𝗄𝗈𝗌𝖺 𝗂𝗓𝖺𝗇𝗒 𝗆𝖺𝗇𝖽𝗋𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗇𝗒 𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇'𝗇𝗒 𝗁𝖾𝗋𝗂𝗇𝖺𝗇𝖽𝗋𝗈
-------------------------------
✅ Fandalovana rindrin-drahona ao atsimo atsinanan'ny nosy no handrafitra ny toetry ny andro ato anatin'ny 2 andro ho avy. Tsiokan'ny Alizay malefaka kosa no hibahan-toerana aorian'izay.

✅ Handrahona ny andro ato anatin'ny 2 andro ho avy, indrindra ny rahampitso Talata. Mety hisy herijikan'ny erika malefaka mitsitokotoko izany ho an'ny Faritry Mangoro sy ny tapany atsimon'Alaotra mandritra ny tapany maraina.

✅ Hiverina ahazo vahana kosa Ingahibe masoandro manomboka ny Alarobia tolakandro na ny Alakamisy mitohy mandritra ny faran'ny herinandro ato Alaotra. Mbola somary handrahona kosa ny tapany maraina ao Mangoro fa hibaliaka kosa ny masoandro ny tolakandro.

✅Hisy fidinany ny maripàna ambony ato anatin'ny 2 andro ho avy indrindra ny rahampitso Talata. Hisy fiakarany misongadina kosa izany mandritra ny faran'ny herinandro. Tombanana hanodidina ny 11°C - 28°C ny maripàna mandritra ity herinandro ity ato anatin'ny Faritra Alaotra Mangoro.
-----------------
𝙈𝙀𝙏𝙀𝙊 𝘼𝙇𝘼𝙊𝙏𝙍𝘼 𝙈𝘼𝙉𝙂𝙊𝙍𝙊
𝙎𝙍𝙈/𝘿𝙍𝙏𝙈 𝘼𝙇𝙈𝘼𝙉

12/09/2024
09/09/2024

𝙉𝙔 𝙈𝙀𝙏𝙔 𝙃𝙊 𝙁𝙄𝙍𝙊𝙉𝘼𝙉'𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙉𝘿𝙍𝙄𝙏𝙍𝘼 𝙉𝙔 𝙃𝙀𝙍𝙄𝙉𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 - 𝟣𝟢 𝗁𝖺𝗍𝗋𝖺𝗆𝗂𝗇'𝗇𝗒 𝟣𝟧 𝖲𝖾𝗉𝗍𝖺𝗆𝖻𝗋𝖺 𝟤𝟢𝟤𝟦

⚠𝘏𝘪𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘰𝘯𝘨𝘢𝘥𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘳𝘪𝘱𝘢̀𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘣𝘰𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯'𝘯𝘺 𝘈𝘭𝘢𝘬𝘢𝘮𝘪𝘴𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘰. 𝘏𝘪𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘥𝘪𝘯𝘢𝘯𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘰𝘯𝘨𝘢𝘥𝘪𝘯𝘢 𝗄𝗈𝗌𝖺 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘳𝘢𝘯'𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘳𝘪𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰, 𝘪𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘰 𝘔𝘢𝘯𝘨𝘰𝘳𝘰.
--------------------------
✅ Hiverina ahazo vahana ny tsiokan'ny Alizay ny faran'ny herinandro izao. Fifandimbiasana fandalovana rindrin-drahona ao atsimon'ny Nosy sy Alizay malefaka kosa no handrafitra ny toetry ny andro hatramin'ny Alakamisy izao. Tsy ahiana ny tranga ara-toetrandro mahery vaika.

✅Amin'ny ankapobeny dia ahazo vahana kokoa ny masoandro hatramin'ny Alakamisy izao saika manerana ny Faritra rehetra. Ho maina ny andro araka izany mandritra ity herinandro ity.

✅Hisy fiakarany misongadina ny maripàna hatramin'ny Alakamisy izao raha hiverina hidina kosa indray izany mandritra ny faran'ny herinandro ka hisongadina kokoa izany ho an'ny distrika Moramanga sy Anosibe an'ala. Tombanana hanodidina 14°C-29°C ny maripàna ato Alaotra raha mety hanodidina ny 15°C-27°C kosa ny ao Mangoro.
---------------
𝙈𝙀𝙏𝙀𝙊 𝘼𝙇𝘼𝙊𝙏𝙍𝘼 𝙈𝘼𝙉𝙂𝙊𝙍𝙊
𝙎𝙍𝙈/𝘿𝙍𝙏𝙈

03/09/2024
03/09/2024
22/08/2024
22/08/2024
03/08/2024

𝗥𝗘𝗖𝗥𝗨𝗧𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧 𝗗𝗘 𝗖𝗢𝗡𝗦𝗨𝗟𝗧𝗔𝗡𝗧(𝗦) 𝗡𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡𝗔𝗟 (𝗔𝗨𝗫) 𝗣𝗢𝗨𝗥 𝗟’𝗘𝗟𝗔𝗕𝗢𝗥𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗨 𝗣𝗟𝗔𝗡 𝗦𝗧𝗥𝗔𝗧𝗘𝗚𝗜𝗤𝗨𝗘 𝗘𝗧 𝗣𝗟𝗔𝗡 𝗗’𝗔𝗖𝗧𝗜𝗢𝗡𝗦 𝗡𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡𝗔𝗨𝗫 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗗𝗜𝗥𝗘𝗖𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗚𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗠𝗘𝗧𝗘𝗢𝗥𝗢𝗟𝗢𝗚𝗜𝗘

03/08/2024

𝑵𝒀 𝑴𝑬𝑻𝒀 𝑯𝑶 𝑭𝑰𝒁𝑶𝑻𝑹𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑶𝑵𝑶𝑵𝑻𝑨𝑶𝑵𝑨 𝑽𝑶𝑳𝑨𝑵𝑨 𝑨𝑶𝑮𝑶𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑯𝑨𝑻𝑹𝑨𝑴𝑰𝑵'𝑵𝒀 𝑵𝑶𝑽𝑨𝑴𝑩𝑹𝑨 2024
-----------------------------
✅ Anatin'ny tranga "La Nina" isika amin'izao fotoana izao na fiidinan'ny maripànan'ny Ranomasimbe pasifika amin'ny ilany atsinanana oharina amin'ny tokony ho izy. Tranga izay mifanohitra tamin'ny zava-nisy ny taona ny lasa 2023 na "El Nino".

**𝑹𝑶𝑻𝑺𝑨𝑲𝑶𝑹𝑨𝑵𝑨**
-------------------
✅ Ho an'ny telo volana voalohany manomboka ny Aogositra hatramin'ny Oktobra 2024 (ASO2024) dia tombanana fa hifanaraka na hihena noho ny tokony ho izy ny tahan'ny rotsakorana ho an'ny distrika Andilamena, Moramanga ary Anosibe an'ala. 𝑯𝒐 𝒍𝒂𝒕𝒔𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒐𝒉𝒐 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒊𝒛𝒚 𝒌𝒐𝒔𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒔𝒕𝒓𝒊𝒌𝒂 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒕𝒐𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝑨𝒎𝒑𝒂𝒓𝒂𝒇𝒂𝒓𝒂𝒗𝒐𝒍𝒂. 𝑹𝒂𝒉𝒂 𝒐𝒉𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒔𝒂 𝑨𝑺𝑶 2023 𝒅𝒊𝒂 𝒗𝒊𝒏𝒂𝒗𝒊𝒏𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒇𝒂 𝒉𝒐 𝒌𝒆𝒍𝒚 𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒎𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒏𝒐𝒏𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂 𝑨𝑺𝑶 2024.

✅ Ho an'ny telo volana faharoa manomboka ny Septambra hatramin'ny Novambra 2024 (SON 2024) 𝒅𝒊𝒂 𝒕𝒐𝒎𝒃𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂 𝒉𝒊𝒇𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒂 𝒉𝒊𝒉𝒆𝒏𝒂 𝒏𝒐𝒉𝒐 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒊𝒛𝒚 ny tahan'ny rotsakorana saika manerana y Faritra Alaotra Mangoro iray manontolo. 𝑹𝒂𝒉𝒂 𝒐𝒉𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂 𝑺𝑶𝑵2023 𝒅𝒊𝒂 𝒗𝒊𝒏𝒂𝒗𝒊𝒏𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒇𝒂 𝒎𝒆𝒕𝒚 𝒉𝒊𝒕𝒐𝒗𝒊𝒕𝒐𝒗𝒚 𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒍𝒂𝒕𝒔𝒂𝒌𝒂 𝒌𝒆𝒍𝒚 𝒏𝒐𝒉𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂 𝑺𝑶𝑵2024.

✅ Ny volana Oktobra 2024 dia ho latsaka noho ny tokony ho izy ny tahan'ny rotsakorana ho an'ny distrika Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Ahiana araka izany ny haintany na ny tsy fahampian'ny rotsakorana mandritra io volana io.

**𝑴𝑨𝑹𝑰𝑷𝑨𝑵𝑨**

✅ Raha ho an'ny maripàna efa-bolana ho avy dia vinavinaina fa hifanaraka na hafana noho ny tokony ho izy. 𝑨𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒂 𝒕𝒐𝒎𝒃𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐 𝒗𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒐𝒉𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒛𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒊𝒛𝒚 𝒔𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒓𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑨𝒍𝒂𝒐𝒕𝒓𝒂 𝑴𝒂𝒏𝒈𝒐𝒓𝒐 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐. Na izany aza anefa dia mety hisy ihany andro vitsivitsy izay tena hangatsiaka anatin'ny volana Aogositra 2024.
---------------------------
𝑴𝑬𝑻𝑬𝑶 𝑨𝑳𝑨𝑶𝑻𝑹𝑨 𝑴𝑨𝑵𝑮𝑶𝑹𝑶
𝑫𝑹𝑻𝑴/𝑺𝑹𝑴

Mba ho fisorohana ny lozam-pifamovoizana, dia entanina hatrany isika ho mailo sy  hanaraka ny lalana mifehy ny fifamovoi...
29/07/2024

Mba ho fisorohana ny lozam-pifamovoizana, dia entanina hatrany isika ho mailo sy hanaraka ny lalana mifehy ny fifamovoizana.
Izahay Eto amin'ny Fitalehavamparitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrany dia maniry fahasalamana feno ho an'ireo maratra anio.

Izahay eto amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro Alaotra Mangoro dia mirary soa sy fa...
22/07/2024

Izahay eto amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro Alaotra Mangoro dia mirary soa sy fahombiazana ho an'ny mpiadina fanadinana Baccalauréat rehetra ato anatin'ny Faritra Alaotra Mangoro.

Ho tsara ny andro ary somary hafana kokoa ny tontolo andro mandritra ity herinandro ity raha oharina ny tamin'ny herinandro lasa.

𝑵𝒀 𝑴𝑬𝑻𝒀 𝑯𝑶 𝑭𝑰𝑹𝑶𝑵𝑨𝑵'𝑵𝒀 𝑻𝑶𝑬𝑻𝑹𝒀 𝑵𝒀 𝑨𝑵𝑫𝑹𝑶 𝑴𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑵𝒀 𝑯𝑬𝑹𝑰𝑵𝑨𝑵𝑫𝑹𝑶 𝑵𝒀 2𝟑-𝟐8 J𝐨l𝐚y 2𝟎2𝟒
-----------------------------
✅Mbola ny tsiokan'ny Alizay malefaka hatrany no handrafitra ny toetry ny andro ato anatin'ny Faritra Alaotra Mangoro mandritra ity herinandro ity. Tsy ahiana ny tranga ara-toetry ny andro mahery vaika mety ahakasika ny Faritra. 𝑯𝙞𝒔𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒌𝙖𝒓𝙖𝒏𝙮 𝙢𝒊𝙨𝒐𝙣𝒈𝙖𝒅𝙞𝒏𝙖 𝙣𝒚 𝒎𝙖𝒓𝙞𝒑𝙖̀𝒏𝙖 𝙖𝒎𝙗𝒐𝙣𝒚, 𝙞𝒏𝙙𝒓𝙞𝒏𝙙𝒓𝙖 𝙢𝒂𝙣𝒅𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒓𝙖𝒏'𝒏𝙮 𝙝𝒆𝙧𝒊𝙣𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐

✅𝑨𝙢𝒊𝙣'𝙣𝒚 𝒂𝙣𝒌𝙖𝒑𝙤𝒃𝙚𝒏𝙮 𝙙𝒊𝙖 𝙨𝒂𝙞𝒌𝙖 𝙝𝒐 𝒎𝙖𝒊𝙣𝒂 𝒏𝙮 𝙖𝒏𝙙𝒓𝙤 𝙢𝒂𝙣𝒆𝙧𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮 𝙁𝒂𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝘼𝒍𝙖𝒐𝙩𝒓𝙖 𝙈𝒂𝙣𝒈𝙤𝒓𝙤 𝙞𝒓𝙖𝒚 𝒎𝙖𝒏𝙤𝒏𝙩𝒐𝙡𝒐. Ahazo vahana kokoa Ingahibe masoandro ny tontolo andro na dia mety ho lalovan-drahona ihany aza indraindray ny tapany maraina. Hitoetra hatrany ihany koa ny zavona vao maraina na alina ny Talata sy Alakamisy saingy hisava miandalana mandritra ny andro ihany izany.

✅𝐻𝑖𝑠𝑦 𝑓𝑖𝑎𝑘𝑎𝑟𝑎𝑛𝑦 𝑚𝑖𝑠𝑜𝑛𝑔𝑎𝑑𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑚𝑎𝑟𝑖𝑝𝑎̀𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑖𝑡𝑦 ℎ𝑒𝑟𝑖𝑛𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜 𝑖𝑛𝑑𝑟𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑟𝑎𝑛'𝑛𝑦 ℎ𝑒𝑟𝑖𝑛𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜. Hafana kokoa ny tontolo andro araka izany amin'ny ankapobeny. Tsy hisy fiovana firy kosa ny maripàna ambany raha oharina tamin'ny herinandro lasa teo.

✅𝙏𝒔𝙞𝒂𝙝𝒊𝙫𝒊𝙣𝒂 𝒎𝙤𝒂 𝒇𝙖 𝙝𝒂𝙛𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙤𝒉𝙤 𝙣𝒚 𝒕𝙤𝒌𝙤𝒏𝙮 𝙝𝒐 𝒊𝙯𝒚 𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙝𝒂𝙣'𝙣𝒚 𝒎𝙖𝒓𝙞𝒑𝙖̀𝒏𝙖 𝙢𝒂𝙣𝒅𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙣𝒚 𝒗𝙤𝒍𝙖𝒏𝙖 𝙅𝒐𝙡𝒂𝙮 sy telo volana 𝙅𝒐𝙡𝒂𝙮-𝘼𝒐𝙜𝒐𝙨𝒊𝙩𝒓𝙖-𝙎𝒆𝙥𝒕𝙖𝒎𝙗𝒓𝙖 2024 raha ho an'ny Faritra Alaotra Mangoro.
----------------------
𝑴𝑬𝑻𝑬𝑶 𝑨𝑳𝑨𝑶𝑻𝑹𝑨 𝑴𝑨𝑵𝑮𝑶𝑹𝑶
𝑫𝑹𝑻𝑴/𝑺𝑹𝑴

Address

Ambatondrazaka
Ambatondrazaka
503

Website

https://www.acm.mg/, https://web.facebook.com/MinTransports/, https://www.meteomadagascar.mg/

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Direction Régionale des Transports et de la Météorologie Alaotra Mangoro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share